1[Faminaniana ny amin'ny hanjo an'i Zedekia, sy fananarana ny olona noho izy nanandevo indray izay efa novotsorany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin'ny tany izay nanjakany mbamin'ny firenena rehetra izay namely an'i Jerosalema sy ny tanànany rehetra, nanao hoe:
1預言西底家被擄,聖城被毀巴比倫王尼布甲尼撒率領他的全軍,以及他統治的地上各國各族,攻打耶路撒冷和周圍一切城鎮的時候,從耶和華那裡有話臨到耶利米,說:
2Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Mandehana, lazao amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka hodorany amin'ny afo izy;
2“耶和華以色列的 神這樣說:‘你去告訴猶大王西底家說:耶和華這樣說:看哪!我要把這城交在巴比倫王的手中,他要用火燒城。
3ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tànany; ary ny masonao hahita ny mason'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babylona ianao.
3你必逃不出他的手,必被拿住,交在他的手中。你必親眼看見巴比倫王,他必親口和你說話;你也必到巴比倫去。’
4Nefa henoy ny tenin'i Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan'ny Joda. Izao no lazain'i Jehovah ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao.
4但猶大王西底家啊,你還要聽耶和華的話!耶和華論到你這樣說:‘你必不會死在刀下;
5fa amin'ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireny mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko; fa Izaho no efa nilaza izany, hoy Jehovah.
5你必平平安安死去。人怎樣為你的列祖,就是在你以前的君王,焚燒香料,也必照樣為你焚燒香料;人必為你哀悼,說:“哀哉,主上!”’這話是我說的。”這是耶和華的宣告。
6Dia nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda. tany Jerosalema izany teny rehetra izany.
6於是耶利米先知在耶路撒冷把這一切話都告訴了猶大王西底家。
7fony ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona mbola namely an'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin'ny tanànan'ny Joda.
7那時,巴比倫王的軍隊正在攻打耶路撒冷和猶大剩下的城鎮,就是拉吉和亞西加,因為在猶大的各城中,只剩下這兩座堅固的城了。
8Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin'ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fanafahana aminy,
8君民立約釋放奴僕西底家王和在耶路撒冷的眾民立了約,要向奴僕宣告自由。人人都要釋放自己的希伯來奴婢;誰也不可使自己的一位猶大兄弟作奴僕。(這事以後,從耶和華那裡有話臨到耶利米。)
9mba samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony.
9
10Ka dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka.
10所有立了約的領袖和眾民都同意釋放各人自己的奴婢,誰也不再使他們作奴僕。他們都同意了,並且把奴婢釋放了。
11Kanjo taorian'izany dia nanenina izy, ka naveriny indray ireo ankizilahy sy ankizivavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
11但後來他們反悔,把他們釋放了的奴婢叫回來,強迫他們再作奴婢。
12Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
12背約必受懲罰於是耶和華有話臨到耶利米,說:
13Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin'ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta hiala tamin'ny trano nahandevozana nanao hoe:
13“耶和華以色列的 神這樣說:‘我把你們的列祖從埃及地為奴之家領出來的那日子,就和他們立了約,說:
14Isam-pito taona samia mandefa ny Hebreo rahalahiny, izay namidy taminao; ka rehefa nanompo anao enin-taona izy, dia alefaso ho afaka; nefa ny razanareo tsy nihaino Ahy ka nanongilana ny sofiny.
14“一個希伯來兄弟賣了身給你,服事了你六年,到第七年,你們各人就應釋放他,容他自由離去。”但你們的列祖不聽從我,毫不在意。
15Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin'ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako;
15現今你們悔改,行我眼中看為正的事,各人向自己的同胞宣告自由,並且在稱為我名下的殿中,在我面前立了約。
16kanjo nivadika indray ianareo ka tsy nanamasina ny anarako, fa samy namerina ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
16你們卻又反悔,褻瀆我的名;各人把得了釋放隨意離去的奴婢叫回來,強迫他們再作奴婢。’
17Koa izao no lazain'i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an'ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an'ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra amin'ny tany ianareo.[Na: ho fampangovitana]
17“所以,耶和華這樣說:‘你們各人沒有聽從我,向兄弟、同胞宣告自由;看哪!我現在向你們宣告自由,容讓你們遭受刀劍、瘟疫和饑荒,使你們成為地上萬國所驚懼的。’這是耶和華的宣告。
18Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin'ny fanekena, izay nataony teo anatrehako fony nosasahiny ny ombilahy kely, ka nandeha teo anelanelan'ny tapany izy,
18‘我必把那些違犯我的約的人交出去;他們沒有履行在我面前和我立約的誓言,就是他們把牛犢劈開兩半,並且從兩半中間走過去時立下的。
19eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda sy ny mpanapaka any Jerosalema sy ny tandapa sy ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra, izay nandeha teo anelanelan'ny tapaky ny ombilahy kely,
19那些從牛犢兩半中間走過去的人,就是猶大的領袖、耶路撒冷的領袖、宮中的臣宰、祭司和這地的眾民。
20dia hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy, ary ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
20我必把他們交在他們仇敵的手中,和那些尋索他們性命的人的手中;他們的屍體必給空中的飛鳥和地上的走獸作食物。
21Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy ary eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona, izay efa lasa niala taminareo.Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin'ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin'ny afo; ary ny tanànan'ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.
21我也必把猶大王西底家和眾領袖交在他們仇敵的手中,和那些尋索他們性命的人的手中,以及那些從你們面前暫時撤退的巴比倫王的軍隊的手中。
22Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin'ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin'ny afo; ary ny tanànan'ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.
22看哪!我必下令,使他們回到這城來;他們必攻打、奪取這城,用火焚燒;我必使猶大的城鎮都荒涼,沒有人居住。’”這是耶和華的宣告。