1[Ny amin'ny Rekabita] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia. mpanjakan'ny Joda, nanao hoe:
1利甲族謹守先祖戒酒的遺訓在猶大王約西亞的兒子約雅敬作王的日子,耶和華有話臨到耶利米,說:
2Mankanesa any amin'ny taranak'i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon'i Jehovah, ao amin'ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.
2“你去見利甲族的人,和他們交談,領他們進入耶和華殿裡的一個房間,給他們酒喝。”
3Dia nalaiko Jazania, zanak'i Jeremia, zanak'i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra mbamin'ny taranak'i Rekaba rehetra,
3於是我把哈巴洗尼雅的孫子、雅利米雅的兒子雅撒尼亞,以及他的兄弟、他的眾子和利甲全族的人,
4ka nampidiriko ho ao amin'ny tranon'i Jehovah izy, dia tao amin'ny efi-tranon'ny taranak'i Hanana zanak'i Jigdalia, lehilahin'Andriamanitra, izay ao anilan'ny efi-tranon'ny mpanapaka, ao ambonin'ny efi-tranon'i Mahaseia, zanak'i Saloma, mpiandry varavarana.
4都領進耶和華的殿裡,進了神人伊基大利的兒子哈難眾子的房間;這房間是在眾領袖的房間旁邊,在沙龍的兒子守衛殿門的瑪西雅的房間上面。
5Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan'ny taranak'i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay ianareo.
5然後我把盛滿酒的酒壺和酒杯,擺放在利甲族人的面前,對他們說:“請喝酒!”
6Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay efa nafatra anay hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay;
6但他們說:“我們不喝酒,因為我們的祖先利甲的兒子約拿達曾吩咐我們說:‘你們和你們的子孫永遠都不可喝酒。
7ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory, fa lay no itoeronareo amin'ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin'ny tany izay ivahinianareo.
7你們也不可建造房屋,不可撒種,不可栽種或擁有葡萄園;你們一生的日子只可住帳棚,使你們在寄居的地上活得長久。’
8Dia nankatoavinay izany tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay izany tamin'izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin'ny andronay rehetra, na izahay na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;
8我們的祖先利甲的兒子約拿達吩咐我們的一切話,我們都聽從了;我們和我們的妻子兒女,終生都不喝酒,
9ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay;
9不建造房屋居住,也沒有葡萄園、田地和種子。
10fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran'i Jonadaba razanay anay.
10我們只住帳棚;我們聽從祖先約拿達吩咐我們的一切話,並且照著去行。
11Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana, ka dia izany no itoerany eto Jerosalema.
11但是,巴比倫王尼布甲尼撒上來攻打這地的時候,我們就說:‘來吧!為了迦勒底和亞蘭人的軍隊的緣故,我們到耶路撒冷去。’這樣,我們才住在耶路撒冷。”
12Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
12責備人民不遵守 神的誡命耶和華的話臨到耶利米,說:
13Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? hoy Jehovah.
13“萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:你去對猶大人和耶路撒冷的居民說:‘你們不接受管教,不聽我的話嗎?’這是耶和華的宣告。
14To ny tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy misotro tokoa izy mandraka androany, fa mahatana ny hafa-drazany, ary Izaho efa niteny taminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino ianareo.
14‘利甲的兒子約拿達吩咐他的子孫不可喝酒的話,他們已經實行了,他們直到今日都不喝酒,因為他們聽從了他們祖先的吩咐。至於我,我不斷告誡你們,你們卻不聽從我。
15Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin'ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo. ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin'ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.
15我不斷差遣我的僕人眾先知到你們那裡去,對你們說:你們各人要悔改,離開自己的惡道,改正你們的行為,不可隨從事奉別神;這樣,你們就可以住在我賜給你們和你們列祖的土地上。只是你們毫不在意,也沒有聽從我。
16Eny, nankatoavin'ny zanak'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy.
16利甲的兒子約拿達的子孫實行了他們祖先吩咐他們的命令,但這人民沒有聽從我。’
17Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely Indro, hataoko mihatra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy.
17因此,耶和華萬軍的 神、以色列的 神這樣說:‘看哪!我必使我對他們預告過的一切災禍,臨到猶大人和耶路撒冷所有的居民,因為我對他們說話,他們卻不聽從;我呼喚他們,他們卻不回應。’”
18Ary ny taranak'i Rekaba dia nilazan'i Jeremia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr'i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.
18利甲族因謹守遺訓而得福耶利米對利甲族人說:“萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:‘因為你們聽從了你們祖先約拿達的吩咐,謹守他的一切命令,又照著他吩咐你們的一切去行。’
19dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.
19所以,萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:‘利甲的兒子約拿達必永遠不斷有人在我面前侍立。’”