1[Ny nangatahan'i Zedekia an'i Jeremia hivavaka ho azy, sy ny teny navalin'i Jeremia azy, ary ny nanaovana an'i Jeremia tao an-tranomaizina] Ary Zedekia mpanjaka, zanak'i Josia, dia nanjaka nandimby an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, fa nampanjakain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao amin'ny tanin'ny Joda izy;
1西底家求耶利米代禱約西亞的兒子西底家代替約雅敬的兒子哥尼雅作王;西底家是巴比倫王尼布甲尼撒所立在猶大地作王的。
2nefa na izy, na ny mpanompony, na ny vahoaka, dia samy tsy nihaino ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy an'i Jeremia mpaminany.
2西底家和他的臣僕,以及那地的人民,都不聽從耶和華藉耶利米先知所傳的話。
3Ary Zedekia mpanjaka naniraka an'i Jehokala, zanak'i Selemia, sy Zefania, zanak'i Mahaseia, mpisorona, ho any amin'i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay.
3西底家王差派示利米雅的兒子猶甲和瑪西雅祭司的兒子西番雅,去見耶利米先知,說:“請你為我們向耶和華我們的 神禱告。”
4Ary Jeremia mbola niditra sy nivoaka teo amin'ny olona ihany; fa tsy mbola nataony tao an-trano-maizina izy.
4那時,耶利米還可以在民眾中間自由行動,因為他們還沒有把他關進監獄裡。
5Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan'i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an'i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.
5法老的軍隊已經從埃及出來;那些圍困耶路撒冷的迦勒底人聽見了他們的風聲,就從耶路撒冷撤退了。
6Dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny tenin'i Jehovah hoe:
6那時,耶和華的話臨到耶利米先知,
7Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin'ny mpanjakan'ny Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan'i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;
7“耶和華以色列的 神這樣說:你們要對差派你們來求問我的猶大王這樣說:‘看哪!那出來幫助你們的法老的軍隊,必回到他們的埃及本地去。
8fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin'ny afo.
8迦勒底人必回來,攻擊這城,佔領這城,放火燒毀這城。’
9Izao no lazain'i Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.
9耶和華這樣說:你們不要自己欺騙自己,說:‘迦勒底人必定離開我們!’因為他們必不離開。
10Fa na dia mamely ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanàna ity amin'ny afo.
10即使你們擊敗了那攻打你們的迦勒底全軍,他們中間只剩下一些受重傷的人,他們也必各從自己的帳棚裡起來,放火燒毀這城。’”
11Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan'ny Kaldeana noho ny amin'ny miaramilan'i Farao,
11耶利米被囚禁迦勒底人的軍隊因懼怕法老的軍隊而從耶路撒冷撤退的時候,
12dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin'ny tanin'ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin'ny vahoaka.
12耶利米離開耶路撒冷,往便雅憫地去,要在那裡,在同鄉中間,取得自己的產業。
13Ary raha tonga teo am-bavahadin'i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin'ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak'i Selemia, zanak'i Hanania, no teo; dia nisambotra an'i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin'ny Kaldeana ianao.
13他到了便雅憫門,那裡有一個守衛的長官,名叫伊利雅,是哈拿尼雅的孫子、示利米雅的兒子;他拿住耶利米先知,說:“你想去投降迦勒底人!”
14Fa hoy Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin'ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka dia nosamborin'i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin'ny mpanapaka.
14耶利米說:“這是謊話!我並不是去投降迦勒底人。”但伊利雅不聽他,仍拿住他,把他帶到眾領袖那裡。
15Ary tezitra tamin'i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.
15眾領袖都惱怒耶利米,就吩咐人打他,並且把他關進監裡,就是在書記約拿單的房子裡,因為他們已把這房子改作監獄。
16Ary nony tafiditra tao an-trano-maizina, tao amin'ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao andro maro,
16耶利米進了地牢裡的一個囚房,在那裡監禁了多日。
17dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin'i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ianao.
17後來,西底家王派人去把他帶出來;王在自己的宮中私下問他,說:“從耶和華那裡有話來嗎?”耶利米回答:“有!”又說:“你必交在巴比倫王的手中。”
18Ary hoy koa Jeremia tamin'i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin'ny mpanomponao, na tamin'ity firenena ity, no dia nataonareo tao an-trano-maizina aho?
18耶利米再對西底家王說:“我有甚麼得罪你,或你的臣僕,或這人民,你竟然把我送進監獄裡呢?
19Aiza moa ireo mpaminaninareo, izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan'i Babylona?
19你們的先知曾向你們預言說:‘巴比倫王必不會來攻擊你們和這地。’他們現今在哪裡呢?
20Koa trarantitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.Dia nasain'i Zedekia mpanjaka nataony teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan'andro isan'andro avy any amin'ny fitoeran'ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin'ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana.
20我主我王啊!現在求你垂聽,求你容我向你懇求!不要把我送回書記約拿單的房子去,免得我死在那裡。”
21Dia nasain'i Zedekia mpanjaka nataony teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan'andro isan'andro avy any amin'ny fitoeran'ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin'ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana.
21於是西底家王下令,把耶利米拘留在衛兵的院子裡;他們每天從餅鋪街拿一個餅給他,直到城裡的餅都吃光了。耶利米就這樣留在衛兵的院子裡。