1[Ny nitoeran'i Jeremia tao an-davaka sy ny fara fihaonany tamin'i Zedekia] Ary Safatia, zanak'i Matana, sy Gedalia, zanak'i Pasora, sy Jokala, zanak'i Semelia, ary Pasora, zanak'i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra nanao hoe:
1耶利米在牢獄裡瑪坦的兒子示法提雅、巴施戶珥的兒子基大利、示利米雅的兒子猶甲、瑪基雅的兒子示巴戶珥,聽見耶利米對眾民宣講以下的話:
2Izao no lazain'i Jehovah: Izay mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.
2“耶和華這樣說:‘凡留在這城裡的,必因刀劍、饑荒、瘟疫而死;但出去向迦勒底人投降的,必可以活著;他們必撿回自己的性命,得以生存。’
3Izao no lazain'i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa ka ho afany.
3耶和華這樣說:‘這城必交在巴比倫王軍隊的手中,巴比倫王必攻取這城。’”
4Dia hoy ny mpanapaka tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin'ity tanàna ity mbamin'ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan'ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa.
4於是眾領袖對王說:“這人應該處死,因為他向這城裡剩下的軍兵和眾民說了這樣的話,使他們的手都軟弱無力。這人不是為這人民求平安,卻是惹來災禍的。”
5Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo.
5西底家王說:“看哪!他在你們手中;王不能作甚麼反對你們。”
6Ary naka an'i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin'ny lavaka famorian-dranon'i Malkia, zanak'andriana, izay tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin'ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin'ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin'ny fotaka Jeremia.
6他們就拿住耶利米,把他丟在王子瑪基雅的井裡,那井是在衛兵的院子裡的;他們用繩子把耶利米縋下去。井裡沒有水,只有淤泥;耶利米就陷在淤泥中。
7Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an'i Jeremia tao amin'ny lavaka (nipetraka teo amin'ny vavahadin'ny Benjamina ny mpanjaka androtr'iny),
7以伯.米勒援救耶利米宮中的臣宰古實人以伯.米勒,在王宮裡聽見他們把耶利米關在井裡的消息(那時,王正在便雅憫門坐著),
8dia nivoaka avy tao an-tranon'ny mpanjaka izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe:
8以伯.米勒就從王宮裡出來,稟告王說:
9Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon'ity firenena ity tamin'i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin'izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.
9“我主我王啊!這些人對耶利米先知所作的一切真是惡毒,他們把他丟在井裡;在那地方他必餓死,因為城裡再沒有糧食了。”
10Ary ny mpanjaka nandidy an'i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an'i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.
10於是王吩咐古實人以伯.米勒說:“你從這裡帶三十個人,在耶利米先知未死以前,把他從井裡拉上來。”
11Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka eo ambanin'ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin'ny mahazaka ho ao amin'ny lavaka izany ho ao amin'i Jeremia.
11以伯.米勒就帶人進王宮去,到儲物室下面的一個房間,從那裡取了些破布爛衣,用繩子縋下井裡給耶利米。
12Dia hoy Ebeda-meleka Etiopiana tamin'i Jeremia: Ataovy eo ambanin'ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon'i Jeremia izany;
12古實人以伯.米勒對耶利米說:“把這些破布爛衣墊在你的腋下,然後束上繩子。”耶利米就這樣作了。
13ka dia nosintoniny tamin'ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka, ary dia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana izy.
13於是他們用繩子把耶利米從井裡拉出來;這樣,耶利米可以住在衛兵的院子裡。
14Ary Zedekia mpanjaka naniraka naka an'i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin'ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.
14西底家私會耶利米後來,西底家王派人去把耶利米先知帶到耶和華殿中的第三道門那裡去見他。王對耶利米說:“我要問你一件事,你甚麼都不可以向我隱瞞。”
15Ary hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia omeko saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.
15耶利米對西底家說:“我若告訴你,你不是要殺死我嗎?我若向你建議,你必不聽從我。”
16Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin'i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan'ireto olona mitady ny ainao ireto.
16於是西底家王私下向耶利米起誓,說:“我指著那創造我們生命的永活的耶和華起誓:我決不殺死你,也不把你交在這些尋索你性命的人的手裡。”
17Dia hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Izao ary no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona tokoa ianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin'ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao;
17耶利米勸西底家出降耶利米對西底家說:“耶和華萬軍的 神、以色列的 神這樣說:‘你若出去歸降巴比倫王的將領,你的性命就可以存活;這城也不會被火焚燒,你和你一家都可以存活。
18fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin'ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany ianao.
18但你若不出去歸降巴比倫王的將領,這城就必交在迦勒底人的手中;他們必放火燒毀這城,你自己也不能從他們的手裡逃脫。’”
19Ary hoy Zedekia mpanjaka tamin'i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tànany aho ka hataony fihomehezana.
19西底家王對耶利米說:“我害怕那些已向迦勒底人投降的猶大人,恐怕迦勒底人把我交在他們手中,他們就會凌辱我。”
20Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin'i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao.
20耶利米說:“迦勒底人必不會把你交給他們。求你聽從我對你所說的耶和華的話;這樣,你就可以平安無事,你的性命也可以存活。
21Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon'i Jehovah ahy:
21你若拒絕出去投降,耶和華指示我的話就是這樣:
22Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho entina mivoaka ho any amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; Ary latsaka tao amin'ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nihemotra ianao.
22看哪!猶大王宮裡所有剩下的婦女,都必被帶出來,去到巴比倫王的將領那裡。那些婦女必對你說:‘你的盟友煽惑了你,左右了你;現在你的腳陷在泥沼中,他們就都離棄你。’
23Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin'ny Kaldeana; ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho azon'ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin'ny afo.
23你所有的后妃和你的兒女,都必被帶出來,去到迦勒底人那裡;你自己也不能從他們的手裡逃脫,因為你必被巴比倫王的手抓住;這城也必被火燒毀(“這城也必被火燒毀”有古抄本作“你必放火燒毀這城”)。”
24Dia hoy Zedekia tamin'i Jeremia: Aoka tsy ho ren'olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty ianao.
24王命耶利米要保密西底家對耶利米說:“不要給人知道這些話,這樣你就不會死。
25Fa raha ren'ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, aza afenina anay, fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain'ny mpanjaka taminao;
25眾領袖若聽見了我和你說過話,就會來見你,對你說:‘告訴我們,你對王說了些甚麼?不可向我們隱瞞,我們就不會殺死你。王又對你說了些甚麼?’
26dia ataovy aminy hoe: Noborahina teo anatrehan'ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin'ny tranon'i Jonatana.
26你就要對他們說:‘我只是把我的懇求呈到王面前,求他不要把我送回約拿單的房子去,免得我死在那裡。’”
27Ary nankany amin'i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha.Ary Jeremia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro nanafahana an'i Jerosalema.
27所有的領袖果然來見耶利米,查問他;他就照著王所吩咐的這一切話告訴他們。於是他們不再追問他,因為王和他說話的內容沒有給人聽見。
28Ary Jeremia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro nanafahana an'i Jerosalema.
28這樣,耶利米留在衛兵的院子裡,直到耶路撒冷被攻取的那一天。