1[Ny nanafahana an'i Jerosalema, sy ny nanjo an'i Zedekia, ary ny nanesorana an'i Jeremia tao an-davaka, sy ny teny nasain'Andriamanitra nolazainy tamin'i Ebeda-meleka] Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema ka nanao fahirano azy;
1耶路撒冷失陷猶大王西底家第九年十月,巴比倫王尼布甲尼撒率領他的全軍來攻擊耶路撒冷,把城圍困起來。
2ary nony tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna),
2西底家第十一年四月九日,城被攻破。
3dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin'ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona.
3巴比倫王所有的將領:尼甲.沙利薛、三甲.尼波、大臣(“大臣”的本意不明確)撒西金、術士長(“術士長”的本意不明確)尼甲.沙利薛,以及巴比倫王所有其餘的將領,都進城,坐在中門。
4Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin'ny sahan'ny mpanjaka, tamin'ny vavahady eo anelanelan'ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay izy.
4君王被擒猶大王西底家和所有的軍兵看見了他們,就逃跑,在夜間逃出城外,經過王的花園,穿過兩道城牆中間的門,直往亞拉巴的路上走去。
5Fa ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tao amin'ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy.
5但迦勒底人的軍隊追趕他們,在耶利哥的原野上追上了西底家,把他拿住,帶到哈馬地的利比拉去見巴比倫王尼布甲尼撒;尼布甲尼撒就宣判他的罪狀。
6Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin'ny Joda koa dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona.
6巴比倫王在利比拉,當著西底家眼前殺了他的眾子;巴比倫王也殺了猶大所有的顯貴,
7Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ho entiny any Babylona.
7並且把西底家的眼睛弄瞎了,用銅鍊鎖住他,把他帶到巴比倫去。
8Ary nodoran'ny Kaldeana tamin'ny afo ny tranon'ny mpanjaka sy ny tranon'ny vahoaka, ary ny mandan'i Jerosalema noravany.
8臣民被擄迦勒底人放火焚燒王宮和民房,又拆毀了耶路撒冷的城牆。
9Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo tany Babylona.
9城裡剩下的人民,和那些已經向巴比倫王投降的人,以及其餘的人民,都被護衛長尼布撒拉旦擄到巴比倫去。
10Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'ny tanin'ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin'izany andro izany.
10但護衛長尼布撒拉旦把民中一些一無所有的窮人留在猶大地,同時把葡萄園和田地分給他們。
11Ary Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanome teny an'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ny amin'i Jeremia nanao hoe:
11巴比倫王善待耶利米巴比倫王尼布甲尼撒提到耶利米,吩咐護衛長尼布撒拉旦說:
12Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy.
12“你把他帶去,好好照顧他,切不可傷害他;他對你怎樣說,你就給他照辦。”
13Ary Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, sy Nebosazbana, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera, Raba-magy, ary ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra
13於是護衛長尼布撒拉旦、大臣(“大臣”的本意不明確)尼布沙斯班、術士長(“術士長”的本意不明確)尼甲.沙利薛,以及巴比倫王所有的大臣都派人去,
14dia naniraka haka an'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana, ka natolony an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin'ny olona.
14把耶利米從衛兵的院子裡提出來,交給沙番的孫子、亞希甘的兒子基大利,叫他帶耶利米回家去。這樣,耶利米就住在人民中間。
15Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, fony izy mbola voahazona tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana ihany, nanao hoe:
15耶和華應許拯救以伯.米勒耶利米還監禁在衛兵的院子裡的時候,耶和華的話臨到他,說:
16Mandehana, ka lazao amin'i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin'ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin'izany andro izany.
16“你去告訴古實人以伯.米勒說:‘萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:看哪!我必在這城實現我的話,降禍不降福;到那日,這一切都必在你面前實現。
17Nefa hovonjeko ianao amin'izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan'ny olona izay atahoranao.Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy, hoy Jehovah.
17但到了那日,我必拯救你;你必不至交在你所懼怕的人手裡。’這是耶和華的宣告。
18Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy, hoy Jehovah.
18‘因為我必定搭救你;你必不會倒在刀下,必可以撿回自己的性命,因為你信靠我。’”這是耶和華的宣告。