1[Ny nanafahana an'i Jeremia, sy ny niverenan'ny olona maro hipetraka ao amin'ny tany hotapahin'i Gedalia, ary ny namonoana an'i Gedalia] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, taorian'ny nandefasan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin'ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin'ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona.
1護衛長釋放耶利米護衛長尼布撒拉旦在拉瑪釋放了耶利米以後,從耶和華那裡有話臨到耶利米。耶利米被提出來的時候,還被鐵鍊鎖著,在所有從耶路撒冷和猶大被擄到巴比倫去的人中間。
2An'ny lehiben'ny mpiambina dia naka an'i Jeremia ka nanao taminy hoe: Jehovah Andriamanitrao nanambara izao loza izao, izay nanjo ity tanàna ity.
2護衛長把耶利米提出來,對他說:“耶和華你的 神曾說要降這災禍在這地方;
3Ary Jehovah nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin'i Jehovah sy ny tsy nihainoanareo ny feony, dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
3現在耶和華使災禍臨到,照他所說的行了;因為你們得罪了耶和華,沒有聽從他的話,所以這事才臨到你們。
4Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin'ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.
4我現在解開你手上的鐵鍊。你若認為與我一同到巴比倫去好,就一起去,我必好好照顧你;你若認為與我一同到巴比倫去不好,就不必去。看,全地都在你面前,你認為去哪裡好、哪裡合宜,就到哪裡去吧!”
5Ary raha tsy mbola nety nandeha izy, dia hoy Nebozaradana: Miverena indray any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, izay voatendrin'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tanànan'ny Joda ka tomoera aminy ao amin'ny olona, na mandehana any amin'izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen'ny lehiben'ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
5耶利米與基大利耶利米還沒有回答,護衛長又說(“耶利米還沒有回答,護衛長又說”原文意思難確定,有譯本改作“你若認為回去好”):“你可以回到沙番的孫子、亞希甘的兒子基大利那裡去!基大利是巴比倫王指派管理猶大各城的。你可以和他一起住在人民中間;或是你認為去哪裡合宜,就到哪裡去吧!”於是護衛長給他糧食和禮物,就釋放他走了。
6Ary Jeremia nankany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin'ny vahoaka izay sisa velona tamin'ny tany.
6耶利米就到米斯巴去見亞希甘的兒子基大利,和他一同住在那地剩下的人民中間。
7Ary raha ren'ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan'i Babylona efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin'ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin'ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,
7在田野的眾將領和他們的士兵,聽見巴比倫王委派了亞希甘的兒子基大利管理那地,也委派他管理那些沒有被擄到巴比倫去的男人、婦女、孩童,和那地最貧窮的人,
8dia tonga tany amin'i Gedalia tany Mizpa izy, dia Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana sy Jonatana, zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa, sy ny zanak'i Efay Netofatita ary Jazania, zanak'ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.
8他們就來到米斯巴去見基大利;其中有尼探雅的兒子以實瑪利、加利亞的兩個兒子約哈難和約拿單、單戶篾的兒子西萊雅、尼陀法人以斐的眾子,和瑪迦人的兒子耶撒尼亞,以及他們的士兵。
9Ary Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nianiana taminy sy tamin'ny olona-peheziny nanao hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin'ny tany, ka manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia hahita soa ianareo.
9沙番的孫子、亞希甘的兒子基大利向他們和他們的士兵起誓,說:“你們不要懼怕服事迦勒底人,只管住在這地,服事巴比倫王,就可以平安無事。
10Ary ny amiko, dia, indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa ianareo dia manangona divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka ataovy ao amin'ny fitehirizanareo, dia monena amin'izay tanàna nidiranareo.
10至於我,我要留在米斯巴,侍候那些來到我們這裡的迦勒底人。你們只管收存酒、夏天的果子和油,放在器皿裡,並且住在你們所佔有的城中。”
11Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin'ny taranak'i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin'ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, ho mpanapaka azy,
11那些在摩押、亞捫、以東和各地所有的猶大人,聽見了巴比倫王在猶大留下一些餘民,並且指派沙番的孫子、亞希甘的兒子基大利管理他們,
12dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin'ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin'ny tanin'ny Joda ho any amin'i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.
12所有的猶大人就從被趕逐到的各地方回來,到猶大地的米斯巴去見基大利,並且收存了許多的酒和夏天的果子。
13Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany amin'i Gedalia tany Mizpa
13基大利不信警告加利亞的兒子約哈難和在田野的眾將領,都到米斯巴去見基大利,
14ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, dia naniraka an'Isimaela, zanak'i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i Ahikama.
14對他說:“亞捫王巴利斯派尼探雅的兒子以實瑪利來殺你,你知道嗎?”亞希甘的兒子基大利不相信他們。
15Ary Johanana, zanak'i Karea, nilaza mangingina tamin'i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masìna ianao, aoka aho handeha hamono an'Isimaela, zanak'i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin'ny Joda?Fa hoy Gedalia, zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an'Isimaela ianao.
15後來加利亞的兒子約哈難在米斯巴私下告訴基大利說:“請容我去把尼探雅的兒子以實瑪利殺了,必沒有人知道;為甚麼要讓他殺你,以致集合到你那裡來的所有猶大人都分散,猶大餘剩的人都滅亡呢?”
16Fa hoy Gedalia, zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an'Isimaela ianao.
16但亞希甘的兒子基大利對加利亞的兒子約哈難說:“你不可作這事,因為你所說關於以實瑪利的事都是謊話!”