1[Faminaniana ny amin'ny Filistina] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an'i Gaza.
1關於非利士的預言在法老攻擊迦薩以先,耶和華論到非利士人的話臨到耶利米先知。
2Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin'izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin'ny tany.
2耶和華這樣說:“看哪!有水從北方漲起,成為一股氾濫的洪流,淹沒大地和地上的一切,淹沒城鎮和住在城中的居民。人必呼喊,地上所有的居民必哀號。
3Noho ny fikatrokatroky ny kitron'ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon'ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana,
3因為聽見戰馬的蹄聲,還有戰車轔轔和車輪轆轆的響聲,作父親的雙手酸軟無力,不能照顧他們的兒女。
4Noho ny hihavian'ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin'ny mpamonjy an'i Tyro sy Sidona; Fa horavan'i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin'ny nosy Kaftora.
4日子將到,非利士人必全遭毀滅,所有曾援助推羅和西頓仍然倖存的人必被剪除,因為耶和華要毀滅非利士人,就是迦斐託島餘剩的人。
5Voaharatra Gaza, ringana Askelona mbamin'ny sisa amin'ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao? [Na: Mangina]
5迦薩成了禿頭的,亞實基倫靜默無聲(“靜默無聲”或譯:“被毀壞了”),在它們的平原上(“在它們的平原上”或參照《七十士譯本》譯作“亞衲族”﹝參書11:21~22﹞)餘剩的人哪,你們劃傷自己的身體要到幾時呢?”
6Indrisy ry sabatr'i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin'ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna.Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.[Heb. Hataonao]
6耶和華的刀劍哪,你要到幾時才可停下來呢?請你入鞘吧!休息靜止吧!
7Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.[Heb. Hataonao]
7但耶和華既吩咐了它,又怎能停下來呢?他指派了它去攻擊亞實基倫和沿海一帶。