1[Faminaniana ny amin'i Moaba] Ny amin'i Moaba. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.[Na: ny fiarovana avo]
1關於摩押的預言論到摩押,萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:“尼波有禍了!因為它變為荒涼;基列亭蒙受羞辱,被佔領了;這城堡(“這城堡”或譯:“米斯迦”)蒙受羞辱,被毀壞。
2Tsy misy ho reharehan'i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, Hanenjika anao ny sabatra.
2摩押不再被人稱讚;敵人在希實本計謀害它,說:‘來吧!我們要把它剪除,使它不再成國!’瑪得緬哪!你也要靜默無聲;刀劍必追趕你。
3Injay! misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!
3從何羅念傳出哀號的聲音,說:‘荒涼了,大大毀滅了!’
4Rava Moaba, ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.
4摩押毀滅了,它的孩童發出哀叫(“它的孩童發出哀叫”或參照《七十士譯本》譯作“哀叫之聲直達瑣珥”)。
5Fa miakatra mitomany lalandava eny amin'ny fiakarana Lohita izy; Ary amin'ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
5在上魯希的路上,摩押人隨走隨哭;從何羅念下來的途中,聽見他們因城被毀發出淒慘的哀號聲。”
6Mandosira, vonjeo ny ainareo. Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra any an-efitra ianareo.[Na: ny anjavidy]
6你們要逃跑,趕快逃命吧!你們好像曠野的灌木。
7Fa noho ny nitokianao tamin'ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
7你因為倚靠你的成就和財富,就必被攻取;基抹必被擄去,事奉它的祭司和領袖都必一同被擄去。
8Ary ny mpandringana ho tonga ao amin'ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain'i Jehovah.
8行毀滅的必來攻擊一切城鎮,沒有一座城可以倖免;山谷必被蹂躪,平原必受破壞,正如耶和華所說的。
9Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.
9你們要在摩押上面撒鹽,因為它必成為廢墟(“你們要在摩押上面撒鹽,因為它必成為廢墟”或譯:“你們要把翅膀給摩押,因為它必飛去”);它的城鎮必成為荒涼,沒有人在裡面居住。
10Ho voaozona anie Izay manao tsirambina foana ny asa asain'i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!
10不努力去作耶和華的工作的,該受咒詛;不使自己的刀劍見血的,應受咒詛。
11Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin'ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan'ny tsirony ao aminy sy tsy iovan'ny fofony.
11摩押自年幼以來常享安逸,像不受攪擾的酒在缸裡澄清,從沒有倒進另一個缸裡去,它也從沒有被人擄去。因此它仍保留著原味,它的芬芳沒有改變失去。
12Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy.
12“看哪!日子快到(這是耶和華的宣告),我必差派倒酒的人到它那裡去,把它倒出來,直至倒空,又把酒缸打碎。
13Ary Moaba ho menatra noho ny amin'i Kemosy toy ny nahamenaran'ny taranak'Isiraely noho ny amin'i Betela tokiny.
13摩押必因基抹羞愧,好像以色列家因他們可倚靠的伯特利的神像羞愧一樣。
14Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an'ady izahay?
14你們怎麼說:‘我們是勇士,是善戰的武士’?
15Rava Moaba, fa ny tanànany dia efa nanihina. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin'ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.[Na: efa levon-ko setroka]
15摩押被毀滅;敵人上來攻擊它的城鎮;摩押最精銳的少年下去被屠殺。”這是君王的宣告,他的名是萬軍之耶和華。
16Efa antomotra ny loza hanjo an'i Moaba, ary mimaona ny fahoriany.
16“摩押的災難已經臨近了,它的禍患迅速來到。
17Mitomania azy, ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!
17所有在它四圍的,所有認識它名的,你們都要為它哀悼,說:‘那有能力的權杖、華美的杖竟然折斷了!’
18Ry Dibona, zanakavavy mponina, midina miala amin'ny voninahitrao, ka mitoera ao amin'ny tany mangentana, fa ilay mandringana an'i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
18住在底本的人民哪!要從你們榮耀的位上下來,坐在乾旱的地上(“乾旱的地上”原文作“乾渴”),因為毀滅摩押的要上來攻擊你們,摧毀你們的堅固城。
19Ry mponina any Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin'inona ianareo?
19亞羅珥的居民哪!要站在路旁觀望,詢問那些正在逃跑的男女,說:‘發生了甚麼事?’
20Afa-baraka Moaba, eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, ka ambaraonareo ao Arnona fa rava Moaba.
20摩押蒙受羞辱,因為它已被毀滅了。你們要哀號喊叫,要在亞嫩河宣告:‘摩押毀滅了。’
21Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin'ny tany lemaka, dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata
21審判臨到了平原之地,就是何倫、雅雜、米法押、
22Sy Dibona sy Nebo sy Beti-diblataima
22底本、尼波、伯.低比拉太音、
23Sy Kiriataima sy Beti-gamola sy Beti-meona
23基列亭、伯.迦末、伯.米恩、
24Sy Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan'i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
24加略、波斯拉和摩押地遠近所有城市。
25Voakapa ny tandrok'i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.
25摩押的角被砍下,它的膀臂被折斷了。”這是耶和華的宣告。
26Ataovy leony izy, fa niavonavona tamin'i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin'ny loany sady mba ho tonga fihomehezana kosa.
26你們要使摩押沉醉,因為它向耶和華妄自尊大;摩押必跌在自己所吐之物上面,也必成為被人譏笑的對象。
27Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Isiraely? Moa hita fa naman'ny mpangalatra va izy, no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?
27摩押啊,以色列不是曾經成為你譏笑的對象嗎?它豈是被捕獲的強盜,以致你每逢提到它,總是搖頭嘲笑。
28Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin'ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan'ny hantsana ianao.
28摩押的居民哪!你們要離棄城鎮,住在山巖裡,像鴿子在峽谷的邊上築巢。
29Ffa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon'ny fony.
29我們聽說摩押的驕傲,它非常驕傲;我們聽到它的狂妄、驕傲、傲慢和心裡的自高。
30Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.
30“我洞悉它的狂傲(這是耶和華的宣告),它的狂傲毫無根據,它的誇耀不能成事。
31Koa hidradradradra noho ny amin'i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin'i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa ny olona.
31因此我要為摩押哀號,為全摩押喊叫,為吉珥.哈列設人(“為吉珥.哈列設人”有古抄本作“他為吉珥.哈列設人”)唉哼。
32Mihoatra noho ny fitomanian'i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok'i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin'ny ranomasin'i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.[Na: fitomaniana an']
32西比瑪的葡萄樹啊!我要你哀哭比人為雅謝哀哭更厲害。你的枝子伸展過海,延伸到雅謝(“雅謝”有古抄本作“雅謝海”);那行毀滅的要來摧毀你夏天的果子和你的葡萄。
33Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin'ny saha nahavokatra sy tamin'ny tany Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy hihoby amin'ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.
33摩押肥沃的土地上不再有歡喜和快樂;我使榨酒池不再流出酒;再沒有人歡呼踹酒;有人呼喊,卻不是踹酒的歡呼聲。
34Ny fitarainan'i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia; Fa na dia ny ranon'i Nimrima aza dia ho ritra koa.[Na: ilay ombivavy kely telo taona]
34“希實本的哀叫傳到以利亞利,他們發出的聲音傳到雅雜,從瑣珥達到何羅谷和伊基拉.施利施亞;因為連寧林的河水也都乾涸了。
35Ary hatsahatro ao Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin'ny fitoerana avo sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an'ny andriamaniny, hoy Jehovah.
35我要滅絕在摩押那些邱壇上獻祭和向他們的神燒香的。”這是耶和華的宣告。
36Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'i Moaba, ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.
36“因此,我的心為摩押嗚咽,好像人用笛吹輓歌;我的心為吉珥.哈列設人嗚咽,好像人用笛吹輓歌;因為他們所得的財寶都失掉了。
37Fa mibory ny loha rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin'ny tanana rehetra sy lamba fisaonana amin'ny valahana.
37他們各人的頭都剃光了,鬍鬚也剃掉了,他們割傷了自己的手,腰束麻布。
38Eny, amin'ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.
38摩押境內一切房頂上和廣場上,處處都有哀哭的聲音;因為我擊碎了摩押,好像打碎沒有人要的器皿。”這是耶和華的宣告。
39Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy, ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an'izay rehetra manodidina azy.
39摩押的毀滅多麼厲害,他們的哀號多麼悽慘!摩押怎樣蒙羞轉背!這樣摩押就成了它四圍眾人譏笑和驚駭的對象。”
40Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an'i Moaba.
40因為耶和華這樣說:“看哪!必有一人像大鷹疾飛,展開翅膀攻擊摩押。
41Afaka ny tanàna, ka azo ny batery fiarovana, ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Moaba dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.[Na: keriota]
41城市被攻取,堅壘被佔領;在那日,摩押勇士的心必驚慌,像臨產婦人的心一樣。
42Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin'i Jehovah izy.
42摩押必被摧毀,不再成為一個民族,因為它向耶和華妄自尊大。
43Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.
43摩押的居民哪!恐懼、陷阱、圈套都落在你們身上了。”這是耶和華的宣告。
44Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan'ny fandrika; Fa hataoko tonga amin'i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
44“那逃避恐懼的,必跌進陷阱;那從陷阱中出來的,必被圈套困著。因為我必使摩押受懲罰的年日臨到它。”這是耶和華的宣告。
45Ao amin'ny alokalok'i Hesbona no ijanonan'ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin'i Moaba sy ny tampon-dohan'ny mpitabataba.
45“在希實本的隱蔽處,難民精疲力盡地站著;因為有火從希實本發出,有火燄從西宏的宮中冒出來,吞滅了摩押的前額,和吵鬧的人的頭頂。
46Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon'i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy.Nefa mbola hampodiko avy amin'ny fahababoana ihany Moaba any amparany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin'ny fitsarana an'i Moaba.
46摩押啊,你有禍了!基抹的人民滅亡了!因為你的眾子都被擄去了,你的眾女兒也都被擄去了。
47Nefa mbola hampodiko avy amin'ny fahababoana ihany Moaba any amparany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin'ny fitsarana an'i Moaba.
47但日後,我必使被擄的摩押人歸回。”這是耶和華的宣告。有關摩押的宣判到這裡為止。