Malagasy

聖經新譯本

Jeremiah

49

1[Faminaniana ny amin'i Amona] Ny amin'ny taranak'i Amona, Izao no lazain'i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan'ny mpanjakany, ary ny vahoakany monina ao amin'ny tanànany?[Na: Malkana]
1關於亞捫的預言論到亞捫,耶和華這樣說:“以色列沒有子孫嗎?沒有後嗣嗎?為甚麼米勒公竟承受了迦得為業呢?
2Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran'ady amin'ny famelezana an'i Raban'ny taranak'i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny hodorana amin'ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an'izay nahalaza azy, hoy Jehovah.
2因此,看哪!日子快到(這是耶和華的宣告),我必使戰爭的吶喊聲響起,有敵人來攻擊亞捫的拉巴;拉巴必成為一片廢墟,屬它的鄉鎮(“鄉鎮”原文作“女子”)必被火焚燒。那時以色列人必從侵略他們的人的手中收回土地。”這是耶和華說的。
3Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, ianareo zanakavavin'i Raba! Misikina lamba fisaonana ianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko babo ny mpanjakany, dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy.
3“希實本哪,你要哀號!因為艾城已被毀滅。拉巴的居民(“居民”原文作“女子”),你們要呼喊,要腰束麻布,要哀哭,要在城牆內跑來跑去。因為米勒公,以及事奉它的祭司和領袖,都必一同被擄去。
4Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be. Ry zanakavavy mpiodina, izay mitoky amin'ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko?
4背道的居民(“居民”原文作“女子”)哪!你們為甚麼因有山谷,就是你們那肥沃的山谷而誇口呢?你們十分倚靠自己的財寶,說:‘有誰敢來攻擊我們呢?’
5Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin'izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary horoahina samy hizotra amin'izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady tsy hisy hamory izay mandositra.
5看哪!我必使你們因四圍的列國而恐慌,這是主萬軍之耶和華的宣告;你們必被趕逐,各自逃命,沒有人把四散奔逃的人聚集起來。
6Ary rehefa afaka izany, dia hampodiko ihany avy amin'ny fahababoana ny taranak'i Amona, hoy Jehovah.
6但我日後必使被擄的亞捫人歸回。”這是耶和華的宣告。
7[Faminaniana ny amin'i Edoma] Ny amin'i Edoma. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
7關於以東的預言論到以東,萬軍之耶和華這樣說:“提幔再沒有智慧嗎?聰明人已經計窮才盡嗎?他們的智慧都消失了嗎?
8Mandosira, miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny loza ho an'i Esao dia nataoko nihatra taminy, dia ny andro hamaliako azy.
8底但的居民哪!你們要轉身逃跑,藏在隱蔽的地方,因為我懲罰以掃的時候,必使災禍臨到他身上。
9Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafa-pony izy.
9收取葡萄的若來到你那裡,豈不剩下一些葡萄嗎?盜賊若在夜間來到你那裡,豈不是只偷他們所要的嗎(“豈不是只偷他們所要的嗎”或譯:“豈不毀壞直到夠了嗎”)?
10Izaho dia nampitanjaka an'i Esao, ary naharihariko ny fiereny, ka tsy mahazo miery izy; Ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany, ka tsy ao intsony ireny.
10但是我要使以掃赤裸,揭露他藏匿的地方,以致他不能隱藏。他的後裔、他的兄弟和他的鄰居都必滅亡,
11Ilaozy ny zanakao ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian'ny vadinao mpitondratena.
11沒有人會說:‘你撇下你的孤兒,我必使他們存活;你的寡婦可以倚靠我。’”
12Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin'ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.
12耶和華這樣說:“看哪!原不該喝那杯的,尚且一定要喝,難道你可以完全免受刑罰嗎?你必不能免受刑罰,你一定要喝那杯。
13Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay.
13因為我曾指著自己起誓,波斯拉必成為令人驚駭、被人羞辱和咒詛的對象;它必變成荒野,它一切的城鎮都必永遠變成荒場。”這是耶和華的宣告。
14Fa efa nahare filazana avy tamin'i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna hanafika.
14我從耶和華那裡聽見了一個信息,有一位使者被派往列國去,說:“你們要聚集去攻擊以東,要起來爭戰!”
15Fa, indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao sy fanazimbazimba eo amin'ny olona,
15“看哪!我必使你在列國中成為弱小的,在世人中被藐視。
16Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin'ny tampon'ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon'ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin'ny avo tahaka ny an'ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
16你那令人戰慄的威風,你心中的傲氣欺騙了你;你這住在巖石的隱密處,雄據山嶺高處的啊!你雖如鷹在高處搭窩,我也必把你從那裡拉下來。”這是耶和華的宣告。
17Ary ho figagana Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
17“以東必成為令人驚駭的地方;每一個經過那裡的,都必因這地所遭受的一切創傷而驚駭,並且嗤笑它。
18Ary toy ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any, na zanak'olombelona hivahiny any.
18以東必傾覆,像所多瑪、蛾摩拉,和它們的城鎮一樣(這是耶和華說的),必沒有人住在那裡,也必沒有人在那裡寄居。
19Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Fa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?[Heb. ny reharehany][Na: fonenany mafy]
19看哪!獅子怎樣從約旦河邊的叢林走上來,攻擊常綠的牧場,照樣,我必在眨眼之間把以東趕走,使它離開這地;誰蒙揀選,我就派誰治理這地。誰能和我相比呢?誰可以把我傳來審訊呢?哪一個牧人能在我面前站立得住呢?”
20Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an'i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
20因此,你們要聽耶和華籌謀對付以東的計劃,和他為了提幔的居民所定下的策略。他們羊群中最小的也必被拉去,他們的牧場也必因臨到它們的災禍而荒廢。
21Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; Ny feon'ny fitarainany dia re hatrany amin'ny Ranomasina Mena.
21因他們倒下的響聲,地就震動;並且有哀叫的聲音,在紅海那裡也聽得到。
22Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin'i Bozra; Ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Edoma dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi- jaza.
22看哪!必有一人像大鷹飛撲而來,展開翅膀攻擊波斯拉;在那日,以東勇士的心必驚慌,像臨產婦人的心一樣。
23[Faminaniana ny amin'i Damaskosy] Ny amin'i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra.[Na: Misy fanahiana hatrany an-dranomasina aza; tsy mahita fiononana ny olona]
23關於大馬士革的預言論到大馬士革,耶和華說:“哈馬和亞珥拔紛亂不安,因為他們聽到了壞消息;他們的心融化,焦慮慌張,像不能平靜的海洋。
24Efa ketraka Damaskosy ka mihodina handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon'ny faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka.
24大馬士革失去勇氣,轉身逃跑;但恐慌抓住它,憂慮痛苦把它捉住,像正在生產的婦人的痛苦一樣。
25Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, tanana fifaliako![Na: Indrisy! efa lao ny tanàna malaza]
25著名的城市,我所歡喜的市鎮,怎麼竟被撇棄呢!
26Ka dia hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony. Ary ny miaramila rehetra ho ringana avokoa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
26它的年輕人必仆倒在它的街道上,到那日,所有的戰士都必被消滅。”這是萬軍之耶和華的宣告。
27Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin'ny mandan'i Damaskosy, handevona ny lapan'i Beni-hadada.
27“我要焚燒大馬士革的城牆,燒毀便.哈達的堡壘。”
28[Faminaniana ny amin'i Kedara sy Hazora] Ny amin'i Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an'i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
28關於基達和夏瑣的預言論到巴比倫王尼布甲尼撒所擊敗的基達,以及夏瑣諸國,耶和華這樣說:“起來,上去攻擊基達,消滅東方人!
29Halainy ny lainy sy ny ondry aman'osiny, ho entin'ny ambain-dainy mbamin'ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana manodidina!
29奪去他們的帳棚和羊群,帶走他們的幔子、一切器具和駱駝;人必向他們呼叫:‘四圍都是驚慌。’
30Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hamelezany anareo.[Heb. azy]
30夏瑣的居民哪!你們要逃跑,快快逃命,藏在隱蔽的地方,因為巴比倫王尼布甲尼撒籌謀計劃對付你們,定下策略攻擊你們。”這是耶和華的宣告。
31Mitsangàna, iakaro ny firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy Jehovah. Dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka- monina.
31“起來!上去攻打那安逸無慮的國家(這是耶和華的宣告);這國沒有城門,也沒有門閂;他們是獨自居住的。
32Ho babo ny ramevany, ary horobaina ny omby aman'ondriny betsaka, haeliko ho any amin'ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin'ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah,
32他們的駱駝必成為掠物,他們無數的牲畜必成為擄物。我必把那些剃除了鬢髮的人分散到四方去,我必使災禍從四面八方臨到他們。”這是耶和華的宣告。
33Ary Hazora dia ho fonenan'ny amboadia sy ho tany lao mandrakizay; Tsy hisy olona honina any, Na zanak'olombelona hivahiny any.[Na: jakala]
33“夏瑣必成為野狗的巢穴,永遠荒涼;必沒有人住在那裡,也必沒有人在那裡寄居。”
34[Faminaniana ny amin'i Elama] Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i Elama tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, hoe:
34關於以攔的預言猶大王西底家開始執政的時候,耶和華論到以攔的話臨到耶利米先知,說:
35Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hotapatapahiko ny tsipìkan'i Elama, Izay fototry ny heriny.
35“萬軍之耶和華這樣說:看哪!我要折斷以攔的弓,就是他們戰鬥力強的武器。
36Ary hitondra Avotra efatra avy amin'ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an'i Elama, ary haeliko ho amin'izany rivotra rehetra izany izy, ka tsy hisy firenena izay tsy halehan'ny voaroaka avy any Elama.
36我要使四風從天的四邊颳到以攔身上,把他們分散到四方,以致沒有一個國家沒有以攔難民的蹤跡。
37Fa hampivadi-po an'i Elama eo anoloan'ny fahavalony sy eo anoloan'izay mitady ny ainy Aho ka hahatonga loza aminy, dia ny firehetan'ny fahatezerako, hoy Jehovah; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra Mandra-pandaniko azy;
37我必使以攔人在他們的仇敵面前驚慌,在尋索他們性命的人面前恐懼;我必使災禍,就是我的烈怒,臨到他們身上;我必差遣刀劍追趕他們,直到把他們滅絕。”這是耶和華的宣告。
38Dia hapetrako ao Elasma ny seza fiandrianako. Ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah.Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.
38“我必在以攔設立我的寶座,除滅那裡的君王和領袖(這是耶和華的宣告)。
39Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.
39但日後我必使被擄的以攔人歸回。”這是耶和華的宣告。