1[Tantaran'ny nahafahana an'i Jerosalema sy ny zavatra nanjo tamin'izany]Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia avy any Libna.
1耶路撒冷失陷(王下24:18~20;代下36:11~16)西底家登基的時候是二十一歲,他在耶路撒冷作王十一年;他母親名叫哈慕他,是立拿人耶利米的女兒。
2Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, araka izay rehetra nataon'i Joiakima.
2他行耶和華眼中看為惡的事,像約雅敬一切所行的。
3Fa ny fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.
3因為耶和華的怒氣向耶路撒冷和猶大發作,直到他把他們從自己的面前趕走。後來,西底家背叛了巴比倫王。
4Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an'i Jerosalema, ka nitoby tandrifiny sady nanao tilikambo manodidina azy izy.
4西底家背叛巴比倫王(王下25:1~2;代下36:17)西底家作王第九年十月十日,巴比倫王尼布甲尼撒率領他的全軍來攻打耶路撒冷;他們在城外安營,又在四周築壘攻城。
5Ary ny tanàna dia nataony fahirano hatramin'ny fahiraika ambin'ny folo taona nanjakan'i Zedekia mpanjaka.
5於是,城被圍困,直到西底家王第十一年。
6Ary tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.
6聖城淪陷,人民被擄(王下25:3~12;代下36:17、19)四月九日,城裡饑荒非常嚴重,甚至那地的人民都斷了糧食。
7Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ka nandeha tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay.[Heb. Arabà]
7城終於被攻破了,所有的戰士就在夜間從靠近王的花園的兩牆中間的那門,逃跑出城。那時迦勒底人在四圍攻城;他們就往亞拉巴的方向逃走。
8Ary ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
8迦勒底人的軍隊追趕,在耶利哥的原野上把西底家追上了;他的全軍都離開他四散了。
9Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentiny niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata, ka dia notsaraina tao izy.
9他們把王擒住,把他解到哈馬地的利比拉巴比倫王那裡;他就宣判他的罪。
10Ary ny mpanjakan'i Babylona namono ny zanakalahin'i Zedekia teo imason-drainy; ary ny mpanapaka ny Joda rehetra koa dia novonoiny tao Ribla.
10巴比倫王在利比拉,當著西底家眼前殺了他的眾子,也殺了猶大所有的領袖,
11Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
11並且把西底家的眼睛弄瞎,然後用銅鍊鎖住他。巴比倫王把他帶到巴比倫去,關在牢裡,直到他去世的日子。
12Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,[Heb. izay nitsangana teo anatrehan']
12五月十日,就是巴比倫王尼布甲尼撒第十九年,侍立在巴比倫王面前的護衛長尼布撒拉旦來到耶路撒冷。
13ka nandoro ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
13他放火焚燒耶和華的殿和王宮,以及耶路撒冷一切房屋,一切高大的房屋,他都放火燒了。
14Ary ny manda rehetra manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
14跟隨護衛長的迦勒底人全軍拆毀了耶路撒冷周圍所有的城牆。
15Ary ny sasany tamin'ny olona malahelo mbamin'ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona mbamin'ny vahoaka maro be sisa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
15至於人民中最貧窮的、城中剩下的人民,和已經向巴比倫王投降的人,以及剩下的技工,護衛長尼布撒拉旦都擄了去。
16Nefa ny olona malahelo dia namelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ihany mba ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
16至於那地最貧窮的人,護衛長尼布撒拉旦把他們留下,去修理葡萄園和耕種田地。
17Ary ireo andry varahina teo amin'ny tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe, izay teo amin'ny tranon'i Jehovah, dia novakivakin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina rehetra.[Heb. ranomasina]
17聖殿被掠(王下25:13~17;代下36:18)耶和華殿的銅柱,以及耶和華殿的銅座和銅海,迦勒底人都打碎了,把所有的銅都運到巴比倫去。
18Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely mbamin'ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
18他們又把鍋、鏟子、燭剪、碗、碟子,和敬拜用的一切銅器都拿去了。
19Ary nentin'ny lehiben'ny mpiambina koa ny lovia sy ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana sy ny fandraofan-davenona sy ny fanaovan-jiro sy ny lovia kely sy ny kapoaka na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentin'ny lehiben'ny mpanapaka avokoa,
19此外,碗盆、火鼎、碗、鍋、燈臺、碟子和奠酒的爵,無論是金的或是銀的,護衛長都拿去了。
20ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray atỳ ny omby varahina roa ambin'ny folo, Izay teo ambanin'ny fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona mpanjaka ho an'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
20所羅門王為耶和華的殿所做的兩根銅柱、一個銅海、銅海下面的十二頭銅牛,和十個銅座,這一切器皿的銅,重得無法可稱。
21Fa ny andry, dia valo ambin'ny folo hakiho no hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy; ary ny hateviny dia voantondro efatra, fa poakaty izy.
21至於那些柱子,每根高八公尺,圓周是五公尺三公分,柱子是空心的。銅的厚度有七十五公釐。
22Ary nisy kapitaly varahina teo aminy; dimy hakiho no hahavon'ny kapitaly anankiray, ka nisy harato sy ampongabendanitra manodidina ny kapitaly, samy varahina avokoa izy. Ny andry faharoa koa sy ny ampongabendanitra dia mba tahaka izany ihany koa.
22柱上有銅柱頭,柱頭高兩公尺三十公分,柱頭四周有網子和石榴都是銅的;另一根柱子同樣也有石榴。
23Ary nisy ampongabendanitra enina amby sivi-folo teo ivelany; ary ny ampongabendanitra rehetra manodidina ny harato dia zato.
23每個網子周圍共有一百個石榴,明顯可見的有九十六個。
24Ary ny lehiben'ny mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy Zefania mpisorona manarakaraka ary mpiandry varavarana telo lahy;
24祭司與朝臣被殺(王下25:18~21)護衛長拿住祭司長西萊雅、副祭司長西番亞和三個守門的;
25ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary fito lahy tamin'izay mpitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy izay hita teo an-tanàna,
25又從城裡拿住一個管理軍兵的官長,並且在城裡搜獲常見王面的七個人,和一個負責召募當地人民的軍長書記,又在城中搜獲六十個當地的人民。
26dia nosamborin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla.
26護衛長尼布撒拉旦把他們拿住,帶到利比拉巴比倫王那裡。
27Dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.
27巴比倫王擊打他們,在哈馬地的利比拉把他們處死。這樣,猶大人被擄,離開了他們的國土。
28Izao no olona izay nentin'i Nebokadnezara ho babo tamin'ny taona fahafito, Jiosy telo amby roa-polo sy telo arivo;
28被擄的人數以下是尼布甲尼撒擄去的人民的數目:在他執政第七年,有猶大人三千零二十三名;
29tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara dia roa amby telo-polo amby valon-jato no olona nentiny ho babo avy tany Jerosalema;
29尼布甲尼撒第十八年,從耶路撒冷擄去的,有八百三十二人;
30tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Nebokadnezara dia Jiosy dimy amby efa-polo amby fiton-jato no nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo. Ny tontalin'izy rehetra dia enin-jato amby efatra arivo.
30尼布甲尼撒第二十三年,護衛長尼布撒拉旦擄去猶大人七百四十五名。總數是四千六百人。
31Ary tamin'ny andro fahadimy amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.[Heb. nasandrany ny lohany]
31巴比倫王善待約雅斤(王下25:27~30)猶大王約雅斤被擄後第三十七年,就是巴比倫王以未.米羅達登基的那一年,十二月二十五日,他恩待(“恩待”原文作“使抬起頭來”)猶大王約雅斤,把他從獄中領出來,
32Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.
32並且安慰他,使他的地位高過和他一起在巴比倫的眾王。
33Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.[Na: ny sisim-bolombavany]
33又換下他的囚衣,賜他終生常在王面前吃飯。
34Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny.[Na: ny sisim-bolombavany]
34他的生活費用,在他一生的年日中,每日不斷由巴比倫王供應,直到他去世的日子。