1[Alahelo noho ny nanjo ny :Joda sy Jerosalema] Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin'ny firenena sy andriambavy tamin'ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao!
1哀歎錫安的遭遇從前人煙稠密的城中,現在怎麼竟然孤獨地坐在那裡。從前在列國中為大的,現在怎麼竟然像個寡婦。從前在眾省分中為王后的,現在怎麼竟然成了奴隸。
2Mitomany dia mitomany izy nony alina, ary ny ranomasony dia eny an-takolany; Izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy; Ny sakaizany rehetra efa nivadika taminy ka tonga fahavalony.
2她在夜間痛哭,淚流滿面。在她所有親愛的人中,沒有一個安慰她的。她所有的朋友都以詭詐待她,都成了她的仇敵。
3Lasan-ko babo ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben'ny fanompoana; Mipetraka ao amin'ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana; Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena.[Na: Lasa nivahiny]
3猶大受盡痛苦,飽經勞役,更遭流徙異地。她住在列國中,找不著安居之所。在困境之中,追趕她的人把她追上了。
4Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy miakatra ho amin'ny fotoam-pivavahana; Lao ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa azon'ny fahoriana mangidy.[Na: Rava]
4通往錫安道路悲哀,因為沒有人去守節。錫安一切的城門冷落,祭司唉哼,處女憂傷,錫安也受盡痛苦。
5Ny rafiny no mpanapaka, ny fahavalony no miadana, Satria Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan'ny fahotany; Ny zanany madinika dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony,[Heb. loha]
5錫安的敵人成為主人;她的仇敵亨通。因為她的過犯眾多,耶和華就使她受苦。她的孩童在敵人面前被擄去。
6Ary ny voninahitr'i Ziona zanakavavy rehetra dia efa tsy ananany intsony; Ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, Ary mandeha reraka eo anoloan'ny mpanenjika azy izy.
6錫安(“錫安”原文作“錫安的女子”)所有的尊榮,都離開了她的居民。她的眾領袖都像找不著牧場的鹿;在追趕的人面前無力逃走。
7Tsaroan'i Jerosalema amin'ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany.[Heb. fitsaharany]
7耶路撒冷在困苦飄流的日子,就追念她昔日的一切珍寶。她的人民落在敵人手裡的時候,沒有人幫助她。敵人看見她,就譏笑她的滅亡。
8Efa nanota dia nanota Jerosalema. ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy, satria efa nahita ny fitanjahany ireny; Eny, na ny tenany aza dia miferinaina sady miamboho.
8耶路撒冷犯了大罪,因此成了不潔之物。素來尊敬她的現在都藐視她,因為看見她赤身露體;她自己也唉哼,轉身退避。
9Ny lotony dia teo amin'ny moron-tongotr'akanjony, tsy nitsapa farany izy; Dia mahagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. Jehovah ô, jereo ny fahoriako, fa mirehareha ny fahavalo.
9她的污穢沾滿了衣裙;她從不思想自己的結局。所以她令人驚異地敗落了;沒有人安慰她。她說:“耶和華啊!求你看看我的苦難,因為仇敵顯為大。”
10Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin'ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin'ny fitoerany masina.
10敵人伸手奪取她的一切珍寶,她看著外族人闖入她的聖所:你曾禁止他們進入你的會中。
11Misento ny olony rehetra, mitady hanina; Eny, atakalony hanina ny zava-tsoany hamelombelona ny ainy; Jehovah ô, jereo ka diniho, fa vingavingaina aho.
11她所有的人民都在唉哼,到處尋覓食物;他們為了維持生命,拿自己的珍寶去換取糧食。她說:“耶和華啊!求你垂看,求你鑒察,因為我被人藐視。”
12Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian'i Jehovah ahy tamin'ny andro firehetan'ny fahatezerany.
12耶路撒冷自述苦況所有過路的人啊!你們毫不在意嗎?你們要細察要觀看,有沒有痛苦像我所受的痛苦,就是耶和華在他發烈怒的日子使我所受的痛苦。
13Avy tany amin'ny avo no nandatsahany afo ho amin'ny taolako handoroany azy; Namela-pandrika harato haningorana ny tongotro Izy ka nampihemotra ahy; Nampahalao sy nampahareraka ahy mandritra ny andro Izy.
13他從高天降火,使火進入我的骨頭裡。他設置網羅絆我的腳,使我退去。他使我孤單淒涼,終日愁煩。
14Ny ziogan'ny fahotako nofehezin'ny tànany; Voaolana ireny ka tonga eo an-katoko; noketrahiny ny heriko; Natolotry ny Tompo ho eo an-tànan izay tsy leoko aho.
14我的過犯像軛一樣被綁好;是他親手纏綁的。我的過犯加在我的頸上,他使我的氣力衰弱。主把我交在我不能對抗的人手中。
15Nataon'ny Tompo tsinontsinona ny maheriko rehetra; Nanendry fotoana hamelezana ahy Izy, handringanana ny zatovoko; Ny Tompo nanosihosy an'i Joda zanakavavy virijina toy ny eo amin'ny famiazam-boaloboka.
15主丟棄我中間的所有勇士;他招聚了一大群人來攻擊我,要打碎我的青年人。主踐踏猶大女兒中的處女,像踐踏壓酒池一樣。
16Izany zavatra izany no mampitomany ahy; e! ny masoko, ny masoko mamarin-dranomaso, fa lavitra ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; Ringana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.
16為了這些事我不住哭泣,我的眼不住流下淚水;因為那安慰我、使我重新振作的,都遠離了我。我的兒女孤單淒涼,因為仇敵得勝了。
17Ziona mananty tanana, nefa tsy misy mampionona azy; Jehovah nandidy ny amin'i Jakoba mba ho tonga fahavalony ny manodidina azy; Jerosalema dia tonga fahavetavetana eo afovoan'ireo.
17錫安伸出雙手,但沒有人安慰她。論到雅各,耶和華已經下令,使他四圍的人都與他為敵;耶路撒冷在他們中間,已經成了不潔的東西。
18Marina Jehovah, fa efa nandà ny teniny aho; Ry firenena rehetra, masìna ianareo, mba jereo ny fahoriako; Lasan-ko babo ny virijinako sy ny zatovoko.
18 神的公義耶和華是公義的,他這樣待我,是因為我違背了他的命令。萬民哪!請你們聽我的話!看看我的痛苦!我的少女和青年人都已經被擄去了。
19Nantsoiko ireo tia ahy, fa nofitahiny aho; Ny mpisoroko sy ny loholoko niala aina tao an-tanana, Tamin'ny nitadiavany hanina hamelombelona ny ainy.
19我向我所愛的人呼求,他們卻欺騙我。我的祭司和長老為了延續生命,尋找糧食的時候,就在城中氣絕身亡了。
20Izahao, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny foko; Miontana ato anatiko ny foko, fa naditra dia naditra aho; Eny ivelany dia ny sabatra no mahafoana anaka, ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana kosa.
20耶和華啊!你看,患難臨到我!我的心腸激動,我的心在我裡面翻轉,因為我曾經非常悖逆。街上有刀劍使人喪子,屋裡也有死亡。
21Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; Ny fahavaloko rehetra nandre ny fahoriako, ka faly izy, satria Hianao no nanao izany; Hahatonga izay andro nantsoinao Hianao, ka dia ho tonga tahaka ahy koa ireo.Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko.
21有人聽見我的唉哼,卻沒有人安慰我,我所有的仇敵都聽見我的災難;你作了這事,他們就歡樂。願你使你所宣告的日子來臨那時,他們就必像我一樣。
22Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko.
22願他們的一切惡行都擺在你面前,願你對付他們,好像你因我的一切過犯對付我一樣。因為我唉哼甚苦,我心裡愁煩。