1[Fitomaniana noho ny nanjo an'i Ziona sy ny Joda] Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan'ny Tompo rahona amin'ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin'ny tany ny reharehan'ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin'ny andro fahatezerany!
1 神懲罰耶路撒冷主在烈怒中,怎麼竟然使黑雲遮蓋錫安的居民(“居民”原文作“女子”)!他把以色列的榮美,從天上拋到地上;他在發怒的日子,竟不記念自己的腳凳。
2Nolevonin'ny Tompo ny fonenan'i Jakoba rehetra, fa tsy niantrany; Noravany an-katezerana ny fiarovan'i Joda zanakavavy ka nazerany tamin'ny tany, tsy nohamasininy ny fanjakana sy ny mpanapaka,[Heb. Natelin']
2主吞滅了雅各所有住處,毫不顧惜;他在忿怒中,把猶大居民的堅固城拆毀;他使國家和國中眾領袖都倒在地上,受盡羞辱。
3Nokapainy tamin'ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan'ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an'i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.
3他在烈怒中砍斷以色列所有的角;他從仇敵面前,收回自己的右手。他像吞滅四周物件的火燄,在雅各中間焚燒。
4Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin'ny lain'i Ziona zanakavavy.
4他像仇敵拉弓,他的右手已經預備好。他像敵人把一切悅人眼目的都殺滅了;他如火的忿怒倒在錫安居民(“居民”原文作“女子”)的帳棚上。
5Ny Tompo dia tonga toy ny fahavalo ka nandevona ny Isiraely. Eny, nolevoniny ny lapany rehetra, sady noravany ny fiarovany; Ary nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan'i Joda zanakavavy.[Heb. nitelina][Heb. nateliny]
5主好像成了仇敵;他吞滅了以色列和她所有的宮殿,毀壞了她的堅固城。他在猶大居民的中間,增添了悲哀和哭號。
6Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon'i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin'ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
6他把自己的住所破壞,好像園子一樣;他毀壞了屬他的聚會之處。耶和華使節期和安息日都在錫安被忘記;他在他的盛怒中棄絕了君王和祭司。
7Ny alitarany narian'ny Tompo, ny fitoerany masina nolaviny; Natolony ho eo an-tànan'ny fahavalo ny mandan'ny lapa ao Ziona; Nanandratra ny feony tao an-tranon'i Jehovah toy ny amin'ny fotoam-pivavahana ireny.
7主丟棄了自己的祭壇,厭棄了自己的聖所。他把宮殿的圍牆,交付在仇敵的手裡;他們在耶和華的殿中喧嚷,好像慶祝節日一樣。
8Jehovah ninia handrava ny mandan'i Ziona zanakavavy; Nanenjana ny famolaina Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy, ka miara-dreraka ireo.[Heb. hitelina]
8耶和華定意要拆毀錫安居民(“居民”原文作“女子”)的城牆;他拉了準繩,決不停手,務要把它吞滅。他使堡壘和城牆都悲哀,一同受痛苦。
9Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin'ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin'i Jehovah.
9錫安的眾城門已經陷入地裡;耶和華把錫安的門閂都毀壞折斷了。錫安的君王和領袖都身在列國中;錫安再沒有律法了;它的眾先知也得不到從耶和華而來的異象。
10Mipetraka amin'ny tany ny loholon'i Ziona zanakavavy ka mangina; Nasiany vovoka ny lohany, misikina lamba fisaonana izy; Ny virijina any Jerosalema nampitanondrika ny lohany ho amin'ny tany.
10錫安居民(“居民”原文作“女子”)的長老都坐在地上,默默無聲;他們把塵灰撒在頭上,腰束麻布。耶路撒冷的處女都垂頭至地。
11Pahina ny masoko azon'ny ranomaso, mandevilevy ny foko; Naidina tamin'ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna.
11我的眼睛因流淚而失明,我的心腸激動,我的肝膽傾倒在地,都因我的子民(“我的子民”原文作“我子民的女子”)遭毀滅,孩童和嬰兒在城裡的街上昏倒。
12Raha ana toy ny voatrobaka eny an-kalalahana ao an-tanana izy, na miala aina eo am-pofoan-dreniny, dia manontany an-dreniny hoe izy: aiza izay vary sy divay?
12他們像被刺傷的人昏倒在城裡街上的時候,他們在母親的懷裡快要喪命的時候,他們就問母親:“五穀和酒在哪裡呢?”
13Inona no hataoko vavolombelona ho anao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?
13耶路撒冷的居民哪,我怎樣向你說明呢?用甚麼與你比較呢?錫安的居民哪,我們用甚麼跟你相比,好安慰你呢?你的裂口像海那樣大,誰能醫治你呢?
14Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana ho anao izy.[Na: fandroahana]
14你的假先知為了你所見的異象,盡是虛謊和愚昧;他們沒有顯露你的罪孽,使你的命運得以挽回;他們為你所得的默示,全是虛謊,是引人走錯路的。
15Miteha-tanana anao izay rehetra mandalo eny an-dalana; Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin'i Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe: Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy Fifalian'ny tany rehetra ?
15所有過路的人,都拍掌嘲笑你;他們嗤笑耶路撒冷的居民,並搖頭說:“被人稱為最完美,為全地所喜悅的,就是這城嗎?”
16Misanasana vava aminao ny fahavalonao rehetra; Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe: Efa nolevoninay! Ity tokoa no andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.[Heb. natelinay]
16你所有的仇敵都張開口攻擊你,他們嗤笑你,又咬牙切齒,說:“我們吞滅它了!這真是我們期待的日子!我們等到了!親眼看見了!”
17Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin'ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao.
17耶和華作成了他定意去作的,成就了他的話,就是他昔日所宣告的,他把你拆毀,並不憐惜,他使仇敵因勝過你而高興,他高舉你敵人的角。
18Ny fonao mitaraina amin'ny Tompo: Ry mandan'i Ziona zanakavavy! mandrotsaha ranomaso andro aman'alina toy ny riaka; Aza mangina, aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao.[Heb. fony]
18錫安居民(“居民”原文作“女子”)的城牆啊,你要一心向主哀求;願你的眼淚像江河般湧流,晝夜不息;願你得不著歇息,願你眼中的瞳人不能休息。
19Mitsangàna, miantsoantsoa amin'ny alina hatramin'ny filatsahan'ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan'ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho an'ny ain'ny zanakao madinika, izay anan'ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny.
19夜裡每到交更的時分,你要起來呼喊;在主面前你要傾心如水!你的孩童在各街頭上因飢餓而昏倒,你要為他們的性命向主舉手禱告。
20Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin'ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin'ny fitoera-masin'i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany ?
20“耶和華啊,求你觀看!求你鑒察!你曾這樣對待過誰呢?難道婦人應該吃掉自己所生的,就是自己所撫養的嬰孩嗎?難道祭司和先知應該在主的聖所裡被殺害嗎?”
21Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon'ny sabatra, Novonoinao tamin'ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin'ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin'ny andro fahatezeran'i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin'ny fahavaloko.
21少年人和老年人都在街上倒臥在地死了;我的年輕男女都倒斃於刀下;在你忿怒的日子,你殺了他們,你屠殺了他們,毫不憐惜。
22Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin'ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin'ny andro fahatezeran'i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin'ny fahavaloko.
22耶路撒冷的哀禱你從四圍招聚驚嚇我的,好像招聚人過節的日子一樣。在耶和華忿怒的日子,沒有人可以逃脫,可以生存。我所撫育、所養大的,我的仇敵都滅盡了。