1[Ny fahantomotry ny loza voalaza] Hianareo, zanak'i Benjamina, mandosira faingana hiala an'i Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan'afo ao Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.[Na: manangàna famantarana]
1預言耶路撒冷的敗壞“便雅憫人哪!趕快逃命,離開耶路撒冷。你們要在提哥亞吹角,在伯.哈基琳升烽火;因為災禍和嚴重的毀滅,已從北方迫近。
2Ziona zanakavavy dia ampitoviko amin'ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka.[Na: Aringako ilay tsara tarehy sy mihantahanta, dia Ziona zanakavavy]
2美麗高貴的錫安居民(“居民”原文作“女子”),我必除滅你們。
3Ao aminy no alehan'ny mpiandry sy ny ondry; Haoriny manodidina azy ny lainy, ka samy handany ny ao akaikiny avy izy.
3牧人必帶著他們的羊群,來到錫安那裡,在城的四圍支搭帳棚,各在自己的地方分別牧放羊群。”
4Mitaova ianareo hanao ady masina hamelezana azy; Mitsangàna, ka andeha isika hiakatra antoandro. Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, ka efa mandroso ny aloky ny hariva.
4“你們要備戰攻擊她!起來!我們趁著正午上去。唉!可惜日漸西沉,暮影拖長了!
5Mitsangàna, ka andeha isika hanao latsak'alina, ary aoka horavantsika ny trano-beny.
5起來!我們趁著夜間上去,毀壞她的堡壘。”
6Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro; Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an'i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, feno fampahoriana ny ao anatiny.
6因為萬軍之耶和華這樣說:“砍下她的樹木,築壘攻打耶路撒冷;她是那該受懲罰的城,其中盡是欺壓的事。
7Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.
7井怎樣湧出水來,這城也怎樣湧出惡來;城中常常聽到強暴和毀滅的事,在我面前不斷有病患與創傷。
8Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy honenana.
8耶路撒冷啊!應當受警戒,免得我的心與你疏遠,免得我使你荒涼,成為無人居住之地。”
9Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin'ny Isiraely; Avereno ho amin'ny sakeliny ny tananao toy ny mpioty voaloboka.[Na: harona]
9萬軍之耶和華這樣說:“任憑他們像摘淨葡萄一樣對待以色列剩下的人;你要像摘葡萄的人,向枝子伸手,摘了又摘。”
10Iza no hilazako sy hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora, ka tsy mahahaino izy; He! tsatsoiny ny tenin'i Jehovah ka tsy ankamaminy.
10我可以向誰說話,向誰警告,使他們可以聽從呢?他們的耳朵未受割禮,不能聽聞;看哪!他們以耶和華的話為羞辱,一點也不喜歡。
11Fa ny fahatezeran'i Jehovah mahafeno ahy ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino amin'ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin'ny fiokoan'ny zatovo izany; Fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, ary ny anti-panahy mbamin'ny ela niainana koa;
11因此,我心裡充滿耶和華的忿怒,無法容忍。“你要把我的忿怒向街上的孩童傾倒,又傾在聯群集結的年輕人身上。夫妻一起被捉住,年老的、壽高的也不例外。
12Ary ho lasan'ny sasany ny tranony mbamin'ny sahany sy ny vehivavy koa; Fa hahinjitro amin'ny mponina amin'ny tany ny tanako, hoy Jehovah,
12他們的房屋、田地與妻子,都要一起轉歸別人;因為我要伸手,攻擊這地的居民。”這是耶和華的宣告。
13Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
13“他們從最小的到最大的,個個都貪圖不義之財;從先知到祭司,全都行事詭詐。
14Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
14他們草率地醫治我子民(“我子民”原文作“我子民的女子”)的損傷,說:‘平安了!平安了!’其實沒有平安。”
15Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah.
15耶和華說:“他們行了可憎的事,本應覺得羞愧,可是他們一點羞愧都沒有,恬不知恥。因此他們必仆倒在倒下的人中間,我懲罰他們的時候,他們必倒下來。”
16Izao no lazain'i Jehovah: Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao, ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela. Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.
16耶和華這樣說:“你們要站在路上察看,尋訪遠古的路徑,看哪一條是美善的路,就走在其中;這樣,你們心裡就必得安息。他們卻說:‘我們不走在其中。’
17Ary nasiako mpitily ianareo hanao hoe: Henoy ny feon'ny anjomara! Nefa hoy ianareo: Tsy hihaino izahay.[Heb. izy]
17我設立守望的人照管你們,說:‘你們要留心聽號角的聲音!’他們卻說:‘我們不聽!’
18Koa henoinareo, ry jentilisa, ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.
18列國啊!因此你們要聽。以色列會眾啊!要曉得他們將遭遇的。
19Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, ary nolaviny ny lalàko.
19大地啊,要聽!我必使災禍臨到這人民,這是他們的意圖帶來的結果;因為他們沒有留心聽我的話,我的律法他們也棄絕了。
20Nahoana no itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba Aho sy veromanitra avy any amin'ny tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo, ary tsy mamiko ny zavatra vonoinareo hatao fanatitra.
20從示巴來的乳香,從遠地出的菖蒲,獻給我有甚麼益處呢?你們的燔祭不蒙悅納,你們的祭祀我不喜悅。”
21Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro hasiako fahatafintohinana eo amin'ity firenena ity, ka dia samy ho tafintohina amin'izany ny ray mbamin'ny zanany; Ho faty ny olona mbamin'ny namany.
21因此,耶和華這樣說:“我要把絆腳石放在這人民的前面,他們父子一起在其上絆倒,鄰舍與朋友也都滅亡。”
22Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin'ny tany avaratra, dia firenena lehibe mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany;
22耶和華這樣說:“看哪!有一個民族從北方之地而來,有一大國被激動從地極來到。
23Tsipika sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
23他們緊握弓和槍,性情殘忍,毫無憐憫;他們的聲音像海洋怒吼;錫安的居民(“居民”原文作“女子”)哪!他們騎著戰馬,在戰場上如同一人,列陣攻擊你們。”
24Efa renay ny lazany, ka miraviravy tanana izahay; Fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
24我們聽到有關他們的消息,手就發軟;痛苦緊緊抓住我們,我們疼痛好像正在生產的婦人。
25Aza mivoaka ho any an-tsaha, ary aza mandeha amin'ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampangorohoroana manodidina.
25你們不要出到田野去,也不要在路上走,因為四圍有仇敵的刀劍和驚嚇。
26Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.
26我的同胞(“同胞”原文作“人民的女子”)啊!應當披上麻布,在灰塵中打滾,悲哀如喪獨生子,號咷痛哭,因為有行毀滅的會突然攻擊我們。
27Ho mpizaha toetra ao amin'ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany.
27“我使你在我子民中作鑒辨和試驗的,好讓你查察、鑒別他們的行徑。”
28Tena maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.
28他們都是十分悖逆的人,到處搬弄是非。他們是銅是鐵,他們都是敗壞的。
29May ny tafoforana, levon'ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan'ny mpandrendrika, fa tsy voaisotra ny ratsy.Ataon'ny olona hoe, volafotsy tsy lany izy, satria tsy lanin'i Jehovah.
29風箱猛烈地吹,鉛在火中銷熔;他們煉而又煉,徒勞無功,因為邪惡的仍未除去。
30Ataon'ny olona hoe, volafotsy tsy lany izy, satria tsy lanin'i Jehovah.
30人要稱他們為被棄的銀渣,因為耶和華把他們棄絕了。