1[Fananarana ny olona izay niankina foana tamin'ny tempoly sy ny fombam-pivavahana] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
1勸人民悔改離罪才有轉機耶和華有話臨到耶利米,說:
2Mitsangana eo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin'ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah.
2“你要站在耶和華的殿門口,在那裡宣告這話,說:‘所有進這些門來敬拜耶和華的猶大人哪!你們都要聽耶和華的話。’”
3Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity ianareo.
3萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:“你們要改正自己的所作所為,我就讓你們在這地方居住。
4Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin'i Jehovah, tempolin'i Jehovah, Tempolin'i Jehovah ity.
4你們不要倚靠虛謊的話,說:‘這是耶和華的殿,是耶和華的殿,是耶和華的殿。’
5Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin'olona amin'ny namany ianareo,
5如果你們實在改正自己的所作所為,人與人之間認真施行公正;
6Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin'ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo,
6如果你們不欺壓寄居的,不欺壓孤兒寡婦,不在這地方流無辜人的血,也不跟從別的神,自招禍患;
7Dia hamponeniko amin'ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo, hatramin'ny ela ka ho mandrakizay.
7我就讓你們在賜給你們列祖直到永遠的這地方居住。
8He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany.
8“可是,你們竟然倚靠虛謊無益的話。
9Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an'i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?
9你們怎可偷盜、兇殺、姦淫、起假誓、向巴力燒香,跟從你們素不認識的別神,
10Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin'ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!
10然後來到這稱為我名下的殿,站在我面前,說:‘我們安全啦!’你們這樣就可以行這一切可憎的事嗎?
11Moa ataonareo ho zohy fieren'ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah.
11這稱為我名下的殿,難道在你們眼中看為賊窩嗎?但我都看見了。”這是耶和華的宣告。
12Fa mandehana ianareo any amin'ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian'ny Isiraely oloko.
12“你們可以到示羅我的地方去,就是先前我名的居所,看看我因我子民以色列的邪惡,對那地方所行的。
13Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,
13現在,因你們行了這一切事,我不斷懇切告誡你們,你們卻不聽;我呼喚你們,你們卻不答話。”這是耶和華的宣告。
14Koa dia ho toy ny nataoko tamin'i Silo no hataoko amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako sady itokianareo, sy amin'ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo;
14“所以我從前怎樣對待示羅,將來也怎樣對待你們所倚靠的那稱為我名下的殿,以及我賜給你們和你們列祖的地方。
15Ary hesoriko hiala eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak'i Efraima rehetra.
15我必把你們從我面前趕出,像我從前趕出你們的眾兄弟,以法蓮所有的後裔一樣。
16Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona amiko; Fa tsy hihaino anao Aho.
16“至於你,不要為這人民祈禱,不要為他們呼求禱告,也不要為他們向我懇求,因為我不會聽你。
17Tsy hitanao va ny ataon'ireo any an-tanànan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema?
17他們在猶大的各城中,在耶路撒冷的街道上所行的,你沒有看見嗎?
18Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an'ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.
18兒子撿柴,父親生火,婦女摶麵,為天后做餅,又向別的神澆奠祭,惹我發怒。
19Moa Izaho va no ampahasosorin'ireo, hoy Jehovah, fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy?
19他們害的是我嗎?豈不是他們自己,以致臉上蒙羞嗎?”這是耶和華的宣告。
20Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin'ity tany ity, dia amin'ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
20因此,主耶和華這樣說:“看哪!我的怒氣和忿怒,必倒在這地方,也必倒在人口、牲畜、田野的樹木和地的出產上;怒火燒起,不能熄滅。”
21Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aoka ny fanatitra dorana ho naman'ny fanatitrareo hafa alatsa-drà, ka mihinàna hena.
21萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:“你們儘管把燔祭加在平安祭上,自己吃祭肉吧!
22Fa tsy ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin'ny razanareo na nandidiako azy tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
22因為我把你們列祖從埃及地領出來的那日,燔祭和平安祭的事,我並沒有向他們提說,也沒有吩咐他們。
23Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
23我只吩咐他們這一件事,說:‘你們要聽從我的話,我就作你們的 神,你們也作我的子民;你們要遵行我所吩咐的一切道,好使你們蒙福。’
24Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin'ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.
24他們卻沒有聽從,也不留心,反倒按著他們的計謀,隨從自己頑梗的惡心行事,向後不向前。
25Hatramin'ny andro nivoahan'ny razanareo avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka androany dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa isan'andro Aho ka naniraka azy mandrakariva.
25自從你們列祖出埃及地的那日直到今日,我差遣我的僕人眾先知到你們那裡去,而且是每日不斷差遣。
26Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.
26你們(“你們”原文作“他們”)卻沒有聽從,毫不留心,反倒硬著頸項行惡,比你們(“你們”原文作“他們”)的列祖還厲害。
27Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo, dia tsy hihaino anao izy; Ary na dia antsoinao aza izy, dia tsy hamaly anao.
27“你要把這一切話告訴他們,他們卻不聽從你;你呼叫他們,他們也不回應。
28Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino feon'i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, fa afaka tamin'ny vavany.
28然而,你要對他們說:‘這就是不聽從耶和華他們 神的話,不受管教的國;誠實喪盡,並已從他們的口中斷絕了。
29Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin'i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
29陀斐特的惡行及刑罰“‘你要剪去頭髮,並且把它拋掉,上到光禿的高岡舉哀,因為耶和華擯斥、棄絕了他所憎恨的世代。’”
30Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak'i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.
30“因為猶大人行了我看為惡的事,把他們可憎的偶像安放在稱為我名下的殿中,污瀆了這殿。”這是耶和華的宣告。
31Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin'ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
31“他們在欣嫩子谷中,建造了陀斐特的邱壇,用火焚燒自己的兒女;這不是我吩咐的,我也沒有在心裡想過。
32Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren'ny tany.
32因此,看哪!日子快到,人必不再稱這地方為陀斐特或欣嫩子谷,卻要稱它為‘殺戮谷’;人必在陀斐特埋葬屍體,甚至無處可容。”這是耶和華的宣告。
33Ary ny fatin'ity firenena ity dia ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.Dia hatsahatro any an-tanànan'ny Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.
33“這人民的屍體,也必給空中的飛鳥和地上的野獸作食物,沒有人來驅趕。
34Dia hatsahatro any an-tanànan'ny Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.
34那時,我必在猶大的城市中和耶路撒冷的街道上,使歡欣和快樂的聲音、新郎和新婦的聲音止息,因為這地必要變為荒場。”