1Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.
1耶穌是好牧人“我實實在在告訴你們,那不從門進羊圈,倒從別處爬進去的,那人就是賊,就是強盜;
2Fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry.
2那從門進去的,才是羊的牧人。
3Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany avy ka entiny mivoaka.
3看門的給他開門,羊也聽他的聲音;他按著名字呼叫自己的羊,領牠們出來。
4Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.
4他把自己的羊領出來以後,就走在前頭,羊也跟隨他,因為認得他的聲音。
5Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ny vahiny.
5牠們決不會跟隨陌生人,反而逃避他,因為不認得陌生人的聲音。”
6Izany fanoharana izany no nolazain'i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.
6耶穌對他們說了這個譬喻,他們卻不明白他所說的是甚麼。
7Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin'ondry.
7於是耶穌又說:“我實實在在告訴你們,我就是羊的門。
8Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.
8所有在我以先來的,都是賊和強盜;羊卻不聽從他們。
9Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
9我就是門,如果有人藉著我進來,就必定得救,並且可以出、可以入,也可以找到草場。
10Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
10賊來了,不過是要偷竊、殺害、毀壞;我來了,是要使羊得生命,並且得的更豐盛。
11Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
11我是好牧人,好牧人為羊捨命。
12Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon'ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy; [lopa]
12那作雇工不是牧人的,羊也不是自己的,他一見狼來,就把羊撇下逃跑,狼就抓住羊群,把他們驅散了;
13mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.
13因為他是個雇工,對羊群漠不關心。
14Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,
14我是好牧人,我認識我的羊,我的羊也認識我,
15dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
15好像父認識我,我也認識父一樣;並且我為羊捨命。
16Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.
16我還有別的羊,不在這羊圈裡;我必須把牠們領來,牠們也要聽我的聲音,並且要合成一群,歸於一個牧人。
17Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
17父愛我,因為我把生命捨去,好再把它取回來。
18Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko.
18沒有人能奪去我的生命,是我自己捨去的。我有權把生命捨去,也有權把它取回來;這是我從我的父所領受的命令。”
19Ary nisy fisarahana indray tao amin'ny Jiosy noho izany teny izany.
19猶太人因著這些話又起了紛爭。
20Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?
20他們當中有許多人說:“他是鬼附的,他發瘋了;為甚麼要聽他呢?”
21Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason'ny jamba?
21另外有人說:“這話不是鬼附的人所說的。鬼怎能使瞎子的眼睛開了呢?”
22Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro.
22猶太人棄絕耶穌在耶路撒冷,獻殿節到了,那時是冬天。
23Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona.
23耶穌在殿的所羅門廊上走過,
24Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.
24猶太人圍著他,對他說:“你使我們心裡懸疑不定,要到幾時呢?如果你是基督,就公開地告訴我們吧!”
25Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy.
25耶穌對他們說:“我已經告訴你們,你們卻不相信;我奉我父的名所作的事,可以為我作證。
26Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko.
26只是你們不信,因為你們不是我的羊。
27Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
27我的羊聽我的聲音,我也認識他們,他們也跟隨我。
28ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako.
28我賜給他們永生,他們永不滅亡,誰也不能把他們從我手裡奪去。
29Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray.
29那位把羊群賜給我的父比一切都大,也沒有人能把他們從我父的手裡奪去。
30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
30我與父原為一。”
31Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.
31猶太人又拿起石頭要打他。
32Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
32耶穌對他們說:“我把許多從父那裡來的善事顯給你們看,你們因哪一件要用石頭打我呢?”
33Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. [Gr. blasfemia, izahao Mat. 9,3]
33猶太人對他說:“我們不是因為善事用石頭打你,而是因為你說了僭妄的話;又因為你是個人,竟然把自己當作 神。”
34Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6).
34耶穌說:“你們的律法上不是寫著‘我說你們是神’嗎?
35Raha ireny izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana),
35聖經是不能廢除的,如果那些承受 神的道的人, 神尚且稱他們是神,
36moa Izay nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho?
36那麼父所分別為聖又差到世上來的,他自稱是 神的兒子,你們就說他說了僭妄 神的話嗎?
37Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.
37我若不作我父的事,你們就不必信我;
38Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin'ny Ray.
38我若作了,你們縱然不信我,也應當信這些事,好使你們確實知道,我父是在我裡面,我也在父裡面。”
39Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy. [Gr. Ny tànany]
39他們又要逮捕耶穌,他卻從他們的手中逃脫了。
40Dia lasa nankany an-dafin'i Jordana indray Jesosy, ho any amin'ilay tany nanaovan'i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy.
40耶穌又往約旦河東去,到約翰從前施洗的地方,住在那裡。
41Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin'ity Lehilahy ity dia marina avokoa.Ary maro no nino Azy teo.
41許多人到他那裡去,說:“約翰沒有行過一件神蹟,但約翰指著這人所說的一切話,都是真實的。”
42Ary maro no nino Azy teo.
42在那裡就有許多人信了耶穌。