1Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin'i Galilia, dia ny Ranomasin'i Tiberiasy izany.
1給五千人吃飽的神蹟(太14:13~21;可6:32~44;路9:10~17)這些事以後,耶穌渡過加利利海,就是提比里亞海。
2Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin'ny marary.
2有一大群人,因為看見了他在病人身上所行的神蹟,就跟隨了他。
3Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin'ny mpianany.
3耶穌上了山,同門徒坐在那裡。
4Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan'ny Jiosy.
4那時猶太人的逾越節近了。
5Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?
5耶穌舉目觀看,見一大群人向他走過來,就對腓力說:“我們從哪裡買餅給這些人吃呢?”
6Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.
6他說這話,是要試驗腓力,因他自己早已知道要怎樣作。
7Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
7腓力回答:“就算二百銀幣買的餅,每人分一點,也是不夠的。”
8Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
8有一個門徒,就是西門.彼得的弟弟安得烈,對耶穌說:
9Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka izao?
9“這裡有個小孩子,帶著五個大麥餅、兩條魚;只是分給這麼多人,有甚麼用呢?”
10Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
10耶穌吩咐他們:“你們叫眾人坐下。”原來那地方的草很多,眾人就坐下,單是男人的數目約有五千。
11Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
11耶穌拿起餅來,祝謝了,就分給坐著的人;分魚也是這樣,都是隨著他們所要的。
12Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.
12他們吃飽了之後,耶穌對門徒說:“把剩下的零碎收拾起來,免得浪費。”
13Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombin'ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin'ny nihinana.
13門徒就把眾人吃剩那五個大麥餅的零碎收拾起來,裝滿了十二個籃子。
14Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin'izao tontolo izao.
14眾人看見耶穌所行的神蹟,就說:“這真是那要到世上來的先知。”
15Ary rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra..
15耶穌知道群眾要來強迫他作王,就獨自又退到山上去了。
16Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin'ny ranomasina ny mpianany.
16耶穌在海面上行走(太14:22~33;可6:47~51)到了晚上,他的門徒下到海邊去。
17Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin'izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.
17他們上了船,要渡海往迦百農去。那時天已經黑了,耶穌還沒有到他們那裡。
18Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon'ny rivotra.
18忽然海上起了狂風,波浪翻騰。
19Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an'i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy. [Na: dimy na enina kilometatra]
19門徒搖櫓約行了五六公里,看見耶穌在海面上行走,漸漸靠近船,就害怕起來。
20Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.
20耶穌對他們說:“是我,不要怕。”
21Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely dia tonga tamin'ny tany izay nalehany.
21他們這才把他接上船,船就立刻到了他們要去的地方。
22Nony ampitson'iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan'ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,
22耶穌是生命的食物第二天,站在海那邊的群眾,看見只有一隻小船留在那裡,並且知道耶穌沒有和他的門徒一同上船,門徒是自己去的;
23kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin'ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,-
23不過有幾隻從提比里亞來的船停在那裡,靠近他們在主祝謝以後吃餅的地方。
24koa nony hitan'ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an'i Jesosy.
24群眾見耶穌和門徒都不在那裡,就上船往迦百農去找耶穌。
25Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan'ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?
25他們在對岸找到了耶穌,就問他:“拉比,你幾時到這裡來的?”
26Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
26耶穌回答:“我實實在在告訴你們,你們找我,不是因為看見了神蹟,而是因為吃了餅又吃飽了。
27Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase.
27不要為那必朽壞的食物操勞,卻要為那存到永生的食物操勞,就是人子所要賜給你們的,因為人子是父 神所印證的。”
28Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra?
28眾人又問他:“我們應該作甚麼,才算是作 神的工作呢?”
29Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
29耶穌回答:“信 神所差來的,就是作 神的工了。”
30Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
30於是他們就說:“你要行甚麼神蹟,讓我們看了就信你呢?你到底能作甚麼呢?
31Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny (Sal. 78. 24).
31我們的祖宗在曠野吃過嗎哪,正如經上所記:‘他把從天上來的食物賜給他們吃。’”
32Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
32耶穌對他們說:“我實實在在告訴你們,不是摩西把那從天上來的食物賜給你們,而是我父把天上來的真食物賜給你們;
33Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao.
33因為 神的食物就是從天上降下來,把生命賜給世人的那一位。”
34Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
34他們對耶穌說:“主啊,求你常把這食物賜給我們。”
35Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
35耶穌說:“我就是生命的食物,到我這裡來的,必定不餓;信我的,永遠不渴。
36Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.
36但我告訴你們,你們雖然見了我,還是不信。
37Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
37凡是父賜給我的人,必到我這裡來;到我這裡來的,我決不丟棄他,
38Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy.
38因為我從天上降下來,不是要行自己的意思,而是要行那差我來者的旨意。
39Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy.
39那差我來者的旨意就是:他所賜給我的人,我連一個也不失落,並且在末日我要使他們復活。
40Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
40因為我父的旨意,是要使所有看見了子而信的人有永生,並且在末日我要使他們復活。”
41Dia nimonomonona tamin'i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
41猶太人因為耶穌說“我是從天上降下來的食物”,就紛紛議論他。
42Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
42他們說:“這不是約瑟的兒子耶穌嗎?他的父母我們不都認識嗎?他現在怎麼說‘我是從天上降下來的’呢?”
43Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
43耶穌回答:“你們不要彼此議論。
44Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
44如果不是差我來的父吸引人,就沒有人能到我這裡來;到我這裡來的,在末日我要使他復活。
45Voasoratra ao amin'ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin'Andriamanitra (Isa. 54. 13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin'ny Ray no manatona Ahy.
45先知書上記著:‘眾人都必受 神的教導。’凡聽見從父那裡來的教訓而又學習的,必到我這裡來。
46Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin'Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
46這不是說有人見過父;只有從 神那裡來的那一位,他才見過父。
47Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
47我實實在在告訴你們,信的人有永生。
48Izaho no mofon'aina.
48我就是生命的食物,
49Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
49你們的祖宗在曠野吃過嗎哪,還是死了。
50Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
50這是從天上降下來的食物,使人吃了就不死。
51Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.
51我就是從天上降下來生命的食物,人若吃了這食物,就必活到永遠。我要賜的食物就是我的肉,是為了世人的生命而賜的。”
52Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon'ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
52於是,猶太人彼此爭論,說:“這個人怎能把他的肉給我們吃呢?”
53Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
53耶穌就對他們說:“我實實在在告訴你們,你們若不吃人子的肉,不喝人子的血,就沒有生命在你們裡面。
54Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
54吃我肉、喝我血的,就有永生,在末日我要使他復活;
55Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
55因為我的肉是真正的食物,我的血是真正的飲料。
56Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
56吃我肉、喝我血的人,就住在我裡面,我也住在他裡面。
57Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
57正如永活的父差遣了我,我也因父活著;照樣,吃我肉的人也必因我而活。
58Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
58這就是從天上降下來的食物,不像嗎哪,你們的祖宗吃過,還是死了;吃這食物的,必活到永遠。”
59Izany teny izany no nolazainy tao amin'ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
59這些話是耶穌在迦百農會堂裡教導人的時候說的。
60Koa maro tamin'ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?
60永生之道他的門徒中,有許多人聽了,就說:“這話很難,誰能接受呢?”
61Ary fantatr'i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay?
61耶穌心裡知道門徒為了這事議論紛紛,就對他們說:“這話使你們動搖嗎?
62Mainka raha mahita ny Zanak'olona miakatra ho any amin'izay nitoerany taloha ianareo.
62如果你們看見人子升到他原來所在的地方,又怎樣呢?
63Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
63使人活的是靈,肉體是無濟於事的。我對你們所說的話是靈、是生命。
64Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr'i Jesosy hatramin'ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
64然而你們中間卻有不信的人。”原來從起初耶穌就知道那些不信的是誰,那要把他出賣的又是誰。
65Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany.
65耶穌跟著說:“所以我對你們說過,如果不是父所賜的,沒有人能到我這裡來。”
66Hatramin'izany dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. [Na: Noho izany]
66從此,他的門徒中有許多人退去了,不再與他同行。
67Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?
67於是耶穌對十二門徒說:“你們也想離去嗎?”
68Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay.
68西門.彼得回答:“主啊,你有永生之道,我們還跟從誰呢?
69Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin'Andriamanitra.
69我們已經相信,並且知道你是 神的聖者。”
70Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?Fa Izy nilaza an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny roa ambin'ny folo lahy.
70耶穌說:“我不是揀選了你們十二個人嗎?但你們中間有一個是魔鬼。”
71Fa Izy nilaza an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny roa ambin'ny folo lahy.
71耶穌這話是指著加略人西門的兒子猶大說的,因為他雖然是十二門徒之一,卻要出賣耶穌。