Malagasy

聖經新譯本

Mark

16

1Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin'i Jesosy.
1耶穌復活(太28:1~8;路24:1~10;約20:1~10)過了安息日,抹大拉的馬利亞、雅各的母親馬利亞和撒羅米,買了香膏,要去膏耶穌。
2Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo.
2禮拜日的大清早,出太陽的時候,她們就來到墳墓那裡,
3Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin'ny varavaram-pasana hisolo antsika?
3彼此說:“誰可以給我們輥開墓門的石頭呢?”
4Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato.
4原來那塊石頭非常大,她們抬頭一看,卻見石頭已經輥開了。
5Ary raha niditra tao anatin'ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin'ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy.
5她們進了墳墓,看見一位身穿白袍的青年,坐在右邊,就非常驚恐。
6Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy.
6那青年對她們說:“不要驚慌!你們尋找那釘十字架的拿撒勒人耶穌,他不在這裡,已經復活了;請看他們安放他的地方。
7Fa mandehana, lazao amin'ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.
7你們去告訴他的門徒和彼得:他要比你們先到加利利去,你們在那裡必定看見他,正如他從前告訴你們的。”
8Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin'ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin'olona izy, satria natahotra.
8因為驚恐戰慄,她們一從墳墓出來就逃跑;由於害怕,她們甚麼也沒有告訴人。(有些抄本無第9至20節)
9[Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy]
9主向抹大拉的馬利亞顯現(約20:11~18)禮拜日的清早,耶穌復活了,先向抹大拉的馬利亞顯現,耶穌曾經從她身上趕出七個鬼。
10[Ary Maria nandeha ka nilaza tamin'ireo efa nomba an'i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany]
10她就去告訴那些向來和耶穌在一起的人,那時他們正在悲哀哭泣。
11[Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany]
11他們聽見耶穌活了,又被馬利亞看見了,卻不相信。
12[Ary taorian'izany Jesosy dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha]
12向兩個門徒顯現(路24:13~35)這事以後,門徒中有兩個人往鄉下去,正走路的時候,耶穌用另外的形象,向他們顯現,
13[Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin'ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa]
13他們就去告訴其他的人,那些人也不相信。
14[Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy]
14吩咐門徒往普天下傳福音(太28:16~20;路24:36~49;約20:19~23;徒1:6~8)後來,十一個門徒吃飯的時候,耶穌向他們顯現,責備他們的不信和心硬,因為他們不信那些在他復活以後見過他的人。
15[Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra]
15他又對他們說:“你們到全世界去,向所有的人傳福音。
16[Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina]
16信而受洗的必定得救,不信的必被定罪。
17[Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;]
17信的人必有神蹟隨著他們,就是奉我的名趕鬼,用新方言說話,
18[handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny]
18用手握蛇,喝了甚麼毒物也不受害,手按病人就必好了。”
19[Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra][Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena]
19耶穌升天(路24:50~53;徒1:9~11)主耶穌向門徒講完了話,就被接到天上,坐在 神的右邊。
20[Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena]
20門徒出去,到處傳揚福音,主和他們同工,藉著相隨的神蹟,證實所傳的道。(有少數抄本有〔較短的結語〕:9“那些婦女把耶穌所吩咐的一切都告訴彼得和他的同伴。10這些事以後,耶穌藉著他們親自把那神聖不朽、永遠救恩的信息從東到西傳揚出去。阿們。”放在第8節之後;另有少數抄本把它放在第20節之後。)