1Tamin'izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan'i Jesosy,
1施洗約翰被殺(可6:14~29)那時,分封王希律聽見耶穌的名聲,
2ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin'ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.
2就對臣僕說:“這人是施洗的約翰,他從死人中復活,所以他身上有行神蹟的能力。”
3Fa Heroda efa nisambotra an'i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny.
3原來希律為了他弟弟腓力的妻子希羅底的緣故,拘捕了約翰,把他捆綁,關在監裡,
4Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy.
4因為約翰多次告訴他:“你佔有她是不合理的。”
5Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon'ireo ho mpaminany Jaona.
5他想殺約翰,但又害怕群眾,因為他們都認為約翰是個先知。
6Fa nony tonga ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin'i Herodiasy ka nahafaly an'i Heroda.
6到了希律生日的那天,希羅底的女兒在眾人面前跳舞,希律非常高興,
7Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona.
7就起誓答應她,無論求甚麼都給她。
8Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.
8她在母親的慫恿之下,說:“請把施洗的約翰的頭放在盤子上給我。”
9Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany.
9王就憂愁,但因為誓言和在座的賓客,就下令給她。
10Ary dia naniraka hanapaka ny lohan'i Jaona tao an-tranomaizina izy.
10他派人去,在監裡斬了約翰的頭,
11Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny.
11把頭放在盤子上,拿來給那女孩子,她又帶給母親。
12Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin'i Jesosy.
12約翰的門徒前來,領了屍體,把它埋葬,然後去告訴耶穌。
13Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin'ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.[Na: nandeha tongotra]
13給五千人吃飽的神蹟(可6:32~44;路9:10~17;約6:1~13。參太15:32~38)耶穌聽見了,就離開那裡,獨自坐船到曠野去。群眾聽見了,就從各城步行來跟隨他。
14Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
14耶穌上了岸,看見一大群人,就憐憫他們,醫好了他們的病人。
15Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy.
15黃昏的時候,門徒前來對他說:“這是曠野的地方,時間也不早了,請叫群眾散開,好讓他們往村裡去,買自己的食物吧。”
16Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.
16耶穌回答:“他們用不著離開,你們給他們吃吧!”
17Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.
17但門徒說:“我們這裡除了五個餅和兩條魚,甚麼也沒有。”
18Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.
18他說:“拿過來給我。”
19Dia nasainy nipetraka teny ambonin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.
19於是吩咐群眾坐在草地上,拿起那五個餅兩條魚,望著天,祝謝了;然後把餅擘開,遞給門徒,門徒又分給群眾。
20Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.
20大家都吃了,並且吃飽了,他們把剩下的零碎拾起來,裝滿了十二個籃子。
21Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
21吃的人,除了婦女和孩子,約有五千。
22Ary niaraka tamin'izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.
22耶穌在海面上行走(可6:45~52;約6:15~21)耶穌立刻催門徒上船,叫他們先到對岸去,他卻留下來叫群眾散開。
23Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.
23他解散了群眾,就獨自上山去禱告。到了晚上,他還是獨自一人在那裡。
24Ary efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely tamin'izay, dia natopatopan'ny alon-drano izy, fa notohain'ny rivotra.
24那時門徒的船已經離岸數公里,因為逆風,被波浪沖擊。
25Ary tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny amin'ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin'ny ranomasina.
25天快亮的時候(“天快亮的時候”原文作“夜裡四更天”),耶穌在海面上向他們走過去。
26Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.
26門徒見他在海面上行走,就很驚慌,說:“有鬼啊!”並且恐懼得大叫起來。
27Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.
27耶穌立刻對他們說:“放心吧!是我,不要怕。”
28Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho.
28彼得對他說:“主啊,如果是你,讓我在水面上到你那裡去。”
29Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy.
29他說:“來吧!”彼得就從船上下來,行在水面上,走向耶穌那裡去。
30Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho![ Na: (rivotra mahery)]
30但他一見風浪就害怕,快要沉下去的時候,就呼叫:“主啊!救我!”
31Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?
31耶穌馬上伸手拉住他,對他說:“小信的人哪,為甚麼疑惑?”
32Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.
32他們上了船,風就平靜了。
33Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao.
33船上的人都拜他,說:“你真是 神的兒子。”
34Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.
34治好革尼撒勒的病人(可6:53~56)他們過到對岸,來到革尼撒勒的地區。
35Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin'ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.
35那地的人認出是耶穌,就把消息傳遍了那一帶。眾人把一切有病的人都帶來,
36Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.
36求耶穌讓他們只摸一摸他衣服的繸子,摸著的人就都痊愈了。