1[Fideran'ny any an-danitra an'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.
1天上的敬拜這些事以後,我觀看,見天上有一道門開著;並且有我第一次聽見的那個好像號筒的聲音,對我說:“你上這裡來!我要把以後必定發生的事指示你。”
2Ary niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
2立刻,我在靈裡,就看見有一個寶座,設立在天上,有一位坐在寶座上。
3Ary ny tarehin'ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.
3那位坐著的,看來好像碧玉和紅寶石,又有彩虹圍繞著寶座,看來好像綠寶石。
4Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin'ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena. [ Gr. presbytera]
4寶座的周圍有二十四個座位,上面坐著二十四位長老,身穿白衣,頭戴金冠。
5Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo.
5有閃電、響聲、雷轟從寶座中發出;又有七枝火炬在寶座前點著,這就是 神的七靈。
6Ary teo anoloan'ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan'aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
6寶座前有一個看來好像水晶的玻璃海。在寶座中間和寶座周圍有四個活物,前後布滿了眼睛。
7Ary ny zava-manan'aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan'aina faharoa dia tahaka ny zanak'omby, ary ny zava-manan'aina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan'olona, ary ny zava-manan'aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.
7第一個活物像獅子,第二個活物像牛犢,第三個活物的臉面像人,第四個活物像飛鷹。
8Ary ny zava-manan'aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman'alina izy manao hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
8四個活物各有六個翅膀,裡外布滿了眼睛。他們晝夜不停地說:“聖哉!聖哉!聖哉!主、全能的 神,昔在、今在、以後永在的那一位。”
9Ary raha ny zava-manan'aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay,
9每逢四個活物把榮耀、尊貴、感謝獻給那坐在寶座上,活到永永遠遠的那一位的時候,
10dia hiankohoka eo anoloan'izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana ny loholona efatra amby roa-polo ka hivavaka amin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe:Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.
10二十四位長老就俯伏在坐在寶座上那一位的面前,敬拜那活到永永遠遠的,又把他們的冠冕放在寶座前,說:
11Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.
11“主、我們的 神,你是配得榮耀、尊貴、權能的,因為你創造了萬有,萬有都是因著你的旨意而存在,而被造的。”