Malagasy

聖經新譯本

Revelation

5

1[Ny nandraisan'ny Mpanavotra ny boky izay nisy tombo-kase fito, sy ny hira natao ho fiderana Azy] Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
1得勝的羊羔配展開書卷我看見那位坐在寶座上的,右手拿著書卷,這書卷的兩面都寫滿了字,用七個印封著。
2Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
2我又看見一位大力的天使,大聲宣告說:“誰配展開那書卷,拆開它的封印呢?”
3Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
3在天上、地上、地底下,沒有一個能夠展開書卷觀看的。
4Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
4因為沒有人配展開觀看書卷,我就大哭。
5Ary ny anankiray tamin'ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. [ Gr. presbytera]
5長老中有一位對我說:“不要哭!看哪,那從猶大支派出來的獅子,大衛的根,他已經得勝了,他能夠展開那書卷,拆開它的七印。”
6Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra. [ Gr. presbytera]
6我又看見在寶座和四個活物中間,並且在眾長老中間,有羊羔站著,像是被殺過的。他有七角七眼,就是 神的七靈,奉差遣到全地去的。
7Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
7羊羔走過去,從坐在寶座上那位的右手中取了書卷。
8Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany. [ Gr. presbytera]
8他拿了書卷之後,四個活物和二十四位長老就俯伏在羊羔面前,各拿著琴和盛滿了香的金爐,這香就是眾聖徒的祈禱。
9Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra;
9他們唱著新歌,說:“你配取書卷,配拆開封印,因為你曾被殺,曾用你的血,從各支派、各方言、各民族、各邦國,把人買了來歸給 神,
10Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy.
10使他們成為我們 神的國度和祭司,他們要在地上執掌王權。”
11Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo, [ Gr. presbytera]
11我又觀看,聽見了千千萬萬天使的聲音,他們都在寶座、活物和長老的四周,
12nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
12大聲說:“被殺的羊羔是配得權能、豐富、智慧、力量、尊貴、榮耀、頌讚的!”
13Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka. [ Gr. presbytera]
13我又聽見在天上、地上、地底下和海裡的一切被造之物,以及天地間的萬有,都說:“願頌讚、尊貴、榮耀、能力,都歸給坐在寶座上的那一位和羊羔,直到永永遠遠!”
14Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka. [ Gr. presbytera]
14四個活物就說:“阿們!”眾長老也俯伏敬拜。