1[Ny namahana ny tombo-kase enina] Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia. [ Ampio hoe: (ka izahao)]
1羊羔揭開六個印羊羔揭開了七印的第一個印的時候,我觀看,就聽見四個活物中的一個,發出好像雷轟的聲響,說:“你來!”
2Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.
2我觀看,見有一匹白馬;騎在馬上的拿著弓,有冠冕賜給他,他就出去,得勝並且要再得勝。
3Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan'aina faharoa nanao hoe: Avia. [ Ampio hoe: (ka izahao)]
3羊羔揭開了第二個印的時候,我聽見第二個活物說:“你來!”
4Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin'ny tany mba hifamonoan'ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
4就另有一匹紅馬出來,騎在馬上的得了權柄,可以從地上奪去和平,使人互相殘殺,又有一把大刀賜給他。
5Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan'aina fahatelo nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany. [ Ampio hoe: (ka izahao)]
5羊羔揭開了第三個印的時候,我聽見第三個活物說:“你來!”我觀看,見有一匹黑馬;騎在馬上的,手中拿著天平。
6Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan'ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: venty ny vary tritika eran'ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon'ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay ianao. [ Gr. denaria] [ Gr. koiniksa]
6我聽見在四個活物中間,仿佛有聲音說:“一公升小麥賣一個銀幣,三公升大麥賣一個銀幣,油和酒也不可糟蹋。”
7Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon'ny zava-manan'aina fahefatra nanao hoe: Avia. [ Ampio hoe: (ka izahao)]
7羊羔揭開了第四個印的時候,我聽見第四個活物的聲音說:“你來!”
8Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany. [ Gr. Hadesy]
8我觀看,見有一匹灰馬;騎在馬上的,名字叫作“死”。陰間也跟隨著他。他們得了權柄可以管轄地上的四分之一,又要用刀劍、饑荒、瘟疫和地上的野獸去殺人。
9Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny.
9羊羔揭開了第五個印的時候,我看見祭壇底下,有為了 神的道,並且為了自己所作的見證而被殺的人的靈魂。
10Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin'izay monina eny ambonin'ny tany?
10他們大聲喊叫,說:“聖潔真實的主啊!你不審判住在地上的人,給我們伸流血的冤,要到幾時呢?”
11Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
11於是有白袍賜給他們各人,又有話吩咐他們要安息一會兒,等到那些與他們同作僕人和弟兄,像他們一樣將要被殺的人,湊滿了數目的時候。
12Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana.
12羊羔揭開了第六個印的時候,我觀看,大地震就發生了。太陽變黑,像粗糙的黑毛布;整個月亮變紅,像血一樣;
13Ary ny kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin'ny rivotra mahery izy.
13天上的星辰墜落在地上,像無花果樹被大風搖動,落下還沒有成熟的果子。
14Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany.
14天隱退了,像書被捲起來一樣;山嶺和海島都從原處移去了。
15Ary ny mpanjakan'ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin'ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny an-tendrombohitra;
15地上的君王、大臣、軍長、財主、勇士和所有作奴隸的、自由的,都藏在山洞和巖穴裡。
16ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry;fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo, ka iza no mahajanona? [ Na: ny fahatezerany]
16他們向山嶺和巖石說:“倒在我們身上吧!把我們藏起來,躲避坐在寶座上那位的面,和羊羔的震怒!
17fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo, ka iza no mahajanona? [ Na: ny fahatezerany]
17因為他們震怒的大日子來到了,誰能站立得住呢?”