1[Fiarahabana] Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan'ny olom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
1問安 神的僕人、耶穌基督的使徒保羅(這是為著 神選民的信心,和那合乎敬虔真理的知識;
2amin'ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;
2這都是根據永生的盼望,這永生就是沒有謊言的 神在萬世以前所應許的。
3fa tamin'izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin'ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
3到了適當的時候, 神就藉著福音的宣講,把他的道顯明出來。照著 神我們救主的命令,這宣講的使命交託了我),
4ho an'i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
4寫信給提多,就是那在共同的信仰上作我真兒子的。願恩惠平安從父 神和我們的救主基督耶穌臨到你。
5[Ny miendrika hotendrena ho loholona, sy ny faharatsian'ny toetry ny olona tany Kreta] Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao; [ Gr. presbytera]
5提多在克里特的工作我從前留你在克里特島,是要你辦好沒有辦完的事,並且照我所吩咐的,在各城設立長老。
6raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra.
6如果有人無可指摘,只作一個妻子的丈夫,兒女都信主,也沒有人控告他們放蕩或不受約束,才可以作長老。
7Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
7因為監督是 神的管家,所以必須無可指摘、不任性、不隨便動怒、不好酒、不打人、不貪不義之財;
8fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po,
8卻要接待客旅、喜愛良善、自律、公正、聖潔、自制,
9mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra. [ Gr. salama]
9堅守那合乎教義、可靠的真道,好使他能夠用純正的道理勸勉人,並且能夠折服反對的人。
10Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin'ny voafora -
10因為有許多不受約束、好講空話和欺騙人的,尤其是那些守割禮的人,
11tsy maintsy hotampenam-bava ireo - izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
11他們為了可恥的利益,教訓一些不應該教導的事,敗壞人的全家,你務要堵住他們的嘴。
12Hoy ny anankiray amin'ireny, izay mpaminany teo aminy: "Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda".
12有一個克里特本地的先知說過:“克里特人是常常說謊的,是惡獸,好吃懶作。”
13Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny finoana, [ Gr. salama]
13這見證是真的。為了這緣故,你要嚴厲地責備他們,好使他們在信仰上健全,
14tsy mitandrina ny anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana.
14不再理會猶太人的無稽之談和偏離正道的人的規條。
15Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
15在清潔的人,一切都是清潔的;但在污穢和不信的人,沒有一樣是清潔的,連他們的意念和良心都污穢了。
16Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
16他們聲稱認識 神,卻在行為上否認他。他們是可憎的、悖逆的,在各樣的善事上,是毫無用處的。