1[Ny mety hataon'ny anti-panahy sy ny tanora fanahy sy ny mpanompon'olona, ary fananarana sy hafatra samy hafa] Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema; [ Gr. salama]
1要傳講純正的道理至於你,你應當講合乎純正的道理。
2ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana. [ Gr. salama]
2勸老年人要有節制、莊重、自律,在信心、愛心、忍耐上都要健全。
3Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
3照樣,勸年老的婦女要生活敬虔,不說讒言,不被酒奴役,用善道教導人,
4mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
4好提醒年輕的婦女愛丈夫愛兒女,
5hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin'Andriamanitra. [ Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat. 9,3]
5並且自律、貞潔、理家、善良、順從自己的丈夫,免得 神的道受毀謗。
6Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;
6照樣,勸年輕的男子要自律。
7ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,
7無論在甚麼事上你都要顯出好行為的榜樣,在教導上要純全,要莊重,
8ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo. [ Gr. salama]
8言詞要純正,無可指摘,使反對的人因為無從毀謗,就自覺慚愧。
9Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,
9勸僕人要凡事順服自己的主人,討他歡喜,不要頂嘴。
10tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.
10不要私取財物,卻要顯示絕對的誠實,好使我們救主 神的道理,在凡事上都得著尊榮。
11Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,
11 神拯救萬人的恩典已經顯明出來了。
12mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao,
12這恩典訓練我們除去不敬虔的心,和屬世的私慾,在今生過著自律、公正、敬虔的生活,
13miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy, [ Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
13等候那有福的盼望,就是我們偉大的 神,救主耶穌基督榮耀的顯現。
14Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
14他為我們捨己,為的是要救贖我們脫離一切不法的事,並且潔淨我們作他自己的子民,熱心善工。
15Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
15你要傳講這些事,運用各樣的權柄去勸戒人,責備人;不要讓人輕看你。