1[Fananarana ny loholona mba ho malemy fanahy sy ho mahatoky, ary fananarana ny olona rehetra mba hanetry tena sy hitandrina. Vavaka farany sy fanaovam-beloma] Koa ny amin'ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: [ Gr. presbytera]
1Elders who [are] among you, I exhort, who [am] a fellow-elder, and a witness of the sufferings of the Christ, and of the glory about to be revealed a partaker,
2Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy; [ Na: izay andraikitrareo]
2feed the flock of God that [is] among you, overseeing not constrainedly, but willingly, neither for filthy lucre, but of a ready mind,
3tsy ho mpanjakazaka, amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry.
3neither as exercising lordship over the heritages, but patterns becoming of the flock,
4Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
4and at the manifestation of the chief Shepherd, ye shall receive the unfading crown of glory.
5Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). [ Gr. presbytera]
5In like manner, ye younger, be subject to elders, and all to one another subjecting yourselves; with humble-mindedness clothe yourselves, because God the proud doth resist, but to the humble He doth give grace;
6Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro;
6be humbled, then, under the powerful hand of God, that you He may exalt in good time,
7ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22).
7all your care having cast upon Him, because He careth for you.
8Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
8Be sober, vigilant, because your opponent the devil, as a roaring lion, doth walk about, seeking whom he may swallow up,
9tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.
9whom resist, stedfast in the faith, having known the same sufferings to your brotherhood in the world to be accomplished.
10Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
10And the God of all grace, who did call you to His age-during glory in Christ Jesus, having suffered a little, Himself make you perfect, establish, strengthen, settle [you];
11Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
11to Him [is] the glory, and the power — to the ages and the ages! Amen.
12Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an'i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan'Andriamanitra,- tomoera tsara amin'izany ianareo.
12Through Silvanus, to you the faithful brother, as I reckon, through few [words] I did write, exhorting and testifying this to be the true grace of God in which ye have stood.
13Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana.
13Salute you doth the [assembly] in Babylon jointly elected, and Markus my son.
14Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana.
14Salute ye one another in a kiss of love; peace to you all who [are] in Christ Jesus! Amen.