Malagasy

Young`s Literal Translation

1 Peter

4

1Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota; [ Gr.nampitsaharina]
1Christ, then, having suffered for us in the flesh, ye also with the same mind arm yourselves, because he who did suffer in the flesh hath done with sin,
2mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.
2no more in the desires of men, but in the will of God, to live the rest of the time in the flesh;
3Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
3for sufficient to us [is] the past time of life the will of the nations to have wrought, having walked in lasciviousnesses, desires, excesses of wines, revelings, drinking-bouts, and unlawful idolatries,
4ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;
4in which they think it strange — your not running with them to the same excess of dissoluteness, speaking evil,
5nefa hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty
5who shall give an account to Him who is ready to judge living and dead,
6Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.
6for for this also to dead men was good news proclaimed, that they may be judged, indeed, according to men in the flesh, and may live according to God in the spirit.
7Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.
7And of all things the end hath come nigh; be sober-minded, then, and watch unto the prayers,
8Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12)
8and, before all things, to one another having the earnest love, because the love shall cover a multitude of sins;
9Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
9hospitable to one another, without murmuring;
10Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra.
10each, according as he received a gift, to one another ministering it, as good stewards of the manifold grace of God;
11Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,
11if any one doth speak — `as oracles of God;` if any one doth minister — `as of the ability which God doth supply;` that in all things God may be glorified through Jesus Christ, to whom is the glory and the power — to the ages of the ages. Amen.
12[Fananarana mba hiaritra, raha enjehina noho ny fahamarinana] Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,
12Beloved, think it not strange at the fiery suffering among you that is coming to try you, as if a strange thing were happening to you,
13fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.
13but, according as ye have fellowship with the sufferings of the Christ, rejoice ye, that also in the revelation of his glory ye may rejoice — exulting;
14Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
14if ye be reproached in the name of Christ — happy [are ye], because the Spirit of glory and of God upon you doth rest; in regard, indeed, to them, he is evil-spoken of, and in regard to you, he is glorified;
15Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona.
15for let none of you suffer as a murderer, or thief, or evil-doer, or as an inspector into other men`s matters;
16Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy.
16and if as a Christian, let him not be ashamed; and let him glorify God in this respect;
17Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra? [ Gr. tranony]
17because it is the time of the beginning of the judgment from the house of God, and if first from us, what the end of those disobedient to the good news of God?
18Ary "raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota? (Oha 11. 31).Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
18And if the righteous man is scarcely saved, the ungodly and sinner — where shall he appear?
19Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
19so that also those suffering according to the will of god, as to a stedfast Creator, let them commit their own souls in good doing.