1[Ny amin'ny hihemoran'ny sasany, sy fananarana an'i Timoty hazoto hanefa ny anjara-fanompoany] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia,
1And the Spirit expressly speaketh, that in latter times shall certain fall away from the faith, giving heed to seducing spirits and teachings of demons,
2amin'ny fihatsaram-belatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
2in hypocrisy speaking lies, being seared in their own conscience,
3izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.
3forbidding to marry — to abstain from meats that God created to be received with thanksgiving by those believing and acknowledging the truth,
4Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana,
4because every creature of God [is] good, and nothing [is] to be rejected, with thanksgiving being received,
5satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
5for it is sanctified through the word of God and intercession.
6Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin'izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an'i Kristy Jesosy, tezaina amin'ny tenin'ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.
6These things placing before the brethren, thou shalt be a good ministrant of Jesus Christ, being nourished by the words of the faith, and of the good teaching, which thou didst follow after,
7Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra.
7and the profane and old women`s fables reject thou, and exercise thyself unto piety,
8Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
8for the bodily exercise is unto little profit, and the piety is to all things profitable, a promise having of the life that now is, and of that which is coming;
9Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra.
9stedfast [is] the word, and of all acceptation worthy;
10Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
10for for this we both labour and are reproached, because we hope on the living God, who is Saviour of all men — especially of those believing.
11Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
11Charge these things, and teach;
12Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.
12let no one despise thy youth, but a pattern become thou of those believing in word, in behaviour, in love, in spirit, in faith, in purity;
13Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
13till I come, give heed to the reading, to the exhortation, to the teaching;
14Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona. [ Gr. presbytera]
14be not careless of the gift in thee, that was given thee through prophecy, with laying on of the hands of the eldership;
15Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao.Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
15of these things be careful; in these things be, that thy advancement may be manifest in all things;
16Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
16take heed to thyself, and to the teaching; remain in them, for this thing doing, both thyself thou shalt save, and those hearing thee.