1[Ny amin'ny famorian-bola ho an'ny Kristiana malahelo tany Jodia] Ary ampahafantarinay anareo, ry rahalahy, ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena tao amin'ny fiangonana any Makedonia;
1And we make known to you, brethren, the grace of God, that hath been given in the assemblies of Macedonia,
2fa tamin'ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan'ny hafaliany, ary ny hamafin'ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony. [ Gr.halalin'] [ Na: fahafoizany]
2because in much trial of tribulation the abundance of their joy, and their deep poverty, did abound to the riches of their liberality;
3Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany,
3because, according to [their] power, I testify, and above [their] power, they were willing of themselves,
4sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin'izany fanompoana ho an'ny olona masina izany;
4with much entreaty calling on us to receive the favour and the fellowship of the ministration to the saints,
5ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an'ny Tompo aloha, dia ho anay koa noho ny sitrapon'Andriamanitra;
5and not according as we expected, but themselves they did give first to the Lord, and to us, through the will of God,
6ka dia nangataka an'i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
6so that we exhorted Titus, that, according as he did begin before, so also he may finish to you also this favour,
7Fa araka ny itomboanareo amin'ny zavatra rehetra, na amin'ny finoana, na amin'ny teny, na amin'ny fahalalana, na amin'ny fahazotoana rehetra, na amin'ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin'izao fahasoavana izao.
7but even as in every thing ye do abound, in faith, and word, and knowledge, and all diligence, and in your love to us, that also in this grace ye may abound;
8Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon'ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan'ny fitiavanareo koa.
8not according to command do I speak, but because of the diligence of others, and of your love proving the genuineness,
9Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
9for ye know the grace of our Lord Jesus Christ, that because of you he became poor — being rich, that ye by that poverty may become rich.
10Ary dia ambarako izay hevitro ny amin'izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan'ny sasany hatry ny taon-itsy.
10and an opinion in this do I give: for this to you [is] expedient, who not only to do, but also to will, did begin before — a year ago,
11Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay ananareo.
11and now also finish doing [it], that even as [there is] the readiness of the will, so also the finishing, out of that which ye have,
12Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.
12for if the willing mind is present, according to that which any one may have it is well-accepted, not according to that which he hath not;
13Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin'ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany,
13for not that for others release, and ye pressured, [do I speak,]
14fa ny mba hisy fitoviana, ka amin'izao ankehitriny izao ny haben'ny harenareo no hahafaka ny alahelon'ireo, ary ny haben'ny haren'ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana,
14but by equality, at the present time your abundance — for their want, that also their abundance may be for your want, that there may be equality,
15araka ny voasoratra hoe: Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy (Eks. 16. 18).
15according as it hath been written, `He who [did gather] much, had nothing over; and he who [did gather] little, had no lack.`
16Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon'i Titosy ho anareo mitovy amin'ny ahy.
16And thanks to God, who is putting the same diligence for you in the heart of Titus,
17Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo.
17because indeed the exhortation he accepted, and being more diligent, of his own accord he went forth unto you,
18Ary ilay rahalahy izay nalaza amin'ny filazantsara any amin'ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy;
18and we sent with him the brother, whose praise in the good news [is] through all the assemblies,
19ary tsy izany ihany, fa efa notendren'ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon'ny fahazotoanay. [ Na: Nofidina tamin'ny fananganan-tanana] [ ataonay amin'ny fanompoanay]
19and not only so, but who was also appointed by vote by the assemblies, our fellow-traveller, with this favour that is ministered by us, unto the glory of the same Lord, and your willing mind;
20Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin'izao harena be angoninay izao;
20avoiding this, lest any one may blame us in this abundance that is ministered by us,
21fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason'ny Tompo ihany, fa eny imason'ny olona koa.
21providing right things, not only before the Lord, but also before men;
22Ary nirahinay niaraka tamin'ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin'ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben'ny fahatokiany anareo.
22and we sent with them our brother, whom we proved in many things many times being diligent, and now much more diligent, by the great confidence that is toward you,
23Raha ny amin'i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr'i Kristy.[Gr.apostoly]Koa amin'izany asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.
23whether — about Titus — my partner and towards you fellow-worker, whether — our brethren, apostles of assemblies — glory of Christ;
24Koa amin'izany asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.
24the shewing therefore of your love, and of our boasting on your behalf, to them shew ye, even in the face of the assemblies.