Malagasy

Young`s Literal Translation

Amos

8

1[Ny fahitana nentin'Andriamanitra nilaza tamin'i Amosa ny fahantomotry ny loza hanjo ny Isiraely] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.
1Thus hath the Lord Jehovah shewed me, and, lo, a basket of summer-fruit.
2Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy intsony Aho. [Heb. handalo azy]
2And He saith, `What art thou seeing, Amos?` and I say, `A basket of summer-fruit.` And Jehovah saith unto me: `The end hath come unto My people Israel, I do not add any more to pass over to it.
3Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin'izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re! [Na: tempoly]
3And howled have songstresses of a palace in that day, An affirmation of the Lord Jehovah, Many [are] the carcases, into any place throw — hush!
4Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin'ny tany
4Hear this, ye who are swallowing up the needy, To cause to cease the poor of the land,
5Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga
5Saying, When doth the new moon pass, And we sell ground corn? And the sabbath, and we open out pure corn? To make little the ephah, And to make great the shekel, And to use perversely balances of deceit.
6Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?
6To purchase with money the poor, And the needy for a pair of sandals, Yea, the refuse of the pure corn we sell.
7Jehovah nianiana tamin'ny Reharehan'i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!
7Sworn hath Jehovah by the excellency of Jacob: `I forget not for ever any of their works.
8Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an'i Neily sy hihena indray toy ny Neilin'i Egypta.
8For this doth not the land tremble, And mourned hath every dweller in it? And come up as a flood hath all of it. And it hath been cast out, and hath sunk, Like the flood of Egypt.
9Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;
9And it hath come to pass in that day, An affirmation of the Lord Jehovah, I have caused the sun to go in at noon, And caused darkness on the land in a day of light,
10Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy. [Heb. lamba malailay]
10And have turned your festivals to mourning, And all your songs to lamentation, And caused sackcloth to come up on all loins, And on every head — baldness, And made it as a mourning [of] an only one, And its latter end as a day of bitterness.
11Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin'i Jehovah; [Heb. mosary]
11Lo, days are coming, An affirmation of the Lord Jehovah, And I have sent a famine into the land, Not a famine of bread, nor a thirst of water But of hearing the words of Jehovah.
12Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
12And they have wandered from sea unto sea, And from north even unto east, They go to and fro to seek the word of Jehovah, And they do not find.
13Amin'izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
13In that day faint do the fair virgins, And the young men, with thirst.
14Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
14Those swearing by the guilt of Samaria, And have said, Live doth thy god, O Dan, And, Live doth the way of Beer-Sheba, And they have fallen — and rise not again!`