Malagasy

Young`s Literal Translation

Daniel

9

1[Ny vavaka nataon'i Daniela, sy ny teny nolazaina taminy ny amin'ny herinandro fito-polo] Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa, zanak'i Ahasoerosy, avy amin'ny taranaky ny Mediana, izay nampanjakaina tamin'ny fanjakan'ny Kaldeana,
1In the first year of Darius, son of Ahasuerus, of the seed of the Medes, who hath been made king over the kingdom of the Chaldeans,
2tamin'ny taona voalodany nanjakany, izaho Daniela nahalala tamin'ny boky ny isan'ny taona nampahafantarin'ny tenin'i Jehovah an'i Jeremia mpaminany, izay hahataperan'ny fito-polo taona amin'ny hahafoanan'i Jerosalema.
2in the first year of his reign, I, Daniel, have understood by books the number of the years, (in that a word of Jehovah hath been unto Jeremiah the prophet,) concerning the fulfilling of the wastes of Jerusalem — seventy years;
3Ary nampanatrehiko an'Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin'ny fifadian-kanina ny lamba fisaonana ary ny lavenona.[Heb. lamba malailay]
3and I set my face unto the Lord God, to seek [by] prayer and supplications, with fasting, and sackcloth, and ashes.
4Ary nivavaka tamin'i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindram-po ho amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
4And I pray to Jehovah my God, and confess, and say: `I beseech Thee, O Lord God, the great and the fearful, keeping the covenant and the kindness to those loving Him, and to those keeping His commands;
5efa nanota izahay sady nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, efa niala tamin'ny didinao sy ny fitsipikao izahay,
5we have sinned, and done perversely, and done wickedly, and rebelled, to turn aside from Thy commands, and from Thy judgments:
6ary tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny razanay ary ny vahoaka rehetra.
6and we have not hearkened unto Thy servants, the prophets, who have spoken in Thy name unto our kings, our heads, and our fathers, and to all the people of the land.
7Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa anay kosa ny fangaihaizana, tahaka ny amin'izao anio izao, dia an'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ary ny Isiraely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, dia any amin'ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoany izay nandisoany taminao;
7`To Thee, O Lord, [is] the righteousness, and to us the shame of face, as [at] this day, to the men of Judah, and to the inhabitants of Jerusalem, and to all Israel, who are near, and who are far off, in all the lands whither Thou hast driven them, in their trespass that they have trespassed against Thee.
8eny, anay ny fangaihaizana, Tompo ô, dia an'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay.
8`O Lord, to us [is] the shame of face, to our kings, to our heads, and to our fathers, in that we have sinned against Thee.
9An'ny Tompo Andriamanitray kosa ny famindram-po sy ny famelan-keloka, satria efa niodina taminy izahay
9`To the Lord our God [are] the mercies and the forgivenesses, for we have rebelled against Him,
10ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay.
10and have not hearkened to the voice of Jehovah our God, to walk in His laws, that He hath set before us by the hand of His servants the prophets;
11Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.
11and all Israel have transgressed Thy law, to turn aside so as not to hearken to Thy voice; and poured on us is the execration, and the oath, that is written in the law of Moses, servant of God, because we have sinned against Him.
12Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin'ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema.
12`And He confirmeth His words that He hath spoken against us, and against our judges who have judged us, to bring in upon us great evil, in that it hath not been done under the whole heavens as it hath been done in Jerusalem,
13Araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy no nahatongavan'izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin'ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao.
13as it is written in the law of Moses, all this evil hath come upon us, and we have not appeased the face of Jehovah our God to turn back from our iniquities, and to act wisely in Thy truth.
14Koa izany no nitehirizan'i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah Andriamanitray amin'ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihaino ny feony.
14And Jehovah doth watch for the evil, and bringeth it upon us, for righteous [is] Jehovah our God concerning all His works that He hath done, and we have not hearkened to His voice.
15Koa ankehitriny, Tompo Andriamanitray ô, Izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny tanana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao, efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay.
15And now, O Lord our God, who hast brought forth Thy people from the land of Egypt by a strong hand, and dost make for Thee a name as at this day, we have sinned, we have done wickedly.
16Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin'i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masina, fa ny helokay sy ny fahotan'ny razanay no nahatonga an'i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin'izay rehetra manodidina anay.
16`O Lord, according to all Thy righteous acts, let turn back, I pray Thee, Thine anger and Thy fury from Thy city Jerusalem, Thy holy mount, for by our sins, and by the iniquities of our fathers, Jerusalem and Thy people [are] for a reproach to all our neighbours;
17Fa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fifonany, ary ampamirapirato ny tavanao amin'ny fitoeranao masina izay efa foana, satria Tompo Hianao.
17and now, hearken, O our God, unto the prayer of Thy servant, and unto his supplication, and cause Thy face to shine on Thy sanctuary that [is] desolate, for the Lord`s sake.
18Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin'ny anaranao; fa tsy amin'ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin'ny halehiben'ny indrafonao.
18`Incline, O my God, Thine ear, and hear, open Thine eyes and see our desolations, and the city on which Thy name is called; for not for our righteous acts are we causing our supplications to fall before Thee, but for Thy mercies that [are] many.
19Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin'ny anaranao.
19O lord, hear, O Lord, forgive; O Lord, attend and do; do not delay, for Thine own sake, O my God, for Thy name is called on Thy city, and on Thy people.`
20Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin'ny fahotan'ny Isiraely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitro ho an'ny tendrombohitra masin'Andriamanitro,
20And while I am speaking, and praying, and confessing my sin, and the sin of my people Israel, and causing my supplication to fall before Jehovah my God, for the holy mount of my God,
21eny, raha mbola niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin'ny fahitana voalohany, dia nampanidinina faingana ka nanatona ahy tokony ho tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.
21yea, while I am speaking in prayer, then that one Gabriel, whom I had seen in vision at the commencement, being caused to fly swiftly, is coming unto me at the time of the evening present.
22Ary izy nampahalala ahy sy niresaka tamiko ka nanao hoe: Ry Daniela ô, avy hampahazava saina anao aho.
22And he giveth understanding, and speaketh with me, and saith, `O Daniel, now I have come forth to cause thee to consider understanding wisely;
23Tamin'ny niantombohan'ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana.
23at the commencement of thy supplications hath the word come forth, and I have come to declare [it], for thou [art] greatly desired, and understand thou concerning the matter, and consider concerning the appearance.
24Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masina indrindra.[Heb. hanisy tombo-kase][Heb. mpaminany]
24`Seventy weeks are determined for thy people, and for thy holy city, to shut up the transgression, and to seal up sins, and to cover iniquity, and to bring in righteousness age-during, and to seal up vision and prophet, and to anoint the holy of holies.
25Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory.[Na: ilay andriana voahosotra][Na: ary amin'ny herinandro roa amby enim-polo, dia etc]
25And thou dost know, and dost consider wisely, from the going forth of the word to restore and to build Jerusalem till Messiah the Leader [is] seven weeks, and sixty and two weeks: the broad place hath been built again, and the rampart, even in the distress of the times.
26Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava. [Na: eo an-tampon'][Na: ny efa lao]
26And after the sixty and two weeks, cut off is Messiah, and the city and the holy place are not his, the Leader who hath come doth destroy the people; and its end [is] with a flood, and till the end [is] war, determined [are] desolations.
27Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava. [Na: eo an-tampon'][Na: ny efa lao]
27And he hath strengthened a covenant with many — one week, and [in] the midst of the week he causeth sacrifice and present to cease, and by the wing of abominations he is making desolate, even till the consummation, and that which is determined is poured on the desolate one.`