1Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza;
1And I say, so long time as the heir is a babe, he differeth nothing from a servant — being lord of all,
2fa fehezin'izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy.
2but is under tutors and stewards till the time appointed of the father,
3Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao;
3so also we, when we were babes, under the elements of the world were in servitude,
4fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna,
4and when the fulness of time did come, God sent forth His Son, come of a woman, come under law,
5hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka.
5that those under law he may redeem, that the adoption of sons we may receive;
6Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.
6and because ye are sons, God did send forth the spirit of His Son into your hearts, crying, `Abba, Father!`
7Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.
7so that thou art no more a servant, but a son, and if a son, also an heir of God through Christ.
8Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
8But then, indeed, not having known God, ye were in servitude to those not by nature gods,
9fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra ianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
9and now, having known God — and rather being known by God — how turn ye again unto the weak and poor elements to which anew ye desire to be in servitude?
10Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
10days ye observe, and months, and times, and years!
11Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
11I am afraid of you, lest in vain I did labour toward you.
12Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
12Become as I [am] — because I also [am] as ye brethren, I beseech you; to me ye did no hurt,
13nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay voalohany;
13and ye have known that through infirmity of the flesh I did proclaim good news to you at the first,
14ary ny teo amin'ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza.
14and my trial that [is] in my flesh ye did not despise nor reject, but as a messenger of God ye did receive me — as Christ Jesus;
15Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
15what then was your happiness? for I testify to you, that if possible, your eyes having plucked out, ye would have given to me;
16Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
16so that your enemy have I become, being true to you?
17Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
17they are zealous for you — [yet] not well, but they wish to shut us out, that for them ye may be zealous;
18Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
18and [it is] good to be zealously regarded, in what is good, at all times, and not only in my being present with you;
19Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo,
19my little children, of whom again I travail in birth, till Christ may be formed in you,
20enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
20and I was wishing to be present with you now, and to change my voice, because I am in doubt about you.
21Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin'ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
21Tell me, ye who are willing to be under law, the law do ye not hear?
22fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo.
22for it hath been written, that Abraham had two sons, one by the maid-servant, and one by the free-woman,
23Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana.
23but he who [is] of the maid-servant, according to flesh hath been, and he who [is] of the free-woman, through the promise;
24Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany.
24which things are allegorized, for these are the two covenants: one, indeed, from mount Sinai, to servitude bringing forth, which is Hagar;
25Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany. [ Na: (Fa)]
25for this Hagar is mount Sinai in Arabia, and doth correspond to the Jerusalem that now [is], and is in servitude with her children,
26Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
26and the Jerusalem above is the free-woman, which is mother of us all,
27Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manana-bady (Isa. 54. 1).
27for it hath been written, `Rejoice, O barren, who art not bearing; break forth and cry, thou who art not travailing, because many [are] the children of the desolate — more than of her having the husband.`
28Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'isaka.
28And we, brethren, as Isaac, are children of promise,
29Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
29but as then he who was born according to the flesh did persecute him according to the spirit, so also now;
30Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? Roahy io andevo-vavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo (Gen. 21. 10).Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
30but what saith the Writing? `Cast forth the maid-servant and her son, for the son of the maid-servant may not be heir with the son of the free-woman;`
31Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.
31then, brethren, we are not a maid-servant`s children, but the free-woman`s.