1[Teny fampibebahana ny Isiraely] Masìna ianareo, mihainoa izay lazain'i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren'ny havoana ny feonao.
1Hear, I pray you, that which Jehovah is saying: `Rise — strive thou with the mountains, And cause thou the hills to hear thy voice.`
2Mihainoa ny adin'i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan'ny tany; Fa Jehovah manana ady amin'ny olony, Eny, amin'ny Isiraely no ifandaharany.
2Hear, O mountains, the strife of Jehovah, Ye strong ones — foundations of earth! For a strife [is] to Jehovah, with His people, And with Israel He doth reason.
3Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
3O My people, what have I done to thee? And what — have I wearied thee? Testify against Me.
4Fa nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin'ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.
4For I brought thee up from the land of Egypt, And from the house of servants I have ransomed thee, And I send before thee Moses, Aaron, and Miriam.
5Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon'i Balaka, mpanjakan'i Moaba, Sy izay navalin'i Balama, zanak'i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon'i Jehovah.
5O My people, remember, I pray you, What counsel did Balak king of Moab, What answer him did Balaam son of Beor, (From Shittim unto Gilgal,) In order to know the righteous acts of Jehovah.`
6Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
6With what do I come before Jehovah? Do I bow to God Most High? Do I come before Him with burnt-offerings? With calves — sons of a year?
7Ho sitrak'i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan'ny fanahiko?
7Is Jehovah pleased with thousands of rams? With myriads of streams of oil? Do I give my first-born [for] my transgression? The fruit of my body [for] the sin of my soul?
8Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena
8He hath declared to thee, O man, what [is] good; Yea, what is Jehovah requiring of thee, Except — to do judgment, and love kindness, And lowly to walk with thy God?
9Manaitra ny tanàna ny feon'i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.[Heb. ny fahendrena; na: ary fahendrena no kendren'ny anaranao]
9A voice of Jehovah to the city calleth, And wisdom doth fear Thy name, Hear ye the rod, and Him who appointed it.
10Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon'ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona? [Heb. efaha]
10Are there yet [in] the house of the wicked Treasures of wickedness, And the abhorred scanty ephah?
11Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina?
11Do I reckon [it] pure with balances of wickedness? And with a bag of deceitful stones?
12Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.
12Whose rich ones have been full of violence, And its inhabitants have spoken falsehood, And their tongue [is] deceitful in their mouth.
13Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin'ny fandringanako anao noho ny helokao.
13And I also, I have begun to smite thee, To make desolate, because of thy sins.
14Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin'ny sabatra.
14Thou — thou eatest, and thou art not satisfied, And thy pit [is] in thy midst, And thou removest, and dost not deliver, And that which thou deliverest, to a sword I give.
15Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay;Fa fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo.
15Thou — thou sowest, and thou dost not reap, Thou — thou treadest the olive, And thou pourest not out oil, And new wine — and thou drinkest not wine.
16Fa fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo.
16And kept habitually are the statutes of Omri, And all the work of the house of Ahab, And ye do walk in their counsels, For My giving thee for a desolation, And its inhabitants for a hissing, And the reproach of My people ye do bear!