1Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
1And it cometh to pass, when the wall hath been built, that I set up the doors, and the gatekeepers are appointed, and the singers, and the Levites,
2dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
2and I charge Hanani my brother, and Hananiah head of the palace, concerning Jerusalem — for he [is] as a man of truth, and fearing God above many —
3Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.
3and I say to them, `Let not the gates of Jerusalem be opened till the heat of the sun, and while they are standing by let them shut the doors, and fasten, and appoint guards of the inhabitants of Jerusalem, each in his guard, and each over-against his house.`
4Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano.
4And the city [is] broad on both sides, and great, and the people [are] few in its midst, and there are no houses builded;
5Ary nomen'Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan'izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
5and my God putteth it unto my heart, and I gather the freeman, and the prefects, and the people, for the genealogy, and I find a book of the genealogy of those coming up at the beginning, and I find written in it: —
6Izao no lehilahy amin'izany tany izany, izay niakatra avy tamin'ny fahababoana, dia ireo nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
6These [are] sons of the province, those coming up of the captives of the removal that Nebuchadnezzar king of Babylon removed — and they turn back to Jerusalem and to Judah, each to his city —
7dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao:
7who are coming in with Zerubbabel, Jeshua, Nehemiah, Azariah, Raamiah, Nahamani, Mordecai, Bilshan, Mispereth, Bigvai, Nehum, Baanah. Number of the men of the people of Israel:
8Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
8Sons of Parosh: two thousand a hundred and seventy and two.
9ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
9Sons of Shephatiah: three hundred seventy and two.
10ny taranak'i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;
10Sons of Arah: six hundred fifty and two.
11ny taranak'i Pahatamoaba, dia avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
11Sons of Pahath-Moab, of the sons of Jeshua and Joab: two thousand and eight hundred [and] eighteen.
12ny taranak'i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
12Sons of Elam: a thousand two hundred fifty and four.
13ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;
13Sons of Zattu: eight hundred forty and five.
14ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
14Sons of Zaccai: seven hundred and sixty.
15ny taranak'i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;
15Sons of Binnui: six hundred forty and eight.
16ny taranak'i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;
16Sons of Bebai: six hundred twenty and eight.
17ny taranak'Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo;
17Sons of Azgad: two thousand three hundred twenty and two.
18ny zanak'i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato;
18Sons of Adonikam: six hundred sixty and seven.
19ny taranak'i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo;
19Sons of Bigvai: two thousand sixty and seven.
20ny taranak'i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato;
20Sons of Adin: six hundred fifty and five.
21ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
21Sons of Ater of Hezekiah: ninety and eight.
22ny taranak'i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato;
22Sons of Hashum: three hundred twenty and eight.
23ny taranak'i Bezay dia efatra amby roa-polo amby telon-jato;
23Sons of Bezai: three hundred twenty and four.
24ny taranak'i Harifa dia roa ambin'ny folo amby zato;
24Sons of Hariph: a hundred [and] twelve.
25ny taranak'i Gibeona dia dimy amby sivi-folo.
25Sons of Gibeon: ninety and five.
26Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato;
26Men of Beth-Lehem and Netophah: a hundred eighty and eight.
27ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
27Men of Anathoth: a hundred twenty and eight.
28ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;
28Men of Beth-Azmaveth: forty and two.
29ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
29Men of Kirjath-Jearim, Chephirah, and Beeroth: seven hundred forty and three.
30ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
30Men of Ramah and Gaba: six hundred twenty and one.
31ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
31Men of Michmas: a hundred and twenty and two.
32ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato;
32Men of Bethel and Ai: a hundred twenty and three.
33ny mponina tany amin'ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo;
33Men of the other Nebo: fifty and two.
34ny zanak'ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
34Sons of the other Elam: a thousand two hundred fifty and four.
35ny zanak'i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
35Sons of Harim: three hundred and twenty.
36ny zanak'i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
36Sons of Jericho: three hundred forty and five.
37ny zanak'i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato;
37Sons of Lod, Hadid, and Ono: seven hundred and twenty and one.
38ny zanak'i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo.
38Sons of Senaah: three thousand nine hundred and thirty.
39Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
39The priests: sons of Jedaiah: of the house of Jeshua: nine hundred seventy and three;
40ny taranak'Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo;
40sons of Immer: a thousand fifty and two;
41ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
41sons of Pashur: a thousand two hundred forty and seven;
42ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo.
42sons of Harim: a thousand and seventeen.
43Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny zanak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
43The Levites: sons of Jeshua, of Kadmiel: of sons of Hodevah: seventy and four.
44Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak'i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato.
44The singers: sons of Asaph: a hundred forty and eight.
45Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato.
45The gatekeepers: sons of Shallum, sons of Ater, sons of Talmon, sons of Akkub, sons of Hatita, sons of Shobai: a hundred thirty and eight.
46Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,
46The Nethinim: sons of Ziha, sons of Hasupha, sons of Tabbaoth,
47ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Sia, ny taranak'i Padona,
47sons of Keros, sons of Sia, sons of Padon,
48ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay,
48sons of Lebanah, sons of Hagaba, sons of Shalmai,
49ny taranak'i Hanana, ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara,
49sons of Hanan, sons of Giddel, sons of Gahar,
50ny taranak'i Reaia, ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda,
50sons of Reaiah, sons of Rezin, sons of Nekoda,
51ny taranak'i Gazama, ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea,
51sons of Gazzam, sons of Uzza, sons of Phaseah,
52ny taranak'i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
52sons of Bezai, sons of Meunim, sons of Nephishesim,
53ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakafa, ny taranak'i Harora,
53sons of Bakbuk, sons of Hakupha, sons of Harhur,
54ny taranak'i Bazlita, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa,
54sons of Bazlith, sons of Mehida, sons of Harsha,
55ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema,
55sons of Barkos, sons of Sisera, sons of Tamah,
56ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa.
56sons of Neziah, sons of Hatipha.
57Ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona koa dia izao: Ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny zanak'i Perida,
57Sons of the servants of Solomon: sons of Sotai, sons of Sophereth, sons of Perida,
58ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela,
58sons of Jaala, sons of Darkon, sons of Giddel,
59ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amona.
59sons of Shephatiah, sons of Hattil, sons of Pochereth of Zebaim, sons of Amon.
60Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
60All the Nethinim and the sons of the servants of Solomon [are] three hundred ninety and two.
61Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin'ny Isiraely na tsia, izy):
61And these [are] those coming up from Tel-Melah, Tel-Harsha, Cherub, Addon, and Immer — and they have not been able to declare the house of their fathers, and their seed, whether they [are] of Israel —
62ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.
62sons of Delaiah, sons of Tobiah, sons of Nekoda, six hundred forty and two.
63Ary ny avy tamin'ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Hobaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.
63And of the priests: sons of Habaiah sons of Koz, sons of Barzillai, who hath taken from the daughters of Barzillai the Gileadite a wife, and is called by their name.
64Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana.
64These have sought their register among those reckoning themselves by genealogy, and it hath not been found, and they are redeemed from the priesthood,
65Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
65and the Tirshatha saith to them that they eat not of the most holy things till the standing up of the priest with Urim and Thummim.
66Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
66All the assembly together [is] four myriads two thousand three hundred and sixty,
67afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy;
67apart from their servants and their handmaids — these [are] seven thousand three hundred thirty and seven; and of them [are] singers and songstresses, two hundred forty and five.
68ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
68Their horses [are] seven hundred thirty and six; their mules, two hundred [and] forty and five;
69ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
69camels, four hundred thirty and five; asses, six thousand seven hundred and twenty.
70Ary ny sasany tamin'ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin'ny rakitra.
70And from the extremity of the heads of the fathers they have given to the work; the Tirshatha hath given to the treasure, of gold, drams a thousand, bowls fifty, priests` coats thirty and five hundred.
71Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin'ny rakitra hanaovana ny asa.
71And of the heads of the fathers they have given to the treasure of the work, of gold, drams two myriads, and of silver, pounds two thousand and two hundred.
72Ary izay nomen'ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin'ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.
72And that which the rest of the people have given [is] of gold, drams two myriads, and of silver, pounds two thousand, and of priests coats, sixty and seven.
73Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin'ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.
73And they dwell — the priests, and the Levites, and the gatekeepers, and the singers, and [some] of the people, and the Nethinim, and all Israel — in their cities, and the seventh month cometh, and the sons of Israel [are] in their cities.