Malagasy

Young`s Literal Translation

Proverbs

23

1Raha mipetraka hiara-komana amin'ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,[Na: anoloanao]
1When thou sittest to eat with a ruler, Thou considerest diligently that which [is] before thee,
2Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
2And thou hast put a knife to thy throat, If thou [art] a man of appetite.
3Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
3Have no desire to his dainties, seeing it [is] lying food.
4Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin'izany ny fahendrenao.
4Labour not to make wealth, From thine own understanding cease, Dost thou cause thine eyes to fly upon it? Then it is not.
5Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra.
5For wealth maketh to itself wings, As an eagle it flieth to the heavens.
6Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
6Eat not the bread of an evil eye, And have no desire to his dainties,
7Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
7For as he hath thought in his soul, so [is] he, `Eat and drink,` saith he to thee, And his heart [is] not with thee.
8Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
8Thy morsel thou hast eaten thou dost vomit up, And hast marred thy words that [are] sweet.
9Aza miteny amin'91 ny adala;Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao.[Heb. an-tsofin']
9In the ears of a fool speak not, For he treadeth on the wisdom of thy words.
10Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin'ny sahan'ny kamboty;[Heb. miditra amin']
10Remove not a border of olden times, And into fields of the fatherless enter not,
11Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao.
11For their Redeemer [is] strong, He doth plead their cause with thee.
12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
12Bring in to instruction thy heart, And thine ear to sayings of knowledge.
13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; [Na: Fa tsy ho faty izy, raha asianao ny hazo]
13Withhold not from a youth chastisement, When thou smitest him with a rod he dieth not.
14Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.[Heb. Sheola]
14Thou with a rod smitest him, And his soul from Sheol thou deliverest.
15Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
15My son, if thy heart hath been wise, My heart rejoiceth, even mine,
16Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.[Heb. voako]
16And my reins exult when thy lips speak uprightly.
17Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro;
17Let not thy heart be envious at sinners, But — in the fear of Jehovah all the day.
18Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
18For, is there a posterity? Then thy hope is not cut off.
19Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny lalana ny fonao.
19Hear thou, my son, and be wise, And make happy in the way thy heart,
20Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
20Be not thou among quaffers of wine, Among gluttonous ones of flesh,
21Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
21For the quaffer and glutton become poor, And drowsiness clotheth with rags.
22Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
22Hearken to thy father, who begat thee, And despise not thy mother when she hath become old.
23Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
23Truth buy, and sell not, Wisdom, and instruction, and understanding,
24Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
24The father of the righteous rejoiceth greatly, The begetter of the wise rejoiceth in him.
25Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
25Rejoice doth thy father and thy mother, Yea, she that bare thee is joyful.
26Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;[Na: Ary aoka ny masonao handinika ny lalako]
26Give, my son, thy heart to me, And let thine eyes watch my ways.
27Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ; [Heb. vehivavy tsy vadiny]
27For a harlot [is] a deep ditch, And a strange woman [is] a strait pit.
28Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
28She also, as catching prey, lieth in wait, And the treacherous among men she increaseth.
29An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena? [Na: manjambena]
29Who hath wo? who hath sorrow? Who hath contentions? who hath plaint? Who hath wounds without cause? Who hath redness of eyes?
30An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
30Those tarrying by the wine, Those going in to search out mixed wine.
31Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;[Heb. kapoaka]
31See not wine when it showeth itself red, When it giveth in the cup its colour, It goeth up and down through the upright.
32Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
32Its latter end — as a serpent it biteth, And as a basilisk it stingeth.
33Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.[Heb. vehivavy tsy vadiny][Na: Ny masonao hahita zavatra hafahafa, Ary ny fonao hirediredy foana]
33Thine eyes see strange women, And thy heart speaketh perverse things.
34Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo.Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
34And thou hast been as one lying down in the heart of the sea, And as one lying down on the top of a mast.
35Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
35`They smote me, I have not been sick, They beat me, I have not known. When I awake — I seek it yet again!`