Malagasy

Young`s Literal Translation

Proverbs

22

1Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
1A name is chosen rather than much wealth, Than silver and than gold — good grace.
2Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.
2Rich and poor have met together, The Maker of them all [is] Jehovah.
3Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
3The prudent hath seen the evil, and is hidden, And the simple have passed on, and are punished.
4Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
4The end of humility [is] the fear of Jehovah, Riches, and honour, and life.
5Tsilo sy fandrika no amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
5Thorns — snares [are] in the way of the perverse, Whoso is keeping his soul is far from them.
6Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.
6Give instruction to a youth about his way, Even when he is old he turneth not from it.
7Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra.
7The rich over the poor ruleth, And a servant [is] the borrower to the lender.
8Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon'ny fahatezerany.
8Whoso is sowing perverseness reapeth sorrow, And the rod of his anger weareth out.
9Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny.
9The good of eye — he is blessed, For he hath given of his bread to the poor.
10Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
10Cast out a scorner — and contention goeth out, And strife and shame cease.
11Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy.
11Whoso is loving cleanness of heart, Grace [are] his lips, a king [is] his friend.
12Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany.
12The eyes of Jehovah have kept knowledge, And He overthroweth the words of the treacherous.
13Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin'ny sasany any an-dalambe aho.
13The slothful hath said, `A lion [is] without, In the midst of the broad places I am slain.`
14Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.[Heb. vehivavy tsy vadiny]
14A deep pit [is] the mouth of strange women, The abhorred of Jehovah falleth there.
15Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
15Folly is bound up in the heart of a youth, The rod of chastisement putteth it far from him.
16Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
16He is oppressing the poor to multiply to him, He is giving to the rich — only to want.
17[Ohabolana ny amin'ny fahamarinana sy ny fitondran-tenan'ny hendry] Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
17Incline thine ear, and hear words of the wise, And thy heart set to my knowledge,
18Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao.
18For they are pleasant when thou dost keep them in thy heart, They are prepared together for thy lips.
19Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah.
19That thy trust may be in Jehovah, I caused thee to know to-day, even thou.
20Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
20Have I not written to thee three times With counsels and knowledge?
21Mba hampahafantariko ny fahamarinan'ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin'izay naniraka anao?
21To cause thee to know the certainty of sayings of truth, To return sayings of truth to those sending thee.
22Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
22Rob not the poor because he [is] poor, And bruise not the afflicted in the gate.
23Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin'ny adiny. Ary hanimba ny ain'izay manimba azy.
23For Jehovah pleadeth their cause, And hath spoiled the soul of their spoilers.
24Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina,
24Shew not thyself friendly with an angry man, And with a man of fury go not in,
25Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao.
25Lest thou learn his paths, And have received a snare to thy soul.
26Aza mety ho isan'ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;
26Be not thou among those striking hands, Among sureties [for] burdens.
27Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?
27If thou hast nothing to pay, Why doth he take thy bed from under thee?
28Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin'ny razanao.Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va ianao? Eo anatrehan'ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy.
28Remove not a border of olden times, That thy fathers have made.
29Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va ianao? Eo anatrehan'ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy.
29Hast thou seen a man speedy in his business? Before kings he doth station himself, He stations not himself before obscure men!