1Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
1The wicked have fled and there is no pursuer. And the righteous as a young lion is confident.
2Ny fahotan'ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian'ny olona manan-tsaina kosa no mampahateza ny fanjakana. [Na: fikomian'][Na: manan-tsaina sady mahalala rariny][Na: Fa noho ny manan-tsaina no haharetan'ny fahamarinana]
2By the transgression of a land many [are] its heads. And by an intelligent man, Who knoweth right — it is prolonged.
3Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
3A man — poor and oppressing the weak, [Is] a sweeping rain, and there is no bread.
4Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin'ny fanoherana azy.
4Those forsaking the law praise the wicked, Those keeping the law plead against them.
5Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an'i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.
5Evil men understand not judgment, And those seeking Jehovah understand all.
6Ny malahelo izay mandeha amin'ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika.
6Better [is] the poor walking in his integrity, Than the perverse of ways who is rich.
7Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin'ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
7Whoso is keeping the law is an intelligent son, And a friend of gluttons, Doth cause his father to blush.
8Izay mampitombo ny fananany amin'ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an'izay miantra ny malahelo
8Whoso is multiplying his wealth by biting and usury, For one favouring the poor doth gather it.
9Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
9Whoso is turning his ear from hearing the law, Even his prayer [is] an abomination.
10Izay mampivily ny mahitsy ho amin'ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin'ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
10Whoso is causing the upright to err in an evil way, Into his own pit he doth fall, And the perfect do inherit good.
11Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
11A rich man is wise in his own eyes, And the intelligent poor searcheth him.
12Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.[Na. mitsangana]
12In the exulting of the righteous the glory [is] abundant, And in the rising of the wicked man is apprehensive.
13Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
13Whoso is covering his transgressions prospereth not, And he who is confessing and forsaking hath mercy.
14Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
14O the happiness of a man fearing continually, And whoso is hardening his heart falleth into evil.
15Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin'ny olona reraka.
15A growling lion, and a ranging bear, [Is] the wicked ruler over a poor people.
16Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
16A leader lacking understanding multiplieth oppressions, Whoso is hating dishonest gain prolongeth days.
17Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
17A man oppressed with the blood of a soul, Unto the pit fleeth, none taketh hold on him.
18Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.
18Whoso is walking uprightly is saved, And the perverted of ways falleth at once.
19Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa.[Na: zava-poana]
19Whoso is tilling his ground is satisfied [with] bread, And whoso is pursuing vanity, Is filled [with] poverty.
20Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
20A stedfast man hath multiplied blessings, And whoso is hasting to be rich is not acquitted.
21Tsy mety raha mizaha tavan'olona; Kanefa na dia amin'ny sombin-kanina ihany aza dia sahin'ny olona hanotana.
21To discern faces is not good, And for a piece of bread doth a man transgress.
22Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
22Troubled for wealth [is] the man [with] an evil eye, And he knoweth not that want doth meet him.
23Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin'ny lelany.
23Whoso is reproving a man afterwards findeth grace, More than a flatterer with the tongue.
24Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman'ny mpanimba.
24Whoso is robbing his father, or his mother, And is saying, `It is not transgression,` A companion he is to a destroyer.
25Izay mierina manetsika ady; Fa izay matoky an'i Jehovah dia hohatavezina.[Na: miavonavona am-po]
25Whoso is proud in soul stirreth up contention, And whoso is trusting on Jehovah is made fat.
26Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin'ny fahendrena no ho afa-miala.
26Whoso is trusting in his heart is a fool, And whoso is walking in wisdom is delivered.
27Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.[Na: mitsangana]
27Whoso is giving to the poor hath no lack, And whoso is hiding his eyes multiplied curses.
28Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.[Na: mitsangana]
28In the rising of the wicked a man is hidden, And in their destruction the righteous multiply!