1[Fananarana tsy hijejojejo] Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny fahalalako,
1My son! to my wisdom give attention, To mine understanding incline thine ear,
2Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman'ny molotrao ny fahalalana.
2To observe thoughtfulness, And knowledge do thy lips keep.
3Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;[Heb. vehivavy tsy vadiny]
3For the lips of a strange woman drop honey, And smoother than oil [is] her mouth,
4Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
4And her latter end [is] bitter as wormwood, Sharp as a sword [with] mouths.
5Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola]
5Her feet are going down to death, Sheol do her steps take hold of.
6Tsy mahazo mandia ny lalan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.
6The path of life — lest thou ponder, Moved have her paths — thou knowest not.
7Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin'ny teny aloaky ny vavako.
7And now, ye sons, hearken to me, And turn not from sayings of my mouth.
8Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony;
8Keep far from off her thy way, And come not near unto the opening of her house,
9Fandrao omenao ho an'ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an'izay lozabe;
9Lest thou give to others thy honour, And thy years to the fierce,
10Fandrao hivokisan'ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon'ny vahiny;
10Lest strangers be filled [with] thy power, And thy labours in the house of a stranger,
11Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
11And thou hast howled in thy latter end, In the consumption of thy flesh and thy food,
12Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
12And hast said, `How have I hated instruction, And reproof hath my heart despised,
13Ka tsy nihaino ny tenin'ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
13And I have not hearkened to the voice of my directors, And to my teachers have not inclined mine ear.
14Efa saiky azon'ny ratsy rehetra aho Tao amin'ny fiangonana sy ny fivoriana.
14As a little thing I have been all evil, In the midst of an assembly and a company.
15Misotroa rano avy amin'ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin'ny fantsakanao.
15Drink waters out of thine own cistern, Even flowing ones out of thine own well.
16Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin'ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?
16Let thy fountains be scattered abroad, In broad places rivulets of waters.
17Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin'ny hafa.
17Let them be to thee for thyself, And not to strangers with thee.
18Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao.
18Let thy fountain be blessed, And rejoice because of the wife of thy youth,
19Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny fitiavany ianao.
19A hind of loves, and a roe of grace! Let her loves satisfy thee at all times, In her love magnify thyself continually.
20Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga? [Heb. vehivavy tsy vadiny]
20And why dost thou magnify thyself, My son, with a stranger? And embrace the bosom of a strange woman?
21Fa eo imason'i Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
21For over-against the eyes of Jehovah are the ways of each, And all his paths He is pondering.
22Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana azyMaty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.
22His own iniquities do capture the wicked, And with the ropes of his sin he is holden.
23Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.
23He dieth without instruction, And in the abundance of his folly magnifieth himself!