1[Ny tsy mahamety ny miantoka olona sy ny hakamoana sy ny fitaka sy ny avonavona; ary ny zavatra fito loha izay halan'i Jehovah] Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,
1My son! if thou hast been surety for thy friend, Hast stricken for a stranger thy hand,
2Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
2Hast been snared with sayings of thy mouth, Hast been captured with sayings of thy mouth,
3Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan'ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao.
3Do this now, my son, and be delivered, For thou hast come into the hand of thy friend. Go, trample on thyself, and strengthen thy friend,
4Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
4Give not sleep to thine eyes, And slumber to thine eyelids,
5Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin'ny tanan'ny mpamandrika.[Izahao 2 Sam. ii.18]
5Be delivered as a roe from the hand, And as a bird from the hand of a fowler.
6Mandehana any amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
6Go unto the ant, O slothful one, See her ways and be wise;
7Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
7Which hath not captain, overseer, and ruler,
8Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano.
8She doth prepare in summer her bread, She hath gathered in harvest her food.
9Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao ianao?
9Till when, O slothful one, dost thou lie? When dost thou arise from thy sleep?
10Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
10A little sleep, a little slumber, A little clasping of the hands to rest,
11Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
11And thy poverty hath come as a traveller, And thy want as an armed man.
12Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
12A man of worthlessness, a man of iniquity, Walking [with] perverseness of mouth,
13Izay mami-maso sy manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany;
13Winking with his eyes, speaking with his feet, Directing with his fingers,
14Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
14Frowardness [is] in his heart, devising evil at all times, Contentions he sendeth forth.
15Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
15Therefore suddenly cometh his calamity, Instantly he is broken — and no healing.
16Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:
16These six hath Jehovah hated, Yea, seven [are] abominations to His soul.
17Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,
17Eyes high — tongues false — And hands shedding innocent blood —
18Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
18A heart devising thoughts of vanity — Feet hasting to run to evil —
19Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy.
19A false witness [who] doth breathe out lies — And one sending forth contentions between brethren.
20[Fananarana hankatò tsara ny ana-dray aman-dreny mba hifady ny fifangajangana] Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
20Keep, my son, the command of thy father, And leave not the law of thy mother.
21Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
21Bind them on thy heart continually, Tie them on thy neck.
22Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
22In thy going up and down, it leadeth thee, In thy lying down, it watcheth over thee, And thou hast awaked — it talketh [with] thee.
23Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan'aina ny anatra famaizana,
23For a lamp [is] the command, And the law a light, And a way of life [are] reproofs of instruction,
24Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga. [Heb. lelam-bahiny]
24To preserve thee from an evil woman, From the flattery of the tongue of a strange woman.
25Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy.
25Desire not her beauty in thy heart, And let her not take thee with her eyelids.
26Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa.
26For a harlot consumeth unto a cake of bread, And an adulteress the precious soul hunteth.
27Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
27Doth a man take fire into his bosom, And are his garments not burnt?
28Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
28Doth a man walk on the hot coals, And are his feet not scorched?
29Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
29So [is] he who hath gone in unto the wife of his neighbour, None who doth touch her is innocent.
30Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
30They do not despise the thief, When he stealeth to fill his soul when he is hungry,
31Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.[Na: Ny olona tsy manome tsiny ny mpangalatra, noana; Nefa]
31And being found he repayeth sevenfold, All the substance of his house he giveth.
32Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
32He who committeth adultery [with] a woman lacketh heart, He is destroying his soul who doth it.
33Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra.
33A stroke and shame he doth find, And his reproach is not wiped away,
34Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany.Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.[Heb. avotra]
34For jealousy [is] the fury of a man, And he doth not spare in a day of vengeance.
35Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.[Heb. avotra]
35He accepteth not the appearance of any atonement, Yea, he doth not consent, Though thou dost multiply bribes!