1[Fankalazana an'Andriamanitra, Izay mahalala ny zavatra rehetra sady manerana izao rehetra izao] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.
1To the Overseer. — A Psalm by David. Jehovah, Thou hast searched me, and knowest.
2Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
2Thou — Thou hast known my sitting down, And my rising up, Thou hast attended to my thoughts from afar.
3Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
3My path and my couch Thou hast fanned, And [with] all my ways hast been acquainted.
4Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah ô.
4For there is not a word in my tongue, Lo, O Jehovah, Thou hast known it all!
5Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.
5Behind and before Thou hast besieged me, And Thou dost place on me Thy hand.
6Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.
6Knowledge too wonderful for me, It hath been set on high, I am not able for it.
7Aiza no hialako amin'ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
7Whither do I go from Thy Spirit? And whither from Thy face do I flee?
8Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.[Heb. Sheola]
8If I ascend the heavens — there Thou [art], And spread out a couch in Sheol, lo, Thee!
9Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran'ny ranomasina,
9I take the wings of morning, I dwell in the uttermost part of the sea,
10Dia mbola entin'ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin'ny tananao ankavanana.
10Also there Thy hand doth lead me, And Thy right hand doth hold me.
11Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,
11And I say, `Surely darkness bruiseth me, Then night [is] light to me.
12Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.[Na: Na dia hoy izaho aza: Hanarona ahy tokoa ny maizina, Dia ny alina aza no ho mazava manodidina ahy; Eny, etc]
12Also darkness hideth not from Thee, And night as day shineth, as [is] darkness so [is] light.
13Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
13For Thou — Thou hast possessed my reins, Thou dost cover me in my mother`s belly.
14Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
14I confess Thee, because that [with] wonders I have been distinguished. Wonderful [are] Thy works, And my soul is knowing [it] well.
15Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin'ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin'ny tany.
15My substance was not hid from Thee, When I was made in secret, Curiously wrought in the lower part of earth.
16Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin'ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.
16Mine unformed substance Thine eyes saw, And on Thy book all of them are written, The days they were formed — And not one among them.
17Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron'ny isany!
17And to me how precious have been Thy thoughts, O God, how great hath been their sum!
18Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.
18I recount them! than the sand they are more, I have waked, and I am still with Thee.
19Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà. [Na: Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô]
19Dost Thou slay, O God, the wicked? Then, men of blood, turn aside from me!
20Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.
20Who exchange Thee for wickedness, Lifted up to vanity [are] Thine enemies.
21Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin'izay mitsangana hanohitra Anao? [Heb. ho maloiloy]
21Do not I hate, Jehovah, those hating Thee? And with Thy withstanders grieve myself?
22Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
22[With] perfect hatred I have hated them, Enemies they have become to me.
23Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.
23Search me, O God, and know my heart, Try me, and know my thoughts,
24Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.
24And see if a grievous way be in me, And lead me in a way age-during!