1[Fitarainana ataon'izay alaim-panahy sy enjehina] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankatỳ amiko; Henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.
1A Psalm, by David. O Jehovah, I have called Thee, haste to me, Give ear [to] my voice when I call to Thee.
2Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.
2My prayer is prepared — incense before Thee, The lifting up of my hands — the evening present.
3Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan'ny vavako; Ambeno ny varavaran'ny molotro.
3Set, O Jehovah, a watch for my mouth, Watch Thou over the door of my lips.
4Aza avela hirona ho amin'ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin'ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
4Incline not my heart to an evil thing, To do habitually actions in wickedness, With men working iniquity, Yea, I eat not of their pleasant things.
5Aoka ny marina hamely ahy amin'ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian'ireny.
5The righteous doth beat me [in] kindness. And doth reprove me, Oil of the head my head disalloweth not, For still my prayer [is] about their vexations.
6Havarina amin'ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.
6Their judges have been released by the sides of a rock, And they have heard my sayings, For they have been pleasant.
7Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola]
7As one tilling and ripping up in the land, Have our bones been scattered at the command of Saul.
8Fa Hianao no andrandrain'ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.
8But to Thee, O Jehovah, my Lord, [are] mine eyes, In Thee I have trusted, Make not bare my soul.
9Arovy aho amin'ny fandrika amandrihany ahy Sy amin'ny tadivavaran'ny mpanao ratsy.Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin'ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.
9Keep me from the gin they laid for me, Even snares of workers of iniquity.
10Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin'ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.
10The wicked fall in their nets together, till I pass over!