Malagasy

Young`s Literal Translation

Psalms

45

1[Tonon-kiram-panambadiana, fiderana ny mpanjaka be voninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'ny Koraita. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan'ny faingan-tsoratra ny lelako.
1To the Overseer. — `On the Lilies.` — By sons of Korah. — An Instruction. — A song of loves. My heart hath indited a good thing, I am telling my works to a king, My tongue [is] the pen of a speedy writer.
2Tsara tarehy noho ny zanak'olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin'ny molotrao; izany no nitahian'Andriamanitra anao mandrakizay.
2Thou hast been beautified above the sons of men, Grace hath been poured into thy lips, Therefore hath God blessed thee to the age.
3Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao.
3Gird Thy sword upon the thigh, O mighty, Thy glory and Thy majesty!
4Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin'ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
4As to Thy majesty — prosper! — ride! Because of truth, and meekness — righteousness, And Thy right hand showeth Thee fearful things.
5Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra - Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao - ka mitsatoka ao am-pon'ny fahavalon'ny mpanjaka.
5Thine arrows [are] sharp, — Peoples fall under Thee — In the heart of the enemies of the king.
6Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
6Thy throne, O God, [is] age-during, and for ever, A sceptre of uprightness [Is] the sceptre of Thy kingdom.
7Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
7Thou hast loved righteousness and hatest wickedness, Therefore God, thy God, hath anointed thee, Oil of joy above thy companions.
8Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin'ny lapa ivory no mampifaly anao.[Heb: ahalota]
8Myrrh and aloes, cassia! all thy garments, Out of palaces of ivory Stringed instruments have made thee glad.
9Zanakavavin'andriamanjaka no isan'ny malalanao; eo ankavananao no itoeran'ny vadin'ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.
9Daughters of kings [are] among thy precious ones, A queen hath stood at thy right hand, In pure gold of Ophir.
10Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
10Hearken, O daughter, and see, incline thine ear, And forget thy people, and thy father`s house,
11Raha irin'ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao - fa izy no tomponao - dia miankohofa eo anatrehany.
11And the king doth desire thy beauty, Because he [is] thy lord — bow thyself to him,
12Ary ny zanakavavin'i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin'ny vahoaka hila sitraka aminao.
12And the daughter of Tyre with a present, The rich of the people do appease thy face.
13Be voninahitra ny zanakavavin'ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.
13All glory [is] the daughter of the king within, Of gold-embroidered work [is] her clothing.
14Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin'ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.
14In divers colours she is brought to the king, Virgins — after her — her companions, Are brought to thee.
15Entina amin'ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy.
15They are brought with joy and gladness, They come into the palace of the king.
16Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin'ny tany rehetra izy.Hampahatsiaro ny anaranao hatramin'ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran'ny firenena anao mandrakizay doria.
16Instead of thy fathers are thy sons, Thou dost appoint them for princes in all the earth.
17Hampahatsiaro ny anaranao hatramin'ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran'ny firenena anao mandrakizay doria.
17I make mention of Thy name in all generations, Therefore do peoples praise Thee, To the age, and for ever!