1[Ny niarovana ny Isiraely marina mba tsy hosimban'ny loza ho avy, sy ny fahasambaran'ny tonga any an-danitra ka afaka amin'ny fahoriana lehibe] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza.
1And after these things I saw four messengers, standing upon the four corners of the land, holding the four winds of the land, that the wind may not blow upon the land, nor upon the sea, nor upon any tree;
2Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe:
2and I saw another messenger going up from the rising of the sun, having a seal of the living God, and he did cry with a great voice to the four messengers, to whom it was given to injure the land and the sea, saying,
3Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika.
3`Do not injure the land, nor the sea, nor the trees, till we may seal the servants of our God upon their foreheads.`
4Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin'ny firenen'ny Zanak'isiraely rehetra.
4And I heard the number of those sealed, (144 thousands were sealed out of all the tribes of the sons of Israel):
5Avy tamin'ny firenen'i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin'ny firenen'i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Gada roa arivo amby iray alina.
5of the tribe of Judah 12 thousand were sealed; of the tribe of Reuben 12 thousand were sealed; of the tribe of Gad 12 thousand were sealed;
6Avy tamin'ny firenen'i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Manase roa arivo amby iray alina.
6of the tribe of Asher 12 thousand were sealed; of the tribe of Naphtali 12 thousand were sealed; of the tribe of Manasseh 12 thousand were sealed;
7Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'Isakara roa arivo amby iray alina.
7of the tribe of Simeon 12 thousand were sealed; of the tribe of Levi 12 thousand were sealed; of the tribe of Issachar 12 thousand were sealed;
8Avy tamin'ny firenen'i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
8of the tribe of Zebulun 12 thousand were sealed; of the tribe of Joseph 12 thousand were sealed; of the tribe of Benjamin 12 thousand were sealed.
9Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
9After these things I saw, and lo, a great multitude, which to number no one was able, out of all nations, and tribes, and peoples, and tongues, standing before the throne, and before the Lamb, arrayed in white robes, and palms in their hands,
10dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an'Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry.
10and crying with a great voice, saying, `The salvation [is] to Him who is sitting upon the throne — to our God, and to the Lamb!`
11Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona sy ny zava-manan'aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra [ Gr. presbytera]
11And all the messengers stood around the throne, and the elders and the four living creatures, and they fell upon their face, and bowed before God,
12nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.
12saying, `Amen! the blessing, and the glory, and the wisdom, and the thanksgiving, and the honour, and the power, and the strength, [are] to our God — to the ages of the ages! Amen!`
13Ary ny anankiray tamin'ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? [ Gr. presbytera]
13And answer did one of the elders, saying to me, `These, who have been arrayed with the white robes — who are they, and whence came they?`
14Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.
14and I have said to him, `Sir, thou hast known;` and he said to me, `These are those who are coming out of the great tribulation, and they did wash their robes, and they made their robes white in the blood of the Lamb;
15Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.
15because of this are they before the throne of God, and they do service to Him day and night in His sanctuary, and He who is sitting upon the throne shall tabernacle over them;
16Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony (Isa. 25. 8).
16they shall not hunger any more, nor may the sun fall upon them, nor any heat,
17Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony (Isa. 25. 8).
17because the Lamb that [is] in the midst of the throne shall feed them, and shall lead them unto living fountains of waters, and wipe away shall God every tear from their eyes.`