1[Ny namahana ny tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny trompetra efatra] Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra.
1And when he openeth the seventh seal, there came silence in  the heaven about half-an-hour,
2Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
2and I saw the seven messengers who before God have stood,  and there were given to them seven trumpets,
3Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana. [ Na: amin']
3and another messenger did come, and he stood at the altar,  having a golden censer, and there was given to him much  perfume, that he may give [it] to the prayers of all the saints  upon the golden altar that [is] before the throne,
4Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra.
4and go up did the smoke of the perfumes to the prayers of  the saints out of the hand of the messenger, before God;
5Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
5and the messenger took the censer, and did fill it out of  the fire of the altar, and did cast [it] to the earth, and  there came voices, and thunders, and lightnings, and an  earthquake.
6Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
6And the seven messengers who are having the seven trumpets  did prepare themselves that they may sound;
7Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin'ny tany irany; ary may ny ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
7and the first messenger did sound, and there came hail and  fire, mingled with blood, and it was cast to the land, and the  third of the trees was burnt up, and all the green grass was  burnt up.
8Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon'ny ranomasina;
8And the second messenger did sound, and as it were a great  mountain with fire burning was cast into the sea, and the third  of the sea became blood,
9ary maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon'ny sambo.
9and die did the third of the creatures that [are] in the  sea, those having life, and the third of the ships were  destroyed.
10Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka tamin'ny ampahatelon'ny ony sy tamin'ny loharano izany;
10And the third messenger did sound, and there fell out of  the heaven a great star, burning as a lamp, and it did fall  upon the third of the rivers, and upon the fountains of waters,
11ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no matin'ny rano, satria efa nangidy izany.
11and the name of the star is called Wormwood, and the third  of the waters doth become wormwood, and many of the men did die  of the waters, because they were made bitter.
12Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
12And the fourth messenger did sound, and smitten was the  third of the sun, and the third of the moon, and the third of  the stars, that darkened may be the third of them, and that the  day may not shine — the third of it, and the night in like  manner.
13Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
13And I saw, and I heard one messenger, flying in the  mid-heaven, saying with a great voice, `Wo, wo, wo, to those  dwelling upon the land from the rest of the voices of the  trumpet of the three messengers who are about to sound.`