Malagasy

Amharic: New Testament

Matthew

16

1Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra.
1ፈሪሳውያንና ሰዱቃውያንም ቀርበው ሲፈትኑት ከሰማይ ምልክት እንዲያሳያቸው ለመኑት።
2Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.
2እርሱ ግን መልሶ እንዲህ አላቸው። በመሸ ጊዜ። ሰማዩ ቀልቶአልና ብራ ይሆናል ትላላችሁ፤
3Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin'ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
3ማለዳም። ሰማዩ ደምኖ ቀልቶአልና ዛሬ ይዘንባል ትላላችሁ። የሰማዩን ፊትማ መለየት ታውቃላችሁ፥ የዘመኑንስ ምልክት መለየት አትችሉምን?
4Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.
4ክፉና አመንዝራ ትውልድ ምልክት ይሻል፥ ከነቢዩም ከዮናስ ምልክት በቀር ምልክት አይሰጠውም። ትቶአቸውም ሄደ።
5Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.
5ደቀ መዛሙርቱም ወደ ማዶ በመጡ ጊዜ እንጀራ መያዝን ረሱ።
6Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
6ኢየሱስም። ከፈሪሳውያንና ከሰዱቃውያን እርሾ ተጠንቀቁና ተጠበቁ አላቸው።
7Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
7እነርሱም። እንጀራ ባንይዝ ነው ብለው እርስ በርሳቸው ተነጋገሩ።
8Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?
8ኢየሱስም አውቆ እንዲህ አላቸው። እናንተ እምነት የጐደላችሁ፥ እንጀራ ስለ ሌላችሁ ስለ ምን እርስ በርሳችሁ ትነጋገራላችሁ? ገና አታስተውሉምን?
9Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?
9ለአምስቱ ሺህ አምስቱ እንጀራ፥ ስንት መሶብም እንዳነሣችሁ ትዝ አይላችሁምን?
10na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?
10ወይስ ለአራቱ ሺህ ሰባቱ እንጀራ፥ ስንት ቅርጫትም እንዳነሣችሁ ትዝ አይላችሁምን?
11Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
11ከፈሪሳውያንና ከሰዱቃውያን እርሾ እንድትጠበቁ ብዬ ስለ እንጀራ እንዳልተናገርኋችሁ እንዴት አታስተውሉምን?
12Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.
12እነርሱም ከፈሪሳውያንና ከሰዱቃውያን ትምህርት እንጂ ከእንጀራ እርሾ እንዲጠበቁ እንዳላላቸው ያን ጊዜ አስተዋሉ።
13Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?[Na: (Aho)]
13ኢየሱስም ወደ ፊልጶስ ቂሣርያ አገር በደረሰ ጊዜ ደቀ መዛሙርቱን። ሰዎች የሰውን ልጅ ማን እንደ ሆነ ይሉታል? ብሎ ጠየቀ።
14Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany.
14እነርሱም። አንዳንዱ መጥምቁ ዮሐንስ፥ ሌሎችም ኤልያስ፥ ሌሎችም ኤርምያስ ወይም ከነቢያት አንዱ ነው ይላሉ አሉት።
15Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?
15እርሱም። እናንተስ እኔን ማን እንደ ሆንሁ ትላላችሁ? አላቸው።
16Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.
16ስምዖን ጴጥሮስም መልሶ። አንተ ክርስቶስ የሕያው እግዚአብሔር ልጅ ነህ አለ።
17Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.
17ኢየሱስም መልሶ እንዲህ አለው። የዮና ልጅ ስምዖን ሆይ፥ በሰማያት ያለው አባቴ እንጂ ሥጋና ደም ይህን አልገለጠልህምና ብፁዕ ነህ።
18Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. [Petera = Vato; izahao Jao.1, 42] [Gr. eklesia] [Gr. Hadesy]
18እኔም እልሃለሁ፥ አንተ ጴጥሮስ ነህ፥ በዚችም ዓለት ላይ ቤተ ክርስቲያኔን እሠራለሁ፥ የገሃነም ደጆችም አይችሉአትም።
19Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
19የመንግሥተ ሰማያትንም መክፈቻዎች እሰጥሃለሁ፤ በምድር የምታስረው ሁሉ በሰማያት የታሰረ ይሆናል፥ በምድርም የምትፈታው ሁሉ በሰማያት የተፈታ ይሆናል።
20Ary tamin'izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin'olona akory fa Izy no Kristy.
20ያን ጊዜም እርሱ ክርስቶስ እንደ ሆነ ለማንም እንዳይነግሩ ደቀ መዛሙርቱን አዘዛቸው።
21Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo.
21ከዚያን ቀን ጀምሮ ኢየሱስ ወደ ኢየሩሳሌም ይሄድ ዘንድ ከሽማግሎችና ከካህናት አለቆች ከጻፎችም ብዙ መከራ ይቀበልና ይገደል ዘንድ በሦስተኛውም ቀን ይነሣ ዘንድ እንዲገባው ለደቀ መዛሙርቱ ይገልጥላቸው ጀመር።
22Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
22ጴጥሮስም ወደ እርሱ ወስዶ። አይሁንብህ ጌታ ሆይ፤ ይህ ከቶ አይደርስብህም ብሎ ሊገሥጸው ጀመረ።
23Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.
23እርሱ ግን ዘወር ብሎ ጴጥሮስን። ወደ ኋላዬ ሂድ፥ አንተ ሰይጣን፤ የሰውን እንጂ የእግዚአብሔርን አታስብምና ዕንቅፋት ሆነህብኛል አለው።
24Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
24በዚያን ጊዜ ኢየሱስ ለደቀ መዛሙርቱ እንዲህ አለ። እኔን መከተል የሚወድ ቢኖር፥ ራሱን ይካድ መስቀሉንም ተሸክሞ ይከተለኝ።
25Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
25ነፍሱን ሊያድን የሚወድ ሁሉ ያጠፋታል፤ ስለ እኔ ግን ነፍሱን የሚያጠፋ ሁሉ ያገኛታል።
26Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?
26ሰው ዓለሙን ሁሉ ቢያተርፍ ነፍሱንም ቢያጐድል ምን ይጠቅመዋል? ወይስ ሰው ስለ ነፍሱ ቤዛ ምን ይሰጣል?
27Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.
27የሰው ልጅ ከመላእክቱ ጋር በአባቱ ክብር ይመጣ ዘንድ አለውና፤ ያን ጊዜም ለሁሉ እንደ ሥራው ያስረክበዋል።
28Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany.
28እውነት እላችኋለሁ፥ የሰው ልጅ በመንግሥቱ ሲመጣ እስኪያዩ ድረስ እዚህ ከሚቆሙት ሞትን የማይቀምሱ አንዳንድ አሉ።