Malagasy

Amharic: New Testament

Matthew

17

1Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.
1ከስድስት ቀንም በኋላ ኢየሱስ ጴጥሮስንና ያዕቆብን ወንድሙንም ዮሐንስን ይዞ ወደ ረጅም ተራራ ብቻቸውን አወጣቸው።
2Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.
2በፊታቸውም ተለወጠ፥ ፊቱም እንደ ፀሐይ በራ፥ ልብሱም እንደ ብርሃን ነጭ ሆነ።
3Ary, indreo, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy.
3እነሆም፥ ሙሴና ኤልያስ ከእርሱ ጋር ሲነጋገሩ ታዩአቸው።
4Dia niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.
4ጴጥሮስም መልሶ ኢየሱስን። ጌታ ሆይ፥ በዚህ መሆን ለእኛ መልካም ነው፤ ብትወድስ፥ በዚህ ሦስት ዳስ አንዱን ለአንተ አንዱንም ለሙሴ አንዱንም ለኤልያስ እንሥራ አለ።
5Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
5እርሱም ገና ሲናገር፥ እነሆ፥ ብሩህ ደመና ጋረዳቸው፥ እነሆም፥ ከደመናው። በእርሱ ደስ የሚለኝ የምወደው ልጄ ይህ ነው፤ እርሱን ስሙት የሚል ድምፅ መጣ።
6Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.
6ደቀ መዛሙርቱም ሰምተው በፊታቸው ወደቁ እጅግም ፈርተው ነበር።
7Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.
7ኢየሱስም ቀርቦ ዳሰሳቸውና። ተነሡ አትፍሩም አላቸው።
8Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany.
8ዓይናቸውንም አቅንተው ሲያዩ ከኢየሱስ ብቻ በቀር ማንንም አላዩም።
9Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
9ከተራራውም በወረዱ ጊዜ ኢየሱስ። የሰው ልጅ ከሙታን እስኪነሣ ድረስ ያያችሁትን ለማንም አትንገሩ ብሎ አዘዛቸው።
10Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?
10ደቀ መዛሙርቱም። እንግዲህ ጻፎች። ኤልያስ አስቀድሞ ሊመጣ ይገባዋል ስለ ምን ይላሉ? ብለው ጠየቁት።
11Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.
11ኢየሱስም መልሶ። ኤልያስማ አስቀድሞ ይመጣል ሁሉንም ያቀናል፤
12Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak'olona.
12ነገር ግን እላችኋለሁ፥ ኤልያስ ከዚህ በፊት መጣ፤ የወደዱትንም ሁሉ አደረጉበት እንጂ አላወቁትም፤ እንዲሁም ደግሞ የሰው ልጅ ከእነርሱ መከራ ይቀበል ዘንድ አለው አላቸው።
13Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.
13በዚያን ጊዜ ደቀ መዛሙርቱ ስለ መጥምቁ ስለ ዮሐንስ እንደ ነገራቸው አስተዋሉ።
14Ary rehefa tonga teo amin'ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe:
14ወደ ሕዝቡም ሲደርሱ አንድ ሰው ወደ እርሱ ቀረበና ተንበርክኮ። ጌታ ሆይ፥ ልጄን ማርልኝ፥ በጨረቃ እየተነሣበት ክፉኛ ይሣቀያልና፤
15Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano.
15ብዙ ጊዜ በእሳት ብዙ ጊዜም በውኃ ይወድቃልና።
16Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy.
16ወደ ደቀ መዛሙርትህም አመጣሁት ሊፈውሱትም አቃታቸው አለው።
17Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.
17ኢየሱስም መልሶ። የማታምን ጠማማ ትውልድ ሆይ፥ እስከ መቼ ከእናንተ ጋር እኖራለሁ? እስከ መቼስ እታገሣችኋለሁ? ወደዚህ ወደ እኔ አምጡት አለ።
18Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin'izay ora izay.
18ኢየሱስም ገሠጸው ጋኔኑም ከእርሱ ወጣ፥ ብላቴናውም ከዚያች ሰዓት ጀምሮ ተፈወሰ።
19Dia nankao amin'i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?
19ከዚህ በኋላ ደቀ መዛሙርቱ ብቻቸውን ወደ ኢየሱስ ቀረቡና። እኛ ልናወጣው ያልቻልን ስለ ምን ነው? አሉት።
20Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.
20ኢየሱስም። ስለ እምነታችሁ ማነስ ነው፤ እውነት እላችኋለሁ፥ የሰናፍጭ ቅንጣት የሚያህል እምነት ቢኖራችሁ፥ ይህን ተራራ። ከዚህ ወደዚያ እለፍ ብትሉት ያልፋል፤ የሚሳናችሁም ነገር የለም።
21[Ampio hoe: (21 Kanefa iny karazana iny tsy mivoaka raha tsy avoaka amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina)]
21ይህ ዓይነት ግን ከጸሎትና ከጦም በቀር አይወጣም አላቸው።
22Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Ny Zanak'olona efa hatolotra ho eo an-tànan'ny olona
22በገሊላም ሲመላለሱ ኢየሱስ። የሰው ልጅ በሰዎች እጅ አልፎ ይሰጥ ዘንድ አለው፥ ይገድሉትማል፥
23ka hovonoiny, nefa amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo.
23በሦስተኛውም ቀን ይነሣል አላቸው። እጅግም አዘኑ።
24Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin'i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va?[Gr. didrakma]
24ወደ ቅፍርናሆምም በመጡ ጊዜ ግብር የሚቀበሉ ሰዎች ወደ ጴጥሮስ ቀረቡና። መምህራችሁ ሁለቱን ዲናር*ፍ1* አይገብርምን? አሉት።
25Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan'i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin'iza moa no andraisan'ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin'ny zanany va, sa avy amin'ny olon-kafa?
25አዎን ይገብራል አለ። ወደ ቤትም በገባ ጊዜ ኢየሱስ አስቀድሞ። ስምዖን ሆይ፥ ምን ይመስልሃል? የምድር ነገሥታት ቀረጥና ግብር ከማን ይቀበላሉ? ከልጆቻቸውን ወይስ ከእንግዶች? አለው።
26Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin'ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.
26ጴጥሮስም። ከእንግዶች ባለው ጊዜ ኢየሱስ። እንኪያስ ልጆቻቸው ነጻ ናቸው።
27Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.
27ነገር ግን እንዳናሰናክላቸው፥ ወደ ባሕር ሂድና መቃጥን ጣል፥ መጀመሪያም የሚወጣውን ዓሣ ውሰድና አፉን ስትከፍት እስታቴር*ፍ2* ታገኛለህ፤ ያን ወስደህ ስለ እኔና ስለ አንተ ስጣቸው አለው።