1[Ny nanjakan'i Joahaza sy Joiakima sy Joiakina ary Zedekia, sy ny nandravana an'i Jerosalema, ary ny nitondrana ny olona ho babo tany Babylona] Ary ny vahoaka naka an'i Joahaza, zanak'i Josia, ka nampanjaka azy tany Jerosalema handimby an-drainy.
1Tedy vzal lid země Joachaza syna Joziášova, a ustanovili ho králem na místě otce jeho v Jeruzalémě.
2Telo amby roa-polo taona loahaza, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema.
2Ve třimecítma letech byl Joachaz, když počal kralovati, a tři měsíce kraloval v Jeruzalémě.
3Ary nesorin'ny mpanjakan'i Egypta tany Jerosalema izy, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
3Nebo vzal jej král Egyptský z Jeruzaléma, a uložil na zemi pokutu sto centnéřů stříbra a centnéř zlata.
4Ary ny mpanjakan'i Egypta nampanjaka an'i Eliakima, rahalahin'i Joahaza, tamin'ny Joda sy Jerosalema, ary ny anarany dia novany hoe Joiakima; ary Joahaza rahalahiny kosa dia nalainy ka nentiny ho any Egypta.
4A ustanovil král Egyptský Eliakima bratra jeho nad Judou a Jeruzalémem za krále, a proměnil mu jméno jeho, aby sloul Joakim. Joachaza pak bratra jeho vzal Nécho, a zavedl ho do Egypta.
5Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy.
5V pětmecítma letech byl Joakim, když počal kralovati, a jedenáct let kraloval v Jeruzalémě. A když činil to, což jest zlého před očima Hospodina Boha svého,
6Ary Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia niakatra namely azy ka namatotra azy tamin'ny gadra varahina mba hitondra azy ho any Babylona.
6Přitáhl proti němu Nabuchodonozor král Babylonský, a svázal jej řetězy ocelivými, aby jej zavedl do Babylona.
7Ary ny fanaka sasany tao an-tranon'i Jehovah dia nentin'i Nebokadnezara ho any Babylona koa ka nataony tao amin'ny tempoliny tany Babylona.
7Nádoby také domu Hospodinova zavezl Nabuchodonozor do Babylona, a dal je do chrámu svého v Babyloně.
8Ary ny tantaran'i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin'izay toetoeny rehetra, dia, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany; ary Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
8Jiné pak věci Joakimovy i ohavnosti jeho, kteréž páchal, i což se nalézalo při něm, to vše zapsáno jest v knize o králích Izraelských a Judských. I kraloval Joachin syn jeho místo něho.
9Valo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy. [Na: Valo ambin'ny folo, izahao 2 Mpan. xxiv. 8]
9V osmi letech byl Joachin, když kralovati počal, a kraloval tři měsíce a deset dní v Jeruzalémě, a činil to, což bylo zlého před očima Hospodinovýma.
10Ary nony niherina ny taona, dia naniraka Nebokadnezara mpanjaka ka nitondra azy mbamin'ny fanaka tsara tao an-tranon'i Jehovah ho any Babylona, dia nampanjaka an'i Zedekia rahalahin-drainy tamin'ny Joda sy Jerosalema izy.[Heb. rahalahiny]
10Potom pak po roce poslal král Nabuchodonozor, a dal ho zavésti do Babylona s klénoty domu Hospodinova, a ustanovil králem Sedechiáše, příbuzného jeho, nad Judou a Jeruzalémem.
11Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
11V jedenmecítma letech byl Sedechiáš, když počal kralovati, a jedenáct let kraloval v Jeruzalémě.
12Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan'i Jeremia mpaminany, izay nilaza ny tenin'Andriamanitra.
12I činil to, což jest zlého před očima Hospodina Boha svého, aniž se pokořil před Jeremiášem prorokem mluvícím řeč Hospodinovu.
13Ary nikomy tamin'i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin'Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin'Andriamanitry ny Isiraely.
13Nýbrž i Nabuchodonozorovi králi se zprotivil, jenž ho byl přísahou zavázal skrze Boha, a zatvrdiv šíji svou, urputně uložil v srdci svém, aby se nenavracoval k Hospodinu Bohu Izraelskému.
14Ary ny lehibe rehetra tamin'ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny jentilisa ka nandoto ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.
14Ano i všecka knížata, kněží i lid v mnohá přestoupení se vydali, podlé všech ohavností pohanských, a poškvrnili domu Hospodinova, jehož byl posvětil v Jeruzalémě.
15Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin'ny olony sy ny fonenany.
15A když posílal Hospodin Bůh otců jejich k nim posly své, ráno vstávaje a posílaje, proto že se přívětivě měl k lidu svému a k příbytku svému:
16Kanjo ny olona nihomehy ireny irak'Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran'i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.
16Posmívali se poslům Božím, a pohrdali slovy jeho, a za svůdce měli proroky jeho, až se rozpálila prchlivost Hospodinova na lid jeho, tak aby nebylo žádného uléčení.
17Koa nentiny namely azy ny mpanjakan'ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin'ny sabatra tao an-trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
17I přivedl na ně krále Kaldejského, kterýž zmordoval mládence jejich mečem v domě svatyně jejich, a neodpustil mládenci ani panně, starci ani kmeti. Všecky dal v ruku jeho.
18Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon'Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.
18K tomu i všecky nádoby domu Božího, veliké i malé, i poklady domu Hospodinova, i poklady královské i knížat jeho, všecko zavezl do Babylona.
19Dia nodorany koa ny tranon'Andriamanitra, ary noravany ny mandan'i Jerosalema; ny lapan'andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin'ny afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao nosimbany.
19A vypálili dům Boží, a zbořili zed Jeruzalémskou, též i všecky paláce v něm popálili, ano i všelijaké klénoty drahé v něm zkazili.
20Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentiny ho babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan'ny mpanjakan'i Persia,
20A což jich pozůstalo po meči, to převedl do Babylona, a byli služebníci jeho i synů jeho, dokudž nekraloval král Perský,
21hanatanterahana ny tenin'i Jehovah nampilaza.na an'i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin'ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.[Izaho Lev xxvi. 34]
21Aby se naplnila řeč Hospodinova skrze ústa Jeremiášova, dokudž země nevykonala sobot svých; po všecky dny, pokudž byla pustá, odpočívala, až se vyplnilo sedmdesáte let.
22[Ny teny nataon'i Kyrosy nandefasana ny Jiosy hody ho any an-tanindrazana] Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Perisa, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy mpanjakan'i Persia. mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.
22Potom léta prvního Cýra krále Perského, aby se naplnila řeč Hospodinova skrze ústa Jeremiášova, vzbudil Hospodin ducha Cýrova krále Perského. Kterýž dal provolati po všem království svém, ano také i rozepsal, řka:
23Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.
23Toto praví Cýrus král Perský: Všecka království země dal mi Hospodin Bůh nebeský, a ten mi poručil, abych mu vystavěl dům v Jeruzalémě, kterýž jest v Judstvu. Kdo jest mezi vámi ze všeho lidu jeho, Hospodin Bůh jeho budiž s ním, a ať jde.