1[Ny teny nataon'i Kyrosy nandefasana ny Jiosy hody, sy ny nanomezany azy ny fanaka avy tao amin'ny tempoly] Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
1Léta prvního Cýra krále Perského, aby se naplnila řeč Hospodinova skrze ústa Jeremiášova, vzbudil Hospodin ducha Cýrova krále Perského, aby dal provolati po všem království svém, ano také i rozepsal, řka:
2Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
2Toto praví Cýrus král Perský: Všecka království země dal mi Hospodin Bůh nebeský, a on mi poručil, abych mu vystavěl dům v Jeruzalémě, kterýž jest v Judstvu.
3Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
3Kdo jest mezi vámi ze všeho lidu jeho, budiž Bůh jeho s ním, a nechať jde do Jeruzaléma, kterýž jest v Judstvu, a staví dům Hospodina Boha Izraelského, toho Boha, kterýž jest v Jeruzalémě.
4Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin'izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin'ny fanati-tsitrapo ho an'ny tranon'Andriamanitra, izay any Jerosalema.
4Kdož by pak zůstal na kterémkoli místě, kdež jest pohostinu, lidé místa toho ať mu pomohou stříbrem a zlatem, statkem i hovady, mimo oběti dobrovolné k domu Božímu, kterýž jest v Jeruzalémě.
5Dia niainga ny lohan'ny firenen'i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin'Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.
5I povstali přední z čeledí otců z pokolení Judova a Beniaminova, kněží také a Levítové i každý, číhož ducha vzbudil Bůh, aby šli k stavení domu Hospodinova, kterýž jest v Jeruzalémě.
6Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan'ireo tamin'ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin'izay rehetra nateriny tamin'ny sitrapo.
6Jimž všickni ti, kteříž bydlili okolo nich, pomáhali nádobami stříbrnými a zlatými, statkem i hovady, a věcmi drahými, mimo všecko, což dobrovolně obětováno bylo.
7Dia navoak'i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon'i Jehovah, izay efa nalain'i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon'ireo andriamaniny.
7Král také Cýrus vydal nádoby domu Hospodinova, kteréž byl pobral Nabuchodonozor z Jeruzaléma, a dal je byl do domu Boha svého.
8Ary Mitredata, mpitahiry ny haren'ny fanjakana, dia nasain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an'i Sesbazara, lehiben'ny firenen'i Joda.
8Vydal je pak Cýrus král Perský skrze Mitridata správce nad poklady, kterýž je vyčtl Sesbazarovi knížeti Judskému.
9Ary izao no isany: Lovia volamena telo-polo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo,
9A tento jest počet jejich: Medenic zlatých třidceti, medenic stříbrných tisíc, nožů devětmecítma.
10kapoaka volamena misarona telo-polo, lovia volafotsy manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia hafa koa arivo;efa-jato amby dimy arivo no isan'ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin'i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin'ny babo izay niverina avy tany Babylona.
10Koflíků zlatých třidceti, koflíků stříbrných prostějších čtyři sta a deset, nádob jiných na tisíce.
11efa-jato amby dimy arivo no isan'ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin'i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin'ny babo izay niverina avy tany Babylona.
11Všech nádob zlatých i stříbrných pět tisíc a čtyři sta. Všecko to odnesl Sesbazar, když se stěhoval lid zajatý z Babylona do Jeruzaléma.