1[Ny teny navalin'i Jehovah an'i Joba] Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe:
1Tedy odpověděl Hospodin Jobovi z vichru, a řekl:
2Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?
2Kdož jest to, jenž zatemňuje radu řečmi neumělými?
3Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
3Přepaš nyní jako muž bedra svá, a nač se tebe tázati budu, oznam mi.
4Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
4Kdes byl, když jsem zakládal zemi? Pověz, jestliže máš rozum.
5Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
5Kdo rozměřil ji, víš-li? Aneb kdo vztáhl pravidlo na ni?
6Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
6Na čem podstavkové její upevněni jsou? Aneb kdo založil úhelný kámen její,
7Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?
7Když prozpěvovaly spolu hvězdy jitřní, a plésali všickni synové Boží?
8Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
8Aneb kdo zavřel jako dveřmi moře, když vyšlo z života, a zjevilo se?
9Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
9Když jsem mu položil oblak za oděv, a mrákotu místo plének jeho,
10Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
10Když jsem jemu uložil úsudek svůj, přistaviv závory a dvéře,
11Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
11I řekl jsem: Až potud vycházeti budeš, a dále nic, tu, pravím, skládati budeš dutí vlnobití svého.
12Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro,
12Zdaž jsi kdy za dnů svých rozkázal jitru? Ukázal-lis záři jitřní místo její,
13Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
13Aby uchvacovala kraje země, a bezbožní aby z ní vymítáni byli?
14Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny, [Heb. fitafiana]
14Tak aby proměnu přijímala jako vosk pečetní, oni pak aby nedlouho stáli jako roucho,
15Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
15A aby bezbožným zbraňováno bylo světla jejich, a rámě vyvýšené zlámáno bylo?
16Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina?
16Přišel-lis až k hlubinám mořským? A u vnitřnosti propasti chodil-lis?
17Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana?
17Jsou-li tobě zjeveny brány smrti? A brány stínu smrti viděl-lis?
18Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
18Shlédl-lis širokosti země? Oznam, jestliže ji znáš všecku.
19Aiza ary no lalana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina?
19Která jest cesta k obydlí světla, a které místo temností,
20Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
20Že bys je pojal v meze jeho, poněvadž bys srozumíval stezkám domu jeho?
21Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao!
21Věděl-lis tehdáž, že jsi měl se naroditi, a počet dnů tvých jak veliký býti má?
22Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
22Přišel-lis až ku pokladům sněhu? A poklady krupobití viděl-lis,
23Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
23Kteréž chovám k času ssoužení, ke dni bitvy a boje?
24Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin'ny tany?
24Kterými se cestami rozděluje světlo, kteréž rozhání východní vítr po zemi?
25Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana,
25Kdo rozdělil povodní tok, a cestu blýskání hromovému,
26Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina,
26Tak aby pršel déšť i na tu zemi, kdež není lidí, na poušť, kdež není člověka,
27Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
27Aby zapájel místa planá a pustá, a k zrůstu přivodil trávu mladistvou?
28Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando?
28Má-liž déšť otce? A kdo plodí krůpěje rosy?
29Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy?
29Z čího života vychází mráz? A jíní nebeské kdo plodí?
30Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina.
30Až i vody jako v kámen se proměňují, a svrchek propasti zamrzá.
31Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
31Zdali zavázati můžeš rozkoše Kuřátek, aneb stahování Orionovo rozvázati?
32Mahavoaka ny Mazarota amin'ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va ianao? [Anaran-kintana; ny Zôdiaka(?)]
32Můžeš-li vyvoditi hvězdy polední v čas jistý, aneb Arktura s syny jeho povedeš-li?
33Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao?
33Znáš-li řád nebes? Můžeš-li spravovati panování jejich na zemi?
34Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
34Můžeš-li pozdvihnouti k oblaku hlasu svého, aby hojnost vod přikryla tebe?
35Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
35Ty-liž vypustíš blýskání, aby vycházela? Zdaliž řeknou tobě: Aj teď jsme?
36Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? [Na: Iza no nanisy fahalalana ao am-pon'ny olona? Ary iza no nanome fahalalana ho ao an-tsaina?]
36Kdo složil u vnitřnostech lidských moudrost? Aneb kdo dal rozumu stižitelnost?
37Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon'ny lanitra, [Heb. siny hoditra]
37Kdo vypravovati bude o nebesích moudře? A láhvice nebeské kdo nastrojuje,
38Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
38Aby svlažená země zase stuhnouti mohla, a hrudy se v hromadě držely?
39Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora,
39Honíš-liž ty lvu loupež? A hltavost lvíčat naplňuješ-liž,
40Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy ary manotrika ao amin'ny kirihitrala?Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
40Když se stulují v peleších svých, ustavičně z skrýší čihajíce?
41Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
41Kdo připravuje krkavci pokrm jeho, když mladí jeho k Bohu silnému volají, a toulají se sem i tam pro nedostatek pokrmu?