Malagasy

Czech BKR

Psalms

50

1[Ny amin'ny fivavahana marina sy ny fanatitra sitrak'Andriamanitra] Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany.
1Žalm Azafovi. Bůh silný, Bůh Hospodin mluvil, a přivolal zemi od východu slunce i od západu jeho.
2Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan'Andriamanitra.
2Z Siona v dokonalé kráse Bůh zastkvěl se.
3Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.
3Béřeť se Bůh náš, a nebude mlčeti; oheň před ním vše zžírati bude, a vůkol něho vichřice náramná.
4Miantso ny lanitra any ambony Izy, sy ny tany koa, mba hitsaràny ny olony:
4Zavolal nebes s hůry i země, aby soudil lid svůj, řka:
5Angony etỳ amiko ny oloko masina izay manao fanekena amiko amin'ny fanatitra.
5Shromažďte mi svaté mé, kteříž smlouvu se mnou učinili při obětech.
6Hasehon'ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara.
6I budou vypravovati nebesa spravedlnost jeho; nebo sám Bůh soudce jest. Sélah.
7Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho; Ry Isiraely ô, fa hanambara aminao Aho; Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitrao.
7Slyš, lide můj, a buduť mluviti, Izraeli, a buduť tebou osvědčovati. Já zajisté Bůh, Bůh tvůj jsem.
8Tsy ny fanatitrao no ananarako anao, ary efa eo anatrehako mandrakariva ny fanatitra doranao.
8Nechci tě obviňovati z příčiny obětí tvých, ani zápalů tvých, že by vždycky přede mnou nebyli.
9Tsy maka vantotr'ombilahy amin'ny tranonao Aho, na osilahy amin'ny valanao;
9Nevezmuť z domu tvého volka, ani z chlévů tvých kozlů.
10Fa Ahy ny biby rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.
10Nebo má jest všecka zvěř lesní, i hovada na tisíci horách.
11Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha.
11Já znám všecko ptactvo po horách, a zvěř polní před sebou mám.
12Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy.
12Zlačním-li, nic tobě o to nedím; nebo můj jest okršlek zemský i plnost jeho.
13Hihinana ny nofon'ombilahy va Aho, na hisotro ny ran'osilahy?
13Zdaliž jídám maso z volů, a pijím krev kozlovou?
14Manatera fanati-pisaorana ho an'Andriamanitra; ary efao amin'ny Avo Indrindra ny voadinao;
14Obětuj Bohu obět chvály, a plň Nejvyššímu své sliby;
15Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao.
15A vzývej mne v den ssoužení, vytrhnu tě, a ty mne budeš slaviti.
16Fa amin'ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?
16Sic jinak bezbožníku praví Bůh: Což tobě do toho, že ty vypravuješ ustanovení má, a béřeš smlouvu mou v ústa svá,
17Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.
17Poněvadž jsi vzal v nenávist kázeň, a zavrhl jsi za sebe slova má.
18Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin'ny mpijangajanga.
18Vidíš-li zloděje, hned s ním běžíš, a s cizoložníky díl svůj máš.
19Ny vavanao alefanao hiteny ratsy, ary ny lelanao mamorom-pitaka.
19Ústa svá pouštíš ke zlému, a jazyk tvůj skládá lest.
20Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao.[Na: manosika]
20Usazuješ se, a mluvíš proti bratru svému, a na syna matky své lehkost uvodíš.
21Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
21To jsi činil, a já mlčel jsem. Měl-liž jsi ty se domnívati, že já tobě podobný budu? Nýbrž trestati tě budu, a představímť to před oči tvé.
22Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an'Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra.
22Srozumějtež tomu již aspoň vy, kteříž se zapomínáte na Boha, abych snad nepochytil, a nebyl by, kdo by vytrhl.
23Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra.
23Kdož obětuje obět chvály, tenť mne uctí, a tomu, kdož napravuje cestu svou, ukáži spasení Boží.