1[Fitarainana tamin'Andriamanitra, satria mafy ny fanenjehana, sady nosimbàna ny tempoly] Maskila nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, nahoana no nanary anay mandrakizay Hianao, sady manetroka amin'ny ondry fiandrinao ny fahatezeranao?
1Vyučující, Azafův. Proč, ó Bože, nás tak do konce zamítáš? Proč roznícena jest prchlivost tvá proti stádci pastvy tvé?
2Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.
2Rozpomeň se na shromáždění své, jehož jsi od starodávna dobyl a vykoupil, na proutek dědictví svého, na Sion horu tuto, na níž přebýváš.
3Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin'ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin'ny fitoerana masina dia simban'ny fahavalo avokoa.
3Přispějž k hrozným pustinám. Jak všecko pohubil nepřítel v svatyni!
4Nierona tao anatin'ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy.
4Řvali nepřátelé tvoji u prostřed shromáždění tvých, a na znamení toho zanechali množství korouhví svých.
5Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka;
5Za hrdinu jmín byl ten, kterýž co nejvýše zdvihl sekeru, roubaje vazbu dříví jeho.
6Ary amin'izao ny rafitra misoratra rehetra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta.
6A nyní již řezby jeho napořád sekerami a palicemi otloukají.
7Efa nandoro ny fitoeranao masina tamin'ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin'ny tany ny fonenan'ny anaranao.[Heb: Nolotoiny hatramin'ny tany]
7Uvrhli oheň do svatyně tvé, na zem zřítivše, poškvrnili příbytku jména tvého.
8Hoy izy tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny tranon'Andriamanitra eran'ny tany rehetra izy.
8Řekli v srdci svém: Vyhubme je napořád. Takž vypálili všecky stánky Boha silného v zemi.
9Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan'izao.
9Znamení svých nevidíme, jižť není proroka, aniž jest mezi námi, kdo by věděl, dokud to stane.
10Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian'ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?
10I dokudž, ó Bože, útržky činiti bude odpůrce? A nepřítel ustavičně-liž rouhati se bude jménu tvému?
11Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy amin'ny tratranao, ka mandringàna.
11Proč zdržuješ ruku svou, a pravice své z lůna svého nevzneseš?
12Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin'ny tany Izy.
12Však jsi ty, Bože, král můj od starodávna, působíš hojné spasení u prostřed země.
13Nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan'ny dragona tao anaty rano Hianao.
13Ty silou svou rozdělil jsi moře, a potřels hlavy draků u vodách.
14Hianao nanorotoro ny lohan'ny mamba ka nanome azy hohanin'izay firenena any an-efitra.
14Ty jsi potřel hlavu Leviatanovi, dal jsi jej za pokrm lidu na poušti.
15Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.
15Ty jsi otevřel vrchoviště a potoky, ty jsi osušil i řeky prudké.
16Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.
16Tvůjť jest den, tvá jest také i noc, světlo i slunce ty jsi učinil.
17Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy.
17Ty jsi založil všecky končiny země, léto i zimy ty jsi sformoval.
18Tsarovy izao: Manaratsy an'i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.
18Rozpomeniž se na to, že útržky činil ten odpůrce Hospodinu, a lid bláznivý jak se jménu tvému rouhal.
19Aza manolotra ny ain'ny voromailalanao ho an'ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain'ny olo-mahantranao.
19Nevydávejž té zběři duše hrdličky své,na stádce chudých svých nezapomínej se na věky.
20Hevero ny fanekena; fa feno fonenan'ny fandozana ny fitoera-maizina amin'ny tany.
20Ohlédni se na smlouvu; nebo plní jsou i nejtmavější koutové země peleší ukrutnosti.
21Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao.
21Nechažť bídní neodcházejí s hanbou, chudý a nuzný ať chválí jméno tvé.
22Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian'ny adala Anao isan'andro.Aza manadino ny feon'ny rafinao, dia ny fitabataban'ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.
22Povstaniž, ó Bože, a veď při svou, rozpomeň se na pohanění, kteréžť se děje od nesmyslných na každý den.
23Aza manadino ny feon'ny rafinao, dia ny fitabataban'ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.
23Nezapomínej se na vykřikování svých nepřátel, a na hluk proti tobě povstávajících, kterýž se silí ustavičně.