Malagasy

Welsh

Job

42

1[Ny teny farany nataon'i Joba, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy fiadanana indray] Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
1 Dywedodd Job wrth yr ARGLWYDD:
2Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.
2 "Gwn dy fod yn gallu gwneud popeth, ac nad oes dim yn amhosibl i ti.
3Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
3 Meddi, 'Pwy yw hwn sy'n cuddio deall � geiriau diwybod?' Yn wir, rwyf wedi mynegi pethau nad oeddwn yn eu deall, pethau rhyfeddol, tu hwnt i'm dirnad.
4Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.
4 Yn awr gwrando, a gad i mi lefaru; fe holaf fi di, a chei dithau f'ateb.
5Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
5 Trwy glywed yn unig y gwyddwn amdanat, ond yn awr rwyf wedi dy weld �'m llygaid fy hun.
6Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho.
6 Am hynny rwyf yn fy ffieiddio fy hunan, ac yn edifarhau mewn llwch a lludw."
7Ary rehefa voalazan'i Jehovah tamin'i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin'i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
7 Ar �l i'r ARGLWYDD lefaru'r geiriau hyn wrth Job, dywedodd yr ARGLWYDD wrth Eliffas y Temaniad, "Yr wyf yn ddig iawn wrthyt ti a'th ddau gyfaill am nad ydych wedi dweud yr hyn sy'n iawn amdanaf, fel y gwnaeth fy ngwas Job.
8Koa ankehitriny makà vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
8 Yn awr cymerwch saith ych a saith hwrdd, ac ewch at fy ngwas Job, i offrymu poethoffrwm drosoch eich hunain. Fe wedd�a fy ngwas Job drosoch; gwrandawaf finnau arno, ac ni ddialaf arnoch am eich ffolineb, am ichwi beidio � llefaru yn iawn amdanaf, fel y gwnaeth fy ngwas Job."
9Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an'i Joba.
9 Yna aeth Eliffas y Temaniad, Bildad y Suhiad a Soffar y Naamathiad, a gwneud fel y gorchmynnodd yr ARGLWYDD iddynt; a gwrandawodd yr ARGLWYDD ar Job.
10Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
10 Wedi i Job wedd�o dros ei gyfeillion, adferodd yr ARGLWYDD iddo ei lwyddiant, a rhoi'n �l i Job ddwywaith yr hyn oedd ganddo o'r blaen.
11Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran'i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.[Heb. kesita;]
11 Yna aeth ei frodyr a'i chwiorydd i gyd, a'r holl gyfeillion oedd ganddo gynt, i fwyta gydag ef yn ei du375?, ac i'w gysuro a'i ddiddanu am y drwg a ddygodd yr ARGLWYDD arno. A rhoddodd pob un ohonynt ddarn arian a modrwy aur iddo.
12Ary Jehovah nitahy ny niafaran'i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman'osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
12 Bendithiodd yr ARGLWYDD ddiwedd oes Job yn fwy na'i dechrau: yr oedd ganddo bedair mil ar ddeg o ddefaid, chwe mil o gamelod, mil o fustych a mil o asennod.
13Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,
13 Hefyd yr oedd ganddo saith mab a thair merch.
14ka ny anaran'ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran'ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran'ny faravavy Kerena-hapoka.
14 Enwodd yr hynaf ohonynt yn Jemima, yr ail yn Cesia, a'r drydedd yn Cerenhapuch.
15Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin'i Joba hita tany amin'ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin'ny anadahiny izy.
15 Nid oedd merched prydferthach na merched Job drwy'r holl wlad, a rhoes Job etifeddiaeth iddynt hwy yn ogystal ag i'w brodyr.
16Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian'izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin'ny zafin-dohaliny aza.Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.[Heb. voky andro]
16 Bu Job fyw gant a deugain o flynyddoedd ar �l hyn, a chafodd weld ei blant a phlant ei blant hyd at bedair cenhedlaeth.
17Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana.[Heb. voky andro]
17 Bu farw Job yn hen iawn, mewn gwth o oedran.